
Sary avy amin'i Avery Ng, filohan'ny antoko mpanohana ny demaokrasia Ligin'ny Demaokraty Sosialy teo aloha tao amin'ny Ping Shek Public Housing Estate. Ny Facebook an'i Avery Ng, nahazoana alalana.
Ny 1 Jolay 2022, no tsingerintaona faha-25 nanolorana ny zanatany anglisy taloha, Hong Kong ho an'i Shina tamin'ny taona 1997.
Andrasana hanatrika ny fankalazana lehibe ny filoha Shinoa Xi Jinping . Hanao ny fianianana fankatoavana amin'io andro io ihany koa ny Lehiben'ny mpanatanteraka ho avy John Lee ary handray ny tsodranon'ny mpitarika ambony ao Shina mandritra ny fitokanana azy.
Fahamailoana faratampony
Tokony nivory toy ny mahazatra ny fiarahamonim-pirenena tamin'ny 1 Jolay mba hanohitra sy haneho ny tsy fahafaliany. Saingy roa taona taorian'ny famoretana araka ny Lalànan'ny Filaminam-pirenena (NSL), dia tsy hisy hetsi-panoherana ny tanàna satria nampitandreman'ny manampahefana misahana ny fiarovam-pirenena ireo mpikatroka amin'ny voka-dratsiny mahery vaika, araka ny notaterin'i @XinqiSu avy amin'ny Agence France-Presse (AFP) tao amin'ny Twitter:
#BREAKING LSD [the League of Social Democracts] president Chan Po-ying said some of the LAD volunteers and friends were summonsed by NSD [National Security Department] for chats today. “After an evaluation of the situation, we won’t conduct any protest on July 1. The situation is very difficult so we can’t disclose any more details.”
— Xinqi Su 蘇昕琪 (@XinqiSu) June 28, 2022
#BREAKING (Vaovao mafana) Nilaza ny filohan'ny LSD [Ny Ligin'ny Demaokraty Sosialy] Chan Po-ying fa nampanantsoin'ny NSD [Departemantan'ny Fiarovam-pirenena] ny sasany amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy namana ao amin'ny LAD mba hiresaka androany. “Taorian'ny fanombatombanana ny toe-draharaha, dia tsy hanao fihetsiketsehana izahay amin'ny 1 Jolay. Tena sarotra ny toe-draharaha ka tsy afaka manambara amin'ny antsipiriany bebe kokoa izahay.”
Na izany aza, mbola ao anatin'ny fahamailoana ara-pilaminana avo lenta ny tanàna. Voaràra tsy hamoaka tatitra momba ny fankalazana sy ny fitokanana an'i John Lee ireo fampahalalam-baovao maro. Mpanao gazety am-polony avy amin'ny fampahalalam-baovao nahazo fankatoavana ihany koa no nolavina ny fangatahan'izy ireo hampita ny hetsika noho ny antony ara-pilaminana.
Efa napetraka mialoha ny fankalazana ny faritra arovana ao amin'ny Admiralty sy Wan Chai Avaratra ary hihidy manomboka ny 30 jona ka hatramin'ny 1 jolay ny faritra manodidina ny toerana hanaovana ny lanonana. Tsy mahazo mandeha eny amin'ireo faritra habakabaka voaràra ihany koa ny fiaramanidina sy ny drôna.
Nanomboka tamin'ny alatsinainy 27 jona, niditra hotely, nitoka-monina tao amin'ny biraony ary nanao fitiliana PCR ara-potoana izay tafiditra ao anatin'ny fepetra hifehezana ny valan'aretina ireo tompon'andraikitra ambony amin'izao fotoana izao sy ho avy izay hanatrika ny fankalazana.
Ahitana tranga COVID 1.500-2.000 isan'andro ao Hong Kong. Nitarina hatramin'ny 14 Jolay ny fepetra fihatakatahana ara-tsosialy, izay midika fa tsy hisy ny fankalazan'ny vahoaka ny hetsika isan-taona.
Nangoro-mena ny tanàna
Mba hanehoana ny fiverenan'i Hong Kong amin'i Shina, noravahana sainam-pirenen'i Shina sy ny sainam-paritr'i Hong Kong ny tanàna. Ny sehatra tena nanaitra indrindra dia tao amin'ny Ping Shek Estate, trano fonenana ho an'ny fianakaviana sahirana any Kowloon Atsinanana.
Sea of Hong Kong and Chinese national flags 🇭🇰🇨🇳 seen in Ping Shek Estate. pic.twitter.com/IshS5DZs9v
— Jessie Pang (@JessiePang0125) June 25, 2022
Riakan-tsainan'i Hong Kong sy ny sainam-pirenena Shinoa 🇭🇰🇨🇳 hita ao amin'ny Ping Shek Estate.
Vondrona mpomba an'i Beijing no nametraka ireo saina ireo ary nesorina tamin'ny 27 Jona rehefa nisy nanimba ny sasany tamin'ireo sainam-pirenena ary nivezivezy an-jotra ny sary selfies sasany amin'ny endrika vaovao. Araka ny lalàna mifehy ny sainam-pirenena sy ny sary fanevam-pirenena, dia mety hitarika sazy telo taona farafahabetsany ny faniratsirana ny sainam-pirenena.
Ahitana fampirantiana harendrina ao amin'ny lapa Shinoa sy fampisehoana hazavana ao amin'ny hoala, izay nozarain'ireo kaonty mifandray amin'ny governemanta Shinoa tao amin'ny Twitter:
A large-scale Chinese palace lantern exhibition has been held in the Central district of #HongKong SAR to celebrate the 25th anniversary of Hong Kong's return to the motherland. #HK25pic.twitter.com/IMHHr1hu6y
— Zhang Meifang张美芳 (@CGMeifangZhang) June 27, 2022
Nisy ny fampirantiana harendrina lehibe tao amin'ny lapa Shinoa natao tao amin'ny distrikan'i #HongKong SAR ho fankalazana ny faha-25 taona niverenan'i Hong Kong ho an-tanindrazana.
Hong Kong light show in celebration of the 25th anniversary of its return to the motherland. #HK25 pic.twitter.com/DOT4guqrtb
— Hua Chunying 华春莹 (@SpokespersonCHN) June 27, 2022
Fampisehoana hazavana ao Hong Kong ho fankalazana ny faha-25 taona niverenany teto an-tanindrazana. #HK25 pic.twitter.com/DOT4guqrtb
Nisy ihany koa ny fampisehoana fitiavan-tanindrazana nataon’ny olom-pirenena tsotra. Nasehon'ireo fantsona fahitalavitra lehibe ao an-toerana ny hira lohahevitry ny faha-25 taona “Mandrosoa” notontosain'ireo mpihira malaza ao an-toerana nandritra ny herinandro maromaro mialoha ny hetsika:
Nanasa sekoly fanabeazana fototra 11 ihany koa ny Biraon'ny Fanabeazam-pirenena mba handray anjara amin'ny famokarana horonan-kira, “Izaho sy ny Tanindrazanay”, mba hankalazana ny tsingerintaona niverenan'i Hong Kong ho ao Shina:
Manoratra indray ny tantaran'ny fanjanahantany ao Hong Kong
Lasa zanatany britanika i Hong Kong tamin'ny taona 1842 taorian'ny nanaovana sonia fifanarahana miangatra teo amin'ny governemantan'ny Fitondran-taranaka Qing sy ny Fanjakana Britanika tamin'ny fiafaran'ny Adin-dRongony Voalohany. Nitarina ny faritanin'ny zanatany tamin'ny alàlan'ny fifanarahana miangatra roa hafa nosoniavina tamin'ny 1860 taona sy ny taona 1898.
Araka ny Fanambaràna Iraisan'ny Sinoa-Britanika, fifanarahana ara-diplaomatika nosoniavina tamin'ny taona 1984 teo amin'i Shina sy UK izay miantoka ny hahazoan'i Hong Kong fizakan-tena ambony tantanin'ny vahoakan'i Hong Kong mandritra ny 50 taona farafahakeliny, natolotra an'i Shina ny fiandrianan'ny tanàna tamin'ny 1 Jolay 1997.
Niteraka fifindra-monina faobe nivoaka ny tanàna tamin'ny taompolo 1980 sy 1990 ny fifanarahana fanoloram-pifehezana. Raha ny momba ireo sangany izay nisafidy ny hijanona, dia niaro ny fanavaozana ara-politika izy ireo hatramin'ny fiandohan'ny taompolo 1980 nanantena fa havelan'i Shina hampihatra tsy mitsahatra ny demaokrasia ny tanàna araka ny lasitra ao amin'ny Lalàna fototra. Saingy nopotehin'ny fitsipika vaovao momba ny fifidianana nampidirin'i Beijing tamin'ny 2021 ny nofinofin'izy ireo.
Mba hanakanana bebe kokoa ny fanirian'ny olona hanana “fizakantena ambony” araka ny voalaza ao amin'ny Lalàna fototra, dia vao nanova ny bokin'i Hong Kong ny manam-pahefana ara-panabeazana ary nilaza fa tsy zanatany anglisy velively i Hong Kong. Nahatsikaritra ihany koa ny fiovana miharihary ny FTMF=ONG nahazo fankatoavana avy amin'ny Firenena Mikambana, UN Watch, :
🇨🇳 China rewrites history by creating new textbooks to teach children that Hong Kong was never a British colony, and “thus there was no so-called self determination.”
🇨🇳 China sits on the U.N. Human Rights Council. https://t.co/M9uICpJUlN
— UN Watch (@UNWatch) June 19, 2022
Nanoratra amin'ny fomba hafa ny tantara tamin'ny famoronana boky fianarana vaovao hampianarana ny ankizy fa tsy zanatany britanika hatramin'izay nisiany i Hong Kong, ary “noho izany dia tsy nisy ilay antsoina hoe fanapahan-kevitra hizaka ny tenany.”
Mipetraka ao amin'ny Filankevitry ny Zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana i Shina. https://t.co/M9uICpJUlN
Niteraka fisavoritahana mikasika ny maha-zava-dehibe ny fankalazana ny 1 Jolay ny “fetezana ara-politika” tamin'ny fanoratana indray ny tantara:
Hong Kong was never a colony of the evil British Empire… wait, then why celebrating the “return”?
— 𝕎𝕒𝕟 ℍ𝕒𝕟𝕘 (@wan5hang4) June 28, 2022
Tsy zanatanin'ny Fanjakana Britanika ratsy mihitsy i Hong Kong… andraso, nahoana no mankalaza ny “fiverenana”?