Tantara mikasika ny India tamin'ny Desambra, 2010
COP16: Famaranana avy amin'ireo Tanora Mpikaroka
Niblaogy ireo tanora "mpikaroka" avy amin'ny Tetikasa Manangàna mpanelanelana nandritra ny Fivorian'ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan'ny Toetr'andro, izay natao tany Cancun, Mexico. ireto ny santionany amin'ny fanambarana sy eritreritra farany momba izay nitranga tao amin'ny COP16 avy amin'ny fomba fijerin'ny fireneny trsirairay avy.
Karazana fahandroan-tsakafo Krismasy eo amin'ny Bilaogin'ny Sakafo amin'ny ankapobeny
Midika hoe 'mody an-trano' ny Krismasy ho an'ny olona maro - nefa rehefa tsy mety izany, dia mety ho fampaherezana ihany koa ny mikarakara sakafo mahagaga. Nizara ireo nahandro fialan-tsasatra tena tiany ireo mpitoraka bilaogy manerana ny kaontinana maro. Miaraka amin'ireo, afaka manonofy ianao miverina an-tanindrazana na mitsidika toerana izay tsy mbola hitanao koa aza. Fa maninona ianao no mankalaza ny Krismasy amin'ity taona ity, ary inona no harosonao?
India: Andro iray ahafahan'ireo vehivavy milalao sy mandihy
India Unheard dia mampiseho antsika fankalazàna roa samihafa avy amin'ny faritra samihafa manerana ny firenena izay ahafahan'ireo vehivavy manambady avy amina vondrom-piarahamonina ara-poko, mandritra ny iray andro monja, mifaly havanja sy mandihy imasom-bahoaka tsy misy sakantsakana.
India: Heloka ve ny fampitàna mailaka?
Niteraka fifanoherana ny lalànan'i India momba ny aterineto, noho ny fanararaotana amin'ny fampiasàna azy. Nosamborina i Moithu (47), mpiasan'ny governemanta ao amin'ny fitondràna Indiana Kerala, noho ny nampitàny mailaka vazivazy...