Inona ankehitriny no manjo ireo mpanao fihetsiketsehana tao Hong Kong telo taona taorian'ny famoretan'ny taona 2019?

Mpanao fihetsiketsehana nifandona tamin'ny polisy nandritra ny fanoherana iray tamin'ny taona 2019. Saripika: Jimmy Lam/USP & HKFP.

Nosoratan'i Lea Mok voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press (HKFP) tamin'ny 16 Jolay 2022 ity lahatsoratra manaraka ity. Navoaka tao amin'ny Global Voices izany noho ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty nifanaovana tamin'ny HKFP.

Telo taona taorian'ny hetsi-panoherana faobe sy ny korontana nanozongozona ny tanànan'i Hong Kong tamin'ny taona 2019 sy 2020, manizingizina ny manampahefana ao an-tanàna fa voaverin-dry zareo ny fitoniana ary maminavina hoavy mamirapiratra ho an'ny vahoakany ry zareo.

Olona iray tapitrisa mahery no nidina an-dalambe tamin'ny taona 2019 mba hanohitra ny lalànan'ny fanondranana izay voampanga ho any Shina. Vetivety dia nivadika ho herisetra ny fihetsiketsehana tanatin'ny famoretana nataon'ny polisy. Nanova tanteraka ny tanàna ny voka-dratsin'ny korontana fombàna ny mpomba ny demokrasia, anisan'izany ny lalànan'ny filaminam-pirenena (NSL) napetrak'i Beijing sy ny fanovana lehibe amin'ny fifidianana.

Tamin'ny 31 May, olona maherin'ny 10.000 no nosamborina noho ny fandikan-dalàna mifandraika amin'ny hetsi-panoherana, ka 2.866 eo ho eo, manodidina ny 28 isanjato no efa notsaraina hatramin'izao, hoy ny polisy.

Ho an'ireo 72 isanjaton'ny tsy notsaraina, nandefa mailaka tamin'ny polisy ny HKFP mba hanazava ny zava-nitranga tamin'izy ireo sy ny antony tsy nanenjehana azy ireo. Naneho setriny tsy namaly ny fanontaniana hoe hitsara olona maro kokoa amin'ireo voasambotra ve ny manampahefana ao amin'ny polisy:

In 2019 and 2020, Hong Kong experienced unprecedented unrest… involving a large number of criminal activities, some serious and complicated cases, and a huge amount of evidence, making the investigation difficult…

Tamin'ny taona 2019 sy 2020, niharan'ny korontana tsy nisy toa azy i Hong Kong… nahitana asan-jiolahy marobe, tranga henjana sy sarotra sasany, sy porofo be dia be, nanasarotra ny fanadihadiana…

Mbola mandeha hatramin'izao ny raharaha anenjehana ny ampahatelon’ireo enjehina. Nilaza tamin'ny HKFP ny iray tamin'ireo voampanga tamin'ny raharaha korontana fa nanadino ny ankamaroan'ny antsipirian'ny fandikan-dalàna nataony izy noho ny fiandrasana ela. Nahavita ny mari-pahaizana mpiara-miasa nandritra ny roa taona ihany koa izy teo am-piandrasana ny fitsarana. Hoy izy:

My lawyer told me to jot down what happened that day, so that I won’t forget all the details. He was right.

Nilaza tamiko ny mpisolovava ahy mba hanoratra ny zava-nitranga tamin’io andro io, mba tsy hohadinoiko ny antsipiriany rehetra. Marina ny teniny.

Taham-panamelohana manaka-danitra

Tamin'ireo olona miisa 2.866 voarohirohy hatramin'ny fotoana anoratana dia raharaha 1.908 amin'ireo voampanga no vita. Amin'ireo tranga vita ireo, ny ankamaroany – 79 isanjaton'ny voampanga – no niharan'ny fanasaziana ara-pitsarana. Notsoahana ny telo isanjaton'ny fiampangana, ary afaka madiodio ny 18 isanjato  taorian'ny fitsarana.

Sary avy amin'ny HKFP.

Araka ny angon-drakitra azon'ny fampahalalam-baovao tsy miankina The Witness, voampanga 839 no nohelohina ho nandray anjara tamin'ilay rotaka.

Sary avy amin'ny HKFP

Mpianatra mpirotaka

Tamin’ireo 10 278 nosamborina, dia mpianatra ny 4 010, ary arivo mahery no noenjehina. Manodidina ny 350 izy ireo no voampanga ho nandray anjara tamin’ny korontana, efatra amin’ny folo amin’ireo rehetra voampanga izany.

Sary avy amin'ny HKFP.

Araka ny voalazan’ny The Witness, dia roa ka hatramin’ny enin-taona ny sazy an-tranomaizina ho an’ireo mpanao fihetsiketsehana 149 voaheloka hatramin’izao noho ny korontana, ka 3,6 taona eo ho eo izany amin'ny ankapobeny.

Antsasany mahery amin'ireo voalaza fa mpanakorontana no latsaky ny 22 taona tamin'ny taona 2019, ary mihoatra ny 10 isanjato no latsaky ny 18 taona.

Sary avy amin'ny HKFP

Raha nanontaniana momba ny mety hisian'ny famotsoran-keloka ho an'ny mpanao fihetsiketsehana, indrindra fa ny tanora, dia nilaza i John Lee, lehiben'ny mpanatanteraka tamin'izany fotoana izany, tamin'ny 29 Aprily 2022, hoe:

Hong Kong is a place where the rule of law prevails, and everyone must abide by the law…if one does not abide, Hong Kong will become a society where the weak are prey to the strong, and civilians will be bullied. We may sympathise with [protesters], but if we do not build up the law-abiding awareness, everyone will suffer in the end…

Toerana iray mampanjaka ny tany tan-dalàna i Hong Kong, ary tsy maintsy manaja ny lalàna ny tsirairay…raha tsy mankatò ny iray, dia ho lasa fiarahamonina izay ho rembin'ny matanjaka ny osa i Hong Kong, ka hiharan'ny herisetra ny sivily. Mety miombom-pihetseham-po amin'ireo [mpanao fihetsiketsehana] isika, saingy raha tsy manangana ny fahatsiarovan-tena amin'ny fanajana ny lalàna isika, dia hijaly ny rehetra amin'ny farany…

Lee ankehitriny no lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong.

Nahemotra ny fitsarana

Olona miisa 2.866 ihany no nenjehina hatreto, ary noho ny COVID-19 dia naato ny raharaha sasany, sahirana ny fitsarana amin'ny fiatrehana ny habetsaky ny raharaha.

Ny salanisan'ny fotoana fiandrasan'ny voampanga ao amin'ny fitsarana distrika — manomboka amin'ny fisehoany voalohany ka hatramin'ny fiandohan'ny fitsarana azy ireo — dia 118 andro tamin'ny taona 2016, niakatra ho 287 andro tamin'ny taona 2021, araka ny tatitra isan-taona nataon'ny fitsarana.

Sary avy amin'ny HKFP

Ny tanjon'ny sampan-draharahan'ny fitsarana dia hoe tsy tokony hihoatra ny 100 andro ny fiandrasan'ireo voampanga mandra-piantsoana azy ireo hohenoina any amin'ny fitsarana.

Amin’ireo voampanga dia misa 482 ireo miandry ny fitsarana voampanga ho nanao rotaka. Mbola tsy voakasa hanomboka mandra-pahatonga ny 22 Novambra 2023 ny fitsarana ny sasany amin'ireo voampanga ho nanao korontana nandritra ny fahiranon'ny PolyU taona 2019 — efa-taona taorian'ny zava-nitranga.

Sary avy amin'ny HKFP

Nandositra ny tanàna ny sasany tamin'ireo voampanga ary nahazo fialokalofana tany amin'ny firenena hafa. Ny hafa, anisan'izany ireo Hongkongers 12 nandeha ny sambo ho any Taiwan sy tanora iray mpanao fihetsiketsehana voatifitry ny polisy, kosa tratra nandritra na talohan'ny voalaza fa fikasana handositra.

Tanàna tsy misy fihetsiketsehana

Ankoatra ny fitsaràna be loatra sy ny tanora am-polony tao am-ponja, namarana tanteraka ny fihetsiketsehana faobe rehetra tao an-tanàna ny famoretana taorian'ny zava-nitranga tamin'ny taona 2019.

Manonona ny fandraràna faobe fihetsiketsehana ny polisy sy ny manampahefana amin'ny fanononana ahiahy mety ho fielezan'ny COVID-19, ka tratran'izany  ilazana andrarana ny fihetsiketsehana lehibe nentin-drazana tato anatin'ny taona vitsivitsy, anisan'izany ny diaben'ny mpomba ny demokrasia 1 Jolay sy ny fiaretan-tory 4 Jona [mg] tamin'ny famoretana tao Tiananmen tamin'ny taona 1989. Nampitony ny toetry ny tsy fitovian-kevitra ihany koa ny lalànan'ny filaminam-pirenena navoaka tamin'ny teny manjavozavo tamin'ny Jona 2020, izay mandràra ny fisintahana, ny fampisarahan-kevitra, ny fampihorohoroana ary ny firaisana tsikombakomba amin'ny hery vahiny.

Nihena ho 76 tamin’ny herintaona ny fitambaran’ny filaharambe ankalamanjana raha 1 930 ny isan'izany ny taona 2012, araka ny tatitry ny polisy. Tsy nety nilaza ny filaharana 76 nankatoavina na ny maha-hafa azy amin’ireo fivoriana ara-politika hafa ny polisy.

Sary avy amin'i HKFP

Tsy maintsy nametraka fangatahana tany amin'ny polisy hatrany ny Hongkongers mba hanaovana fihetsiketsehana ampahibemaso. Tsy nisy fivoriam-bahoaka na filaharana voarara tamin’ny taona 2018, fa tamin’ny taona 2019 dia 47 ny isan'ny fangatahana nolavina.

Manodidina ny 42 no voarara tamin'ny taona 2020 ary valo tamin'ny taona 2021.

Sary avy amin'i HKFP

Tsy nisy fihetsiketsehana voarara tamin’ity taona ity satria tsy nisy nitaky ny hanaovana izany, araka ny fanazavan’ny polisy. Nogadraina ny ankamaroan'ny mpitarika ny mpanohitra, nanao sesitany tany ivelany, na niala tamin'ny fanaovana politika.

Saingy efa-taona teo ho eo taorian'ny hetsi-panoherana manan-tantara tamin'ny taona 2019, manantitrantitra ny manam-pahefana fa mnana hoavy mampisy fanantenana i Hong Kong amin'ny lalànan'ny fiarovana miantoka ny fitoniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.