Hala Tahaka ‘Gangnam Style’ Mampisongadina Ny Zanaky Ny Mahantra An-Tanandehibe ao Kambodza

Mbola mahoraka ato amin'ny aterineto hatramin'izao ny ‘Gangnam Style’ saingy amin'ity indray mitoraka ity dia lalaovin’ ankizy 160 avy any ambany tanàna ao Kambodza ilay izy. Nahazo mpijery mihoatra ny 200.000 tao amin'ny YouTube sahady ilay halatahaky ny lahatsarin-kira nataon'ilay mpanakato Koreana Tatsimo Psy malaza dia malaza andro vitsy monja taorian'ny namoahana azy.

Ny ankamaroan'ny ankizy dia avy amin'ny fokontany mahantran'ny distrikn'i Boeng Salang ao Phnom Penh, renivohitry ny firenena. Nilazalaza fanolorana ny tetikasa i Jean-Luc Nguyen, izay niandraikitra ny lahatsary:

What happens when 160 kids from a slum of Phnom Penh decide to do a parody of Gangnam Style? This amazingly funny video. These impoverished kids live in extremely basic conditions but are full of talent and potential. We wanted to give them an opportunity to express themselves through an artistic and fun project. They didn't disappoint us.

Inona no mitranga raha manapa-kevitra hanao hala tahaka ny Gangnam Style ny ankizy 160 avy amin'ny ambany tanànan'i Phnom Penh?  Ity video mampitolagaga sy manala voly ity no vokany. Ireo ankizy mahantra ireo dia miaina amin'ny zavatra tena tsotra saingy manan-talenta sy ambaindainy [angovo]. Tianay ny hanome fahafahana azy ireo haneho ny mahaizy azy ireo amin'ny alalan'ny tetikasa artistika sy manala voly. Tsy nandiso fanantenana anay ry zareo.

Tetikasan'ny Taramana, ONG iray manampy ny ankizy sahirana ao Kambodza. Manazava ny antony nanaovana ny lahatsarin'ny ‘Gangnam Kids’ ny vondrona:

…produce movies that are deliberately offbeat from what you would expect from kids living in a very difficult environment. They are indeed poor, but they have so much potential and energy once you let them express themselves. It would be a shame not to enjoy so much life and joy, and their natural positivity and happiness.

We are convinced that humanitarian aid should focus on giving children strength and confidence: a bit of help that will help them believe in themselves, give them hope for a brighter future and preserve their dignity under any situation.

… mamokatra sarimihetsika tsy mifanaraka mihitsy amin'izay antenainao ho fihetsiky ny ankizy avy amin'ny tontolo tena sahirana. Mahantra tokoa ireo, saingy manana hery sy angovo be dia be raha vao mamela azy ireo haneho ny mahaizy azy. Tokony hahamenatra ny tsy hankafy fiainana sy fifaliana tahaka izao, sy ny fijery zavatra tsara sy ny hafaliana mandeha ho azy ao amin-dry zareo.
Resy lahatra izahay fa ny famonjena mahaolona dia tokony hifantoka amin'ny fanomezana hery sy fitokisana ny ankizy: fanampiana kely hampatoky tena an-dry zareo, fanomezana fanantenana ho azy ireo hanana hoavy mamiratra sy hitandro ny fahamendrehany ao anatin'ny toe-draharaha rehetra.

Eto ambany kosa indray ny lahatsary hafa mampiseho ny fihetsiky ny ankizy rehefa nahita voalohany ny rakikira an-dahatsary nataony ireo ankizy:

Khmerization nidera ny lahatsary:

Awwww… so it's not only a sweet tribute to K-pop superstar Psy and “Gangnam Style,” but also has a great deal of heart and hope to boot! A round of applause goes out to all of the kids involved!

Oaoo… tsy fanomezam-boninahitra ilay mpihira malaza Psy sy ny “Gangnm Style” ihany ilay izy fa manaitra ny fo sy ny fanatenana hifoha ihany koa! Mandeha ny tehaka ho an'ireo ankizy rehetra nandray anjara!

Indreto eto ambany ny fanehoan-kevitra avy ao amin'ny Twitter

@ChtiClem Funny and inspiring Gangnam Style parody by 160 Cambodian kids from a slum of Phnom Penh!

Hala-tahaka Gangnam Style mampitsiky sy mampiainga fanahy nataon'ny ankizy avy any ambany tanànan'i Phnom Pehn

@ManiiFanii this is awesome~ funny & touching too~ ‘Cambodian Gangnam Style parody by 160 kids from a slum of Phnom Penh

mahafiranitra ~mampitsiky & mampihetsi-po ihany koa~ Hala-tahaka Gangnam Style nataon'ny ankizy 160 avy amin'ny ambany tanànan'i Phnom Pehn

@splashpagefilms Yeah. I know Gangnam style is played out but this video of a 160 Cambodian kids from Phnom Penh dancing to it is fun.

Eny. Fantatro fa lalaovin'i Gangnam style io saingy mampiala voly koa ity lahatsarin'ankizy kambodziana 160 avy any Phom Penh mandihy ity

@LinNorLam I went from laughing to crying… #cambodian “@khmerican:160 kids from the slums of Phnom Penh goes ‘Gangnam Style.’

Nihomehy aho dia nitomany… @khmerican: ankizy kambodziana 160 avy any Phom Penh mandihy ‘Gangnam Style’.

@ChrisBurkeShay I thought I'd long had enough of #Gangnam parodies. I was wrong—this is incredibly heart-warming

Nieritreritra ho fa efa leon'ny fakana tahaka ny #Gangnam. Diso hevitra aho – tena mampafana ny fo tokoa izy ity.

Tsy vao sambany tsy akory no nampiasaina ny ‘Gangnam Style’ hanasongadinana ny fahantrana ao Kmbodza. Tamin'ny desambra ny mpikatroky ny zon'olombelona no nandihy an-dalambe tamin'ny ngadon'ity hira ity ho fanoherana ny fanesorana amin'ny tany ny olona sy ho fanoherana ny zo hanan-tany ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.