· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Bahrain tamin'ny Febroary, 2011

Bahrain: Mpanao Fihetsiketsehana Resin-Tory Notafihan'ny Polisy

  17 Febroary 2011

Nanodidina ny tamin'ny 3 ora maraina, ora eto Bahrain, raha mbola sondrian-tory ireo mpanao fihetsiketsehana teo amin'ny rond-point Pearl, dia tonga nanafika azy ireo niaraka tamina fitaovam-piadiana ny andiana polisy, baomba mandatsa-dranomaso sy herisetra tsy roa aman-tany - TSY NISY FAMPITANDREMANA.

Bahrain: Fanomezana $2,650 ho an'ny fianakaviana Bahraini tsirairay avy

  17 Febroary 2011

Ho fanamarihana ny tsingerintaona faha-10-n'ny “National Action Charter“, nanambara ny Mpanjakan'i Bahrain Hamad fa omena fanomezana BD1,000 ($2,650) ny fianakaviana Bahraini tsirairay avy. Raha efa maminavina ny tetibola ho azony sy ny zavatra ho vidiany amin'ity vola ity ny sasany, ny hafa kosa dia mitaraina fa hoe kely izany, sady...

Bahrain: Ny Andron'ny Hatezerana

  16 Febroary 2011

Tamin'ny toerana maro no nahitàna hetsika tany Bahrain androany, tao anatin'ilay nantsoina hoe Andron'ny Hatezerana teto Bahrain. Taitran'ireo zava-doza ny mponin'ny aterineto rehefa nahita ny fomba feno habibiana nataon'ny polisy nanoloana ireo mpanao fihetsiketsehana am-pilaminana hatramin'ny maraina vao niposaka, ary nalaky tokoa ny fifanakalozana rohy mankany amin'ny Twitter sy ireo tambajotra sosialy hafa misy an'ireo lahatsary mampihoron-koditra maneho ny habibian'ny polisy.

Sakànan'i Bahrain ny Pejy Youtube sy ny Hafa koa

GV Mpisolovava  15 Febroary 2011

Eo anatin'ireo hetsi-panoherana ao Manama renivohitr'i Bahrain izay nitarika taminà fisamborana olona maherin'ny 200 sy namoizana aina iray raha kely indrindra, ny fijoroana vavolombelona dia milaza fa nijabahan'ny governemanta  ny vohikala, nanakanany ny fidirana amin'ny vohikala toy ny pejy sy lahatsary Youtube, izay heverina fa ny lahatsary mivantana alefan'ny vohikala ...

Afovoany Atsinanana: Fanarahana maso akaiky kokoa ny Fitroatr'i Tonizia

  15 Febroary 2011

Raha manohy miatrika ireo zava-nitranga nihazakazaka be tao anatin'ny andro vitsy lasa izay nahitàna ny fialàn'i Zine El Abidine Ben Ali sy ny fitsoahany an'i Tonizia ry zareo Toniziana, ny mpitoraka bilaogy Arabo kosa mizara ny eritreriny sy ny fandinihany mikasika ny fitroatry ny Toniziana ary ny dikan'izany eo amin'ny ambin'ny faritra rehetra.