· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny India tamin'ny Avrily, 2013

Fandraketana Trangam-Panavakavahana Mba Hampitsaharana Ny ‘Tsy Fikitika’

  27 Avrily 2013

ONG iray iraisampirenena ny Video Volunteers, no sady mpiaro zon'olombelona, nanomboka ny fanentanana ARTIKLA 17 tamin'ny taona lasa izay idiran'ny fandraisana andraikitra amin'ny fijoroana vavolombelona mikasika ireo endrika samihafa isehoan'ny 'Tsy Fikitika' noraketin'ireo Mpifandray amin'ny Vondrom-piarahamonina Video Volunteers an-tsary. Hatreto dia lahatsary 30 no azo jerena mikasika ny fanaovana izany manerana an'i India.

Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana

  22 Avrily 2013

Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana manerana ny firenena izay miady amin'ny fitomboan'ny tranga fanolanana izany. Niharan'ny fanolanana narahina herisetra ity ankizivavy 5 taona ity nandritra ny...

Fahafahana Vonjimaika Ho An'ilay Mpanao Gazety Indiana Naveen Soorinje.

  04 Avrily 2013

Nosamborina tamin'ny 7 Novambra 2012 i Naveen Soorinje, mpanao gazety amin'ny fahitalavitra raha namoaka ilay loza niseho momba ny “fitondra-tena” izay nahavoarohirohy ireo mpikambana ao amin'ny ankavia hindoue Jagaran Vedike ho nana herisetra tamin'ireo tanora lehilahy sy vehivavy ao Mangalore, India. Nahazo fahafahana vonjimaika avy amin'ny Fitsarana Ambony Karnataka ihany anefa izy. Noraisina izany fanapaha-kevitra...