Vehivavy iray tompondaka tamin'ny echec, niady tamin'ny fanavakavahana ara-taona, ny fanavakavahana lahy sy vavy ary ny fifandrafiana ara-politika ao Kazakstana

Latabatra filalaovana Echec. Saripika an'i Diana Lee tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

Ny volana Jona 2022, iray volana teo ho eo mialohan'ny nanombohan'ny Lalao faha-44 Fifaninanana ho Tompondaka  amin'ny echec natao tany Chennai, India, nihozongozona ny Federasiônan'ny échecs tao Kazakhstan (KCF) noho ny andiana fiampangana nahavoarohirohy, mivantana na ankolaka, tovovavy iray mpilalao echec ary lehilahy vitsivitsy amin'ny salan-taona rehetra : manamboninahitra roa ambony ao amin'ny federasiona, ny ministry ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, eny hatramin'ny filoham-pirenena aza. Nivadika ho tafiotram-piampangana ny fifanandrinana, niteraka hatezeran'ny besinimaro ary nampiharihary ireo hetsika ambadika tamin'ireo fifandraisana nikorontana nisy teo amin'ny fanatanjahantena matihanina sy ny politikan'ny governemanta.

Firenena izay manana mpitarika ara-politika sy rafi-panjakana nanana fahazarana nampiditra atleta ambony amin'ny fampielezan-kevitra ara-politikan'ny fitondrana, i Kazakstana dia fantatra amin'ny fandoavana vola be avy amin'ny tetibolam-panjakana ho an'ireo atleta mahomby, ohatra, amin'ny fandoavana vola farany ambony indrindra eran-tany ho an'ny medaly volamenan'ny Fifaninanana Olaimpika amin'ny Ririnina tao PyeongChang ny taona 2018, fahadimy ambony indrindra tamin'ny Lalao Olaimpika fahavaratra tao Tokio ny taona 2020  ary fahatelo ambony indrindra tamin'ny Lalao Olaimpika ririnina tao Pékin ny taona 2022, taorian'i Singapora sy Hong Kong. Na izany aza, avy any Londona ny efatra tamin'ireo fito nahazo medaly volamena tamin'ny Lalao Olaimpika fahavaratra tamin'ny taona 2012, izay noraisina tamin'ny lanonana manetriketrika notohanan'ny filoham-pirenena tamin'izany fotoana, Nursultan Nazarbayev tamin'ny 17 Aogositra 2012, no avy eo nendahana tamin'ny fomba  ofisialy ireo medaly volamenany noho ny fampiasana zava-mahadomelina. Hafahafa ihany, tahaka ny fihetsiky ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, tsy nasaina namerina ireo loka Volafotsy sy ireo fanomezana maro natolotry ny fanjakana izy ireo na teo aza ny fitondrantena tsy mendrika nataony. Ny iray tamin'ireo, ilay mpibata fomnjamby, Ilya Ilyin, izay taty aoriana, tsy nesorina taminy ny medaly volamenany tamin'ny Lalao Olaimpika ny taona 2008 sy 2012, dia mbola tafiditra tao amin'ny filankevitra ara-politikan'ny antoko teo amin'ny fitondrana ihany Nur-Otan ny taona 2013, ilay rantsana ambony indindra mpisolo tena ny antoko. Amin'izao fotoana izao, tonga amina dingana hafa ny kolikoly eo amin'ireo fikambanana ara-panatajahantena ka na dia ireo parlemantera ao amin'ny antoko mpanaraka ny fitondrana aza dia miaiky fa “mihitsoka ao anaty hetraketraky ny kolikoly ny fanatanjahantena ao Kazakstana, raha toa ireo atleta miharitra ny fakàna an-keriny sy ny haratsiam-panahy avy amin'ireo manamboninahitra sy ireo mpiasam-panjakana ara-panatanjahantena“.

Bibisara Assaubayeva teo amin'ny fifaninanana niadiana ny ho tompondaka isan-tarika eran-tany amin'ny échec. Astana, Martsa 2019. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Телеканал Хабар 24.

Momba ny tantara ratsy mitranga ankehitriny, ilay kalazavavy  18 taona, Bibisara Assaubayeva, tompondaka erantany sokajy vehivavy amin'ny échec Blitz amin'izao fotoana izao ary tompondaka lefitra erantany vehivavy amin'ny échec haingana, dia nanambara tao anaty lahatsorana Instagram tamin'ny 21 Jona, fa izy niaraka tamin'ireo mpikambana sisa ao anatin'ny ekipa  nasionaly vehivavy, dia notarihan'ny filoha sy ny filoha lefitry ny KCF tamina fivoriana niaraka tamin'i Aida Balayeva, filoha lefitry ny fitantanan'ny filohan'ny Repoblika an'i Kazakstana. Araka ny voalazany, ny fivoriana dia natao ho famerenana (fanamasahana) ny fihaonana hiarahana amin'ny Filoham-pirenena Kazakstana izay natao ny ampitson'io, ary ny hitany, fotoana tokony hangatahan”ny ekipa vehivavy vola 3 lavitrisa KZT (manodidina ny 6,8 tapitrisa dolara) ho an'ny filàn'ny federasionan'ny échec. Mahavariana, ireo lehilahy roa – ilay filoha vaovaon'ny federasiona, Galim Khussainov, sy ny filoha lefitra, Darmen Sadvakassov, dia samy nokianin'ilay mpanentana, Ramatoa Balayeva, noho ny fitondrantena tsy mendrika “manoloana ireo vehivavy”.

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Bibisara Asaubayeva (@bibisarachess)

Araka izay ampahatsiahivin'i Assaubayeva, toa nanjavozavo avokoa ny hevitra rehetra nitondràna ilay fihaonana, satria tsy nisy nasaina mihitsy hahatrika ilay fihaonana, na iray aza, ny avy amin'ny ekipa nasionaly lehilahy, na ny lehiben'ny mpanazatra ny ekipa  nasionaly, mba ho ireo filohan'ny federasiona roa sy ireo avy amin'ny ekipa vehivavy ihany no ho tonga.

Nanoratra izy hoe :

Сегодня же до самой последней минуты я была уверена, что нас ведут на встречу к министру за олимпийскими напутствиями, а оказалось Дармен Садвакасов и его начальник нас привели просить 3 миллиарда тенге для бюрократов Казахстанской шахматной Федерации.

Очевидно, что сегодня была генеральная репетиция, руководство КФШ готовит его премьерный показ ЗАВТРА на встрече с Президентом страны, Касым-Жомарт Кемелевичем.

Мне стыдно и поэтому я прошу прощения. Я спортсмен, и хочу им оставаться.

Мне очень стыдно за себя, что я стала участницей этого постыдного спектакля.

Androany, hatramin'ny fotoana farany, azoko antoka fa tsy maintsy hihaona amin'ny minisitra izahay noho ny fety firariantsoany mialoha ny Lalao Olaimpika, saingy niharihary fa nentin'i Darmen Sadvakassov sy ny lehibeny teto izahay mba hangataka 3 miliara ‘tenge’ ho an'ireo mpitantana biraon'ny Federasionan'ny échec eto Kazakstana.

Mazava ho azy fa, androany no famerenana faobe, raha ireo lehiben'ny KCF kosa miomana ho amin'ny fisehoana voalohany RAHAMPITSO mandritra ny fihaonana iarahana amin'ny Filoham-pirenena, Kassym-Jomart Kemelevich.

Menatra aho ary mangataka famelàna. Mpanao fanatanjahantena aho ary maniry ny hijanona ho izany.

Menatra ny tenako aho satria nandray anjara tamin'ity lalao maha-menatra ity.

Satria navoakany nialoha ny fihaonana tamin'ny filoham-pirenena Kazakstana izany, dia samy namaly haingana ny mpitarika ny KCF sy ny minisitry ny kolontsaina sy fanatanjahantena tamin'ny alalan'ny fandàvana ny fiampangana no sady, na ahoana na ahoana, ny vola dia tsy natolotra tao amin'ny lapam-panjakana, na tsy tonga tany aza ny ekipan'ny lehilahy sy ny lehiben'ny mpanazatra. “Manana fihaonana amin'ny filoham-panjakana, saingy indrisy, tsy eo ny ekipa lehilahy sy ny lehiben'ny mpanazatra”, hoy izy nanoratra teo ambanin'ny lahatsariny avy amin'ilay fihaonana.

Dauren Abayev, minisitry ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena, izay sady filoha lefitra voalohany amin'ny fitantanan'ny filoha ihany koa, dia somary nahazo antoka raha nilaza fa ““tsy nisy olona nangata-bola” nandritra an'io fihaonana io, ary nanampy izy fa “tsy teo aho nandritra ilay fihaonana”, tamin'ny fotoana niresahana izany. Tsy nanakana ilay minisitra anefa izany, izay fanta-daza amin'ny fanehoan-kevitra manavakavaka ny lahy sy ny vavy sy ireo teny tsy loabody momba ny resaka firaisana ara-nofo fanaony eny imasombahoaka, hanamafy fa nanao hetsika “tamim-pihetseham-po” i Assaubayeva tamin'izany. Nandritra ny resaka ho an'ny mpanao gazety manokana, i Khussainov, filohan'ny KCF, dia niezaka nanamarina ny zava-misy hoe “tsy marina ireo isa hita taratra tao amin'ny lahatsorany”, tamin'ny alalan'ny fanaovana tsoakevitra fa ““mbola zaza i Bibisara. Mbola vao 18 taona izy. Noho izany, mety tsy ho azony tsara izay noresahanay. Etsy andaniny, Zhansaya Abdumalik, mpikambana iray hafa amin'ny ekipa nasionaly vehivavy izay nanatrika ihany koa ny fihaonana, dia nanamafy nandritra ilay resaka ho an'ny gazety fa mety nampisavoritaka an'i Assaubayeva ny tetibolan'ny Federasionan'ny echec ouzbeky izay niadin'izy ireo hevitra”.

Bibisara Assaubayeva, izay, hatrany amin'ny nilalaovany tamin'ny sokajy zandriny, dia anisany tamin'ireo vehivavy mpilalao échec maro nilàna vaniny tamin'ny alàlan'ireo taratasy miresaka vetaveta nandritra ny efa ho folo taona mahery, dia nahavitra nanohitra tamim-pahombiazana teo anatrehan'ny fitsarana Rosiana tamin'ireo  fiampangana lalao mitanila nataon'ilay kalaza Evgeny Solozhenkin, ilay Rosiana malaza mpanazatra ny tanora, ary nahazo fanonerana. Ny valinkafany tamin'ireo fanafihana sy fiampangana nataon'izy telo lahy sy ny mpilalao echec iray hafa namany, izay, raha ny marina, dia lefitry ny filankevitra monisipaly Almaty avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, dia voalanjalanja sy mazava. Nanoratra teo amin'ny lahatsorany teo amin'ny Instagram izy hoe :

Могу лишь добавить – я гроссмейстер, совершеннолетний спортсмен с ясным умом и твёрдой памятью. Я никогда ничего не путаю, не домысливаю. И шагов никаких на эмоциях не совершаю, как предположил господин министр спорта.

Ny hany azoko ampiana dia hoe kalaza aho, mpanao fanatanjahantena sokajy olon-dehibe manana toetra mazava sy manana fitadidiana. Tsy manafangaro zavatra mihitsy aho, aza mihevitra velively. Ary tsy manao fihetsika entanim-po, tahaka izay niheverin'Andriamatoa minisitry ny fanatanjahantena azy.

Rehefa avy nampiany hoe “diso, mifanohitra amin'ny tokony ho izy ary tsy ara-maoraly ny fikasàna hangalatra ny fotoanan'ny filoham-pirenena sy ny vola ao amin'ny tetibolam-panjakana amin'ny alalan'ny fangatahana miharo heloka bevava sy tsy misy dikany”, nanoro hevitra izy ny mba hanatonan'ireo “nalàm-baraka” ny tribonaly hitakiana ny rariny. Fanampin'izay, mikasika ireo resaka lainga, nanome toky azy roalahy izy, dia i Khussainov sy Sadvakassov, fa afaka mahita fotoana izy eny anelanelan'ny fanazarantenany mba handalo fitsirihana amin'ny milina mpamantatra lainga miaraka amin'izy ireo, ary manoso-kevitra ny hiantoka ny vola fandoa ho azy telo.

Tsy mahagaga, hatramin'izao, tsy nisy tamin'ireo lehilahy roa ireo naneho ankarihary ny faniriana handalo fitsirihana lainga ( polygraphique).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.