Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Jolay, 2022
Ahariharin'ny ‘Ikorodu Bois’ fa mampisandratra ny sarimihetsika nizeriana amin'ny tontolo manerantany ny sehatra ankihy (dizitaly)
Amin'ny fitaovana kely sy fitaovana ankihy, namorona fakan-tahaka mampihetsi-po sy mahatsikaiky amin'ny sarimihetsika Hollywood sy Nollywood izay nanjary nalaza tamin'ny media sosialy manerantany ny ekipan'ny 'Ikorodu Bois'.
Inona ankehitriny no manjo ireo mpanao fihetsiketsehana tao Hong Kong telo taona taorian'ny famoretan'ny taona 2019?
Mihoatra ny 10.000 no nosamborina noho ny heloka misy ifandraisany amin'ny fanaovana fihetsiketsehana ka 4010 amin'ireo no mpianatra. Telo taona taty aoriana, miisa 2866 amin'ireo nosamborina — 28 isanjato — no notsaraina ary tokotokony ho 79 isanjato no nampangaina.
Polisin'i Trinidad & Tobago miisa valo no voahazona noho ny raharaha nahafatesana olona
Nolazain'ireo mpisolovava miaro ny fianakavian'ny roa tamin'ireo nodimandry fa “tsy ara-dalàna”, “an-tondromolotra” ary “famonoana tsotsotra izao” ny fahafatesan'izy ireo
Mifandona amin'ny fitsarana tampony eoropeana amin'ny resaka zon'olombelona i Torkia
Tamin'ny 11 Jolay, nilaza ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon'olombelona (ECtHR) fa tsy nahatanteraka ny andraikiny araka ny Andininy 46/1 amin'ny Fifanarahana Iraisampirenena Momba ny Zon'olombelona i Torkia tamin'ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana navoakan'ny fitsarana tamin'ny taona 2019 hamotsorana an'i Kavala.
Vehivavy iray tompondaka tamin'ny echec, niady tamin'ny fanavakavahana ara-taona, ny fanavakavahana lahy sy vavy ary ny fifandrafiana ara-politika ao Kazakstana
Vetivety dia nivadika ho tafiotram-piampangana ny fifanandrinana, niteraka hatezeran'ny besinimaro ary nampiharihary ireo hetsika ambadika tamin'ireo fifandraisana nikorontana nisy teo amin'ny fanatanjahantena matihanina sy ny politikan'ny governemanta
Undertones : Misy famitahana ve tanatin'ireo fitantarana ny fanilihana mpanjanaka tao Mali?
Miaraka amin'ny fitondrana miaramila sy ny fitomboana tsy mitsahatra ny fahitàna an'i Rosia ao amin'ny faritra, miatrika adin'ny fampahalalam-baovao i Mali
Nangoro-mena i Hong Kong tamin'ny tsingerintaona faha-25 nanolorana azy ho an'i Shina
Mirentirenty ny sainam-pirenen'i Shina sy ny sainam-paritra Hong Kong ny tanàna ka nangoro-mena ny tanàna. Heverina hanatrika ny fotoan-dehibe ny Filoha Shinoa Xi Jinping
Fanomezam-boninahitra poeta Keniàna, Grandmaster Masese izay niaro ny kolontsaina Abagusii tamin'ny alàlan'ny tononkalo sy hira
Ny fanambarana ny rakikira iray malaza an'i Masese tamin'ny Desambra 2021 tamin'ny endrika Dizitaly, CD sy Vinyl no rakikira voalohany lava indrindra an'ny mozika Obokano novokarina hatramin'ny taona 1972.
Shina: Mety ho fisian-trobaka tobindrakitra mandranty ny raki-piainan'olompirenena 1 miliara farafahakeliny
"...olana vao mafana ho an'ny mpanao didijadona ny fiporitsahan-drakitra: arakaraka ny hanangonanao azy no tsy ahafahanao mifehy azy."
Maneho fihetseham-po fifidianana amin'ny alalan'ny sary-sy-soratra (meme) ny Kolombiana
Ireto sary-sy-soratra sy sariitatra malaza anankifito ireto no manoma fahalalàna manokana amin'ny hevitry ny vahoaka ao Kolombia momba ny fandresena manantantaran'ny hery politika ankavia.