Tantara mikasika ny India tamin'ny Desambra, 2019
Tian'ny alika ny foromazy Nepaley iray mafy, be mpankafy indrindra ao an-toerana
Lasa sakafo malaza be ho an'ny alika any Etazonia sy Eoropa ny Chhurpi ankehitriny, ilay foromazy mafy vita avy amin'ny rononon'yak sy ombivavy any amin'ny faritra Himalaiana.
Mampivarahontsana ao Bangladesh ny fiakatry ny vidin'ny tongolobe
Miha-ratsy ny krizinà tongolo ao Bangladesh miaraka amin'ireo fahatarana misy amin'ireo mpiara-miasa hatrizay tamin'ny fanafarana sy ireo vidiny mitombo avo enina heny. Maka an'ireo tongolo entina amin'ny fiaramanidina ny governemanta mba hamaliana ny tinady.
Voampanga ho nanao herisetra ny polisy Indiana rehefa nanaparitaka ny fihetsiketsehana manohitra ny CAA tarihin'ny mpianatra ao Delhi
Fantatra fa hitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny diabe mba hitakiana fandraisana andraikitra amin'ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ary koa ny fanafoanana ny Citizenship Amendment Act.
Manempotra ny renivohitr'i India ny mololo mirehitra sy ireo renirano maloto
Tamin'ity taona ity, miatrika krizy henjan'ny loto ny faritry ny renivohitra nasionaly Indiana satria tsy voafehy intsony ny zavona manempotra ary mandrakotra ny renirano Yamuna, izay efa tena maloto loatra, ny roatra misy poizina.