· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny India tamin'ny Avrily, 2018

India: Bengalooru Bangalored!

  30 Avrily 2018

''Tsy ny lahatsoratry ny Outlook irery ihany no manana olona miresaka mikasika an'i Bangalore, ny politika eo an-toerana sy ny toe-draharaha ankapobeny ao amin'ny firenena no manana mponina avy amin'ny tanàna lavitra miresaka an'i Bangalore ho toy ny fandraharahàna ratsy.. ''

Diarin'ny Fiarahamonina: Manabe Olontsotra Mpanao Gazety Avy Amin'ny Fotony

  26 Avrily 2018

Am-pifaliana no ampahafantaranay anao ny fahadimy amin'ireo andiany voalohany nahazo tohana ara_bola avy amin'ny Rising Voices. Fandaharanasa nosoratan'ny olontsotra manana kendry ny hanentana ireo tanora mipetraka any amin'ny 'faritra mahanatra' mba ho Olontsotra mpanao gazety mpanadihady, hikaroka, hanoratra ary hanaparitaka fitantarana tsy misy toa azy momba ireo vondrom-piarahamonina tsy fantatra, ho an'ny vaovao ao an-toerana sy erantany.

Ireo Blaogera Ao Amin'ny India Virtoaly

  25 Avrily 2018

Toerana iray samihafa ny India virtoaly, raha oharina amin'ny India tena izy. Mandingana ireo sakana jeografika sy fizika ireo blaogera ary mivondrona, ka ny fanakanana ny blaogy tamin'ity herinandro ity dia nanasongadina an'ity India virtoaly ity, ary dia hafa tokoa anie izany eeee...

Tondradrano Tao Mumbai

  18 Avrily 2018

Niaina orana mikija (156mm tanatin'ny 24 ora) i Dhaka tamin'ny voalohan'ity volana ity. Nandrakotra ny ampahefan'ilay tanàna ny ora-nikija ka nampitsahatra ny fiainan'ny olompirenena 10 tapitrisa. Saingy tsy misy manakaiky ilay niainan'i Mumbai tanatin'izay roa andro izay, miaraka amin'ny orana tsy tapaka voarakitra ho 896mm tanatin'ny 24 ora.

Bahrain: Kamo Ve Ny Arabon'ny Golfa?

Tamin'ny fiandohan'ny herinandro farany ho an'ny Janoary 2008, nitafatafa tamin'ny gazetin'ny firaisambe arabo mpiseho isanandro "Asharq Al-Awsat" ny minisitry ny asa Bahraini, Majid Al Alawi, ary nolazainy tao amin'ilay resadresaka fa miatrika 'tsunami aziatika' ny Golfa satria 'kamo' sy 'simba' ary miankina amin'nireo mpiasa afarana avy any ivelany ireo teratany ao Golfa amin'ny fanaovana na dia ny asa tsotra aza. Nambarany fa ireo mpiasa vahiny manodidina ny 17 tapitrisa ao Golfa, aziatika ny ankamaroany, dia ho 'loza ratsy kokoa noho ny baomba atomika na ny fanafihan'ny israeliana'. ahoana ny eritreritr'ireo mpitoraka bilaogy bahraini ?