Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio.

Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny seha-pikarohana telo samihafa ny tatitra: Fiantraikany sy FianaranaTeknolojia vaovao, ary ny Fanavaozana politika.

Isaorana be dia be ny Transparency and Accountability Initiative tamin'ny fanohanany ny asanay, isaorana ny ekipa mpikaroka tamin'ny asany mampitolagaga ary isaorana i David Sasaki, izay nanokatra sy nitantana ny dingana fanombohana teo amin'ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana, izay nametraka ny fototr'ity tatitra ity.

Alaivo ny tatitra

Fehiny

Ity tatitra ity dia mitahiry ny zava-dehibe hita avy amin'ny falakfakana tetikasa mihoatra ny  100 sy ny tafatafa natao tamin'ny olona mpikarakara am-polony avy any Eoropa Atsinanana sy Afovoany, Azia Atsinanana, Amerika Latina, Afovoany-Atsinanana sy Afrika Avaratra, Azia Atsimo, Azia Atsimo atsinanana, Firaisana sovietika teo aloha, ary Afrika mainty izay mampiasa ny teknolojia hampiroborobo ny mangarahara sy ny fampandraisana andraikitra [na fahadiovam-pitantanana] . Ity fehiny ity dia natao hampahalala bebe kokoa ny ‘fitsapana ny fitempon'ny fo‘-n'ny hetsika ho amin'ny fampangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra avy amin'ny Teknolojia sy manoritra ny mety ho fiantraikany mahafinaritra mbamin'ny lesoka mbamin'ny fanamby mbola miandry.

Ho an'ireo mampiasa ny vola ao amin'ny tontolon'ny fangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra, ilaina tokoa ny mamaritra ny hery entina entina mampakatra ny fampiasana ny teknolojia ho amin'ny fangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra amin'ny fomba efatra farafaharatsiny:

  • Mametraka dingana ny tetikasa sy ny fidirana an-tsehatra.
  • Mampifanakaiky ny olompirenena amin'ny fomba fitantanana politika amin'ny alalan'ny karazana fantsona vaovao sy nohatsaraina sy ny fanarahamaso ny fitondrana ataon'ny olompirenena.
  • Mamantatra ny vaindohan-draharaha eo amin'ny politika sy ny fanamby eo amin'ny famitana ny ‘data mashing‘ na asa fandrandranana (<randrana) fampiharam-baiko sy ny fampibaribariana hafa mbamin'ny fikirakirana ny angom-baovao ampiasain'ny fitondrana sy ny tsy miankina .
  • Manatsara ny fiasan'ny fiarahamonim-pirenena miasa eo amin'ny sehatry ny fangaraharana sy ny fampandraisana andraikitra amin'ny alalan'ny fampiasana ny sehatra teknolojika tsara ampiasaina indrindra.

Vokatra hafa

Ny ankamaroan'ny tetikasanay dia nifantoka tany amin'ny rafitra mpanatanteraka na mpanao lalàna tany anivon'ny fitondrana.  Kely ihany ny tetikasa nitodika tany amin'ny rafitra fitsarana, tany amin'ny fampitam-baovao, tany amin'ny sehatra tsy miankina ary tany amin'ny mpanao fanampiana.

Efa mila hanasaka ny isan'ny tetikasa no mifantoka amin'ny fanaraha-maso ny fifidianana.  Raha maro amin'izy ireo no mampiasa ny Ushahidi, misy kosa ny sasany nanao ny azy manokana, anatin'izany ny manambatra ny vaovaon'ny fifidianana avy any amin'ny loharanom-baovao isan-karazany ho ao amin'ny toerana iray ary eo ihany koa ny mametraka ny vaovao azo avy any amin'ny [fanarahana] fifidianana ofisialy ao amin'ny Google Maps [sarintany Google].

Maro amin'ny tetikasa any amin'ny faritra maro no te-hifantoka amin'ny fangaraharan'ny fanaovan-dalàna, amin'ny fanarahana ny fomba fandaniana ny lalàna sy ny famoahana ny mombamomba ny olomboafidy tsirairay miaraka amin'ny biografiany sy ny isam-bato [isan-jato] azony. Ny sasany indray moa nampiditra ny mombamomba ny antoko politika na ny voarakitra ho vola laniny nandritra ny fifidianana mpanao lalàna.

Ny fijerena ny angom-bovao sy ny fitaovana iseraserana ihany koa no lakile iray amin'ny mihoatra ny antsasaky ireo tetikasa nanaovanay fanadihadiana, sy ny karazana fanangonana angom-baovao avy amin'olo-tsotra. Eo ho eo amin'ny ampahatelo'ny tetikasa no mampiasa fiantso finday amin'ny lafiny sasany, ny ankamaroany dia amin'ny alalan'ny fahafahan'ny olona manoratra na mandray vaovao amin'ny alalan'ny hafatra an-tsoratra.

Inona ny manaraka?

Mbola hisokatra hatrany ny vohikalan'ny tambajotran'ny Teknolojian'ny fangaraharana izay ahafahana ifampizarana tetikasa, fitaovana mbamin'ny hevitra ahombiazana amin'izay atao sy ho an'ireo haka loharanon-kevitra avy amin'ny asa vitan'ny hafa. Afaka misoratra anarana amin'ny lisitra mailaka andefasam-baovao, mamaky na mandray anjara amin'ny lahatsoratra manokana ato amin'ny Global Voices Online, ary manaraka anay ao amin'ny Twitter (@techtransparent) sy Facebook. Mbola vao andala-mpisongàna ity taranja iray ity, ary ny tadiavinay dia ny hampivelatra ny ezaka manerantany amin'ny alalan'ny fandraisanay anjara ao anatin'ny fiasana miaraka sy ny fiseraserana miampita sisintany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.