· Jolay, 2018

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Jolay, 2018

Amin'ny fanoherana ny zon'ny pelaka, miara-dalana mba hisara-kevitra kokoa ny solontenan'ny mpitondra fivavahana avy ao Trinite sy Tobago

  08 Jolay 2018

Manao izay azonareo atao mba hampihenana ny vono olona, fametavetana ny ankizy, herisetra an-tokantrano, adin'ny andian-jiolahy, ny tsy fananana fialofana, fandrahonana ny fahalalaham-pitenenana, ny hantsana amin'ny karama, ny kolikoly,... Eh! Zava-dehibe kokoa ny fampiasana ny fitarihanareo hibaiko hoe iza no manan-jo na tsia hifankatia.

Vohitra Ségou : Fahendrena Anatin'ny Ohabolana Bambara

Rising Voices  07 Jolay 2018

Rihitra itambaran'ireo fahendrena iraisan'ny maro ireo ohabolana bambara, ilay teny ampiasain'ny maro sy takatry ny rehetra ao amin'ny firenena, ary indrindra fa ao amin'ny faritr'i Ségou toerana anofanan'ny tetikasa Ségou Villages Connection ireo olona ao am-bohitra mba hahafehy ny fikirakiràna ny aterineto. Hita any anaty Twitter sy bilaogy ihany koa ireny ohabolana ireny.

Teny : Famokarana Sarimihetsika Amin'ny Teny Afrikàna

Rising Voices  07 Jolay 2018

Fomba iray mahomby ho fitahirizana ireo teny sy hisorohana ny fanjavonany tanteraka ny fampiroboroboana ny famokarana sarimihetsika amin'ny fiteny afrikàna. Natao ny 2 hatramin'ny 5 Oktobra 2010 tao Akure, Nizeria ny andiany faha-5 amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika amin'ny Fiteny Afrikàna.