Milaza ny Ogandey hoe #NoToSocialMediaTax fa manambaka ny vehivavy, ny tanora ary ny mahantra io

Ogandey mijoro manohitra ny hetra vaovao atao amin'ny media sosialy sy ny Mobile Money (Vola am-pinday).
Nanomboka tamin'ny voalohany jolay 2018 ny governemanta Ogandey nampandoa sara 200 shilling ogandey (0,05 dôlara amerikana) amin'ny fampiasana media sosialy, ka niteraka fanamelohana henjana avy amin'ny Ogandey. Raha 604 dolara isan'olona ny harinkarena faobe, dia mety hihinana hatramin'ny telo isanjaton'ny vola miditra isan-taona amin'ny Ogandey amin'ny ankapobeny ny fampiasana media sosialy na fampiasa fampitan-kafatra.
Nivadika ho fitoriana eny amin'ny fitsarana ny fanoherana ny fampandoavan-ketra ny media sosialy tamin'ny roa jolay rehefa nandeha teny amin'ny fitsarana ny olompirenena tamin'ny fampandresen-dahatra fa mifanohitra amin'ny lalampanorenana ogandey ilay hetra. Mandresy lahatra ny mpitory fa itsakitsahan'ity hetra ity ny zon'olombelon'ny Ogandey izay omen-danja ao amin'ny “fepetra manokan'ny Lalampanorenan'ny Repoblikan'i Ogandà tamin'ny taona 1995″.
Mitantara ny gazety kenyana The Daily Nation:
The petition, filed by a team of young advocates under their Cyber Law Initiative (U) Limited and four individuals, Mr Opio Bill Daniel, Mr Baguma Moses, Mr Okiror Emmanuel and Mr Silver Kayondo against the attorney-general, is challenging the Constitutionality of the (200 USH) [$0.05 USD] daily charge for access to social media platforms.
[…]
The petition is particularly targeting several sections of the Excise Duty Amendment Act 2018, which provided for taxes on Over The Top (OTT) services from mobile telephone usage.
Ny fitoriana, napetraky ny ekipan-tanora mpisolovava amin'ny anaran'ny orinasa Cyber Law Initiative (U) sy olon-tsotra efatra, Atoa isany Opio Bill Daniel, Baguma Moses, Okiror Emmanuel ary Silver Kayondo, ho fanoherana ny lehiben'ny fampanoavana, dia manohitra ny maha-ara-dalàmpanorenana ny fampandoavana sara 200 shillings ogandey isan'andro mba hidirana amin'ny sehatra media sosialy.
[…]
Kinendrin'ity fitoriana ity ny toko maromaro ao amin'ny Excise Duty Amendment Act 2018 [Fanitsiana taona 2018 ny hetra tsy mivantana] mifandraika amin'ny hetra atao amin'ny tolotra Over The Top (mihoatra ny tampony) (OTT) amin'ny fampiasana telefonina finday.
Rahonan'ny hetra ny zo fototra halalaka hiteny sy ho afa-miditra amin'ny vaovao torohay izay tsy ny Lalampanorenana Ogandey ihany no miantoka izany fa arovan'ny fifanarahana iraisampirenena ahitana ny Dina Iraisampirenena amin'ny zo ara-tsivily sy politika sy ny Fanambaràna Manerantanin'ny Zon'Olombelona — nanasoania ireo lahatahiry roa ireo i Ogandà.
Niangavian'ny mpitory ihany koa ny fitsarana hamoaka didy izay hampitsahatra tanteraka ny hetran'ny media sosialy. Mitatitra ny gazetiboky PCTech :
They want the court to issue an order, permanently stopping the government and all her agencies, authorities and officials from imposing any tax on internet or social media usage. In addition, they also want an order, directing the government and government regulatory body of the communications sector; Uganda Communication Commission (UCC) to only regulate OTT services in a manner that guarantees free access, net neutrality, and open internet.
Tian-dry zareo ny fitsarana hamoaka didy manakana amin'ny fomba maharitra ny governemanta sy ireo sampandraharaha miankina aminy ary ny mpiasam-panjakana tsy hampandoa hetra na inona na inona amin'ny fampiasana media sosialy na aterineto. Ankoatra izay, tadiavin-dry zareo ihany koa ny didy, amin'ny governemanta sy ny fahefam-panjakana misahana ny sehatry ny serasera, ny Vaomiera Ogandey misahana ny Fifandraisana (UCC) mba hampanarahan-dalàna ny tolotra OTT amin'ny fomba iantohana ny fidirana maimaimpoana, ny tsy fitongilanan'ny tranonkala ary ny fisokafan'ny aterineto.
Nanolo-tena “hitondra ny ady any amin'ny Fitsarana Afrikana misahana ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka” ny mpisolovava Ogandey Silver Kayondo :
#SocialMediaTax Petitioners have been joined by Raymond Mujuni in defence of OTT journalistic sources and #digital broadcasting. On our way to Court to file against the AG. UCC and URA added for consequential Orders. We'll fight up to the African Court on Human and Peoples Rights
— Silver Kayondo (@SilverKayondo) July 2, 2018
Nanatevin-daharana ireo mpitory hanohitra ny hetra amin'ny media sosialy i Raymond Mujuni ho fiarovana ny maha-loharanom-baovaon-gazety ny OTT sy ny famoahana nomerika. An-dalana izahay ho eny amin'ny Fitsarana hanoherana ny Lehiben'ny fampanoavana (minisitry ny fitsarana?), ny Vaomiera Ogandey misahana ny Fifandraisana ary ny URA [sampan-draharahan'ny hetra] izay nampiana hahazoan'ireo didy tsirairay avy. Hiady hatrany amin'ny Fitsarana Afrikana misahana ny Zon'Olombelona sy ny Vahoaka izahay
Nijoro ihany koa ny vondrom-piarahamonina Global Voices, izay isoloanay tena, amin'ity raharaha ity ary nanomana tweetathon ho firaisankina amin'ny mpikatroka ao Oganda, izay tontosaina anio alatsinainy 9 jolay.

Afisy fanentanana #NoToSocialMediaTax. (Sary namboarin'i Innocent Amanyire @NinnoJackJr ary nahazoana alalana) [ora malagasy : 14:00 – 17:00]
Raha tokony hampiasa vola amin'ny fotodrafitrasa ahafana mampivelatra ny fahafahan'ny Ogandey miditra amin'ny fiseraserana tosaka haingana ny governemanta dia ny hetran'ny media sosialy izay mametra ny fahafaha-miditra sy mampitombo ny vola miditra amin'ny kitapom-bolany no nataony.
Hitan'ny mpitsikera ho endrika fampandoavana hetra roa sosona ity hetra ity satria efa andoavan-ketra ny fotoana iantsoana sy ny lahatahiry ampiasaina. Ankehitriny, mpisera maro no milaza fa tsy zakany tsotra izao ny handoa 200 USH fanampiny isan'olona sy isan'andro ahafahana miditra amin'ny sehatra ara-tsosialy amin'ny tranonkala sy ny sehatra fifandraisana fantatra amin'ny anarana hoe servisy over-the-top (OTT).
Mbola itarin'ity hetra ity ny hantsana amin'ny fahazoana miditra aterineto tsy hoan'ny tanora ogandey sy ny mahantra ihany, fa ho an'ny vehivavy ihany koa, ka manampy trotraka amin'ny hantsana nomerika eo amin'ny lahy sy ny vavy.
Exempt the Rich: Tax the Poor. #SocialMediaTaxpic.twitter.com/nUz0SdLNBr
— Rwakakamba Morrison (@Rwakakamba) July 2, 2018
Tsy ampandoavin-ketra ny manankarena, ampandoavin-ketra ny mahantra.
Mahatsiaro ho voateritery ny tanora ogandey mpisava lalana amin'ny media sosialy
Miady amin'ny tahan'ny tsi-fananan'asa ambony indrindra eto Afrika Atsinanana i Ogandà. Tatitra momba ny fanisam-bahoaka ogandey tamin'ny taona 2014 no nanondro fa amin'ny mponina mihoatra ny 18 tapitrisa anelanelan'ny 14 ka hatramin'ny 64 taona, tsy an'asa ny 58 isanjaton'izany. Ao anatin'izany fotoana izany ihany, 52 isanjaton'ny Ogandey no manana telefonina finday ary ny 71 isanjaton'ireo dia miaina any amin'ny faritra ambanivohitra, hoy ny tatitra nataon'ny Vaomieran'ny Fifandraisana Ogandey tamin'ny taona 2014.
Ny tanora anelanelan'ny 15 ka hatramin'ny 24 taona no mitari-dalana amin'ny fampiasana smartfinday ary mandrafitra ny 28 isanjaton'ny mponina. Maro amin'ireo no miankina amin'ny telefonin-dry zareo sy amin'ny WhatsApp mba hidirana amin'ny fihariana izay miasa amin'ny alalan'ny mobile money (vola am-pinday). Lazain-dry zareo fa tsapany ho manery lalana amin'ny fandraharahana, amin'ny fanamorana ny fihariana, sy ny fahaiza-mamorona ny hetran'ny media sosialy.
Manoritra ny Fiaraha-miasa eo amin'ny politika iraisampirenen'ny TIC ao Afrika Atsinanana sy atsimo fa misanda ny efa ho 40 isanjaton'ny vola miditra isam-bolana amin-dry zareo sahady ny fampiasana lahatahiry iray gigabyte (GB) monja :
Part 1: The cost to connect for #Uganda’s poorest will jump by 10%, resulting in just 1GB of data costing them nearly 40% of their average monthly income. The richest Ugandans will experience an increase of 1% in their cost to connect! @A4A_Internet
#SocialMediaTaxpic.twitter.com/aiYTtNReky— CIPESA (@cipesaug) July 1, 2018
Hiakatra 10 isanjato ny saram-piseraserana ho an'ny mahantra indrindra ao Ogandà, ka ny lahatahiry 1 GB fotsiny dia efa mananontanona ny 40 isanjaton'ny vola miditra amin-dry zareo ankapobeny isam-bolana. Ny Ogandey manankarena indrindra indray hahatsapa fiakaram-bidy 1 % amin'ny saran'ny fiseraserana !
Fanivaivana ireo olom-pirenena efa mizaka ny mafy
Manaraka akaiky an'ilay “hetran'ny fifosafosana” nivoaka tamin'ny Avrily 2018 izay efa nampiady hevitra ity hetran'ny media sosialy ity ary hita ho fanivaivana ireo olom-pirenena efa mizaka enta-mavesatra diso tafahoatra. Tamin'izany fotoana izany no nanoratra ny Filoha Museveni hoe:
I am not going to propose a tax on internet use for educational, research or reference purposes… these must remain free. However, olugambo (gossip) on social media (opinions, prejudices, insults, friendly chats) and advertisements by Google and I do not know who else must pay tax because we need resources to cope with the consequences of their lugambo.
Tsy hanolotra hetran'ny fampiasana aterineto ho amin'ny tanjona fanabeazana, fikarohana na fitadiavan-dohahevitra aho… tsy maintsy mitoetra ho maimaimpoana ireo. Fa tsy maintsy andoavan-ketra ny lugambo (fosafosa) amin'ny media sosialy (hevitra, fitsarana an-tendrony, fifanompana, resaka finamanana) sy ny dokambarotra sy izay tsy fantatro fa mila vola isika hiatrehana ny vokatry ny lugambo ataon-dry zareo.
Ny fametrahan'ny governemanta ny sehatra media sosialy ho rendrarendra no mampiseho ny tsy fahaizana kolontsaina nomerika avy amin'ireo mpanapa-kevitra ao amin'ny governemantan'i Museveni.
Fintinin'ilay Ogandey mpanao gazety Daniel K. Kalinaki fohy ny fiantraikan'ny “hetram-posafosa” sy ny “hetran'ny media sosialy” amin'ny fiainana andavanandron'ny olompirenena Ogandey :
There are basically two problems with the social media tax. First, it shoots the wrong person twice: A Facebook user has already paid tax on the mobile phone, data and electricity; they are, except in a few cases, the product, not the revenue. The tax is like taking money at the gate then also charging for the seats in an empty stadium.
Secondly, people generally don’t gossip or insult others for a living; they do so because they are idle, sad and often unemployed. Imposing a tax to keep them quiet is the cyber equivalent of asking starving people who don’t have millet to eat red velvet chocolate cake instead. This and the mobile money tax have taken many young and poor people, including many in the countryside who have never paid a direct tax, through the organ grinder of our tax system. You can hear the screams from Kidera to Kyotera.
Roa ny olana amin'ny hetran'ny media sosialy. Voalohany, any amin'ny tsy izy ny olona tifiriny indroa: efa mandoa ny hetran'ny finday, ny hetran'ny lahatahiry ary ny hetran'ny vidinjiro ny mpisera Facebook iray ; vokatra ireo fa tsy fidirambola, raha tsy amin'ny tranga maningana vitsy dia vitsy. Lasa sady mampandoa ny fidirana no mampandoa ny seza ipetrahana any amin'ny kianja foana tsy misy na inona na inona ilay hetra.
Faharoa, tsy amin'ny fosafosa na ompaompa no ampidiran'ny olona vola amin'ny ankapobeny ; manao izany ry zareo satria tsy manao na inona na inona, very fanantenana ary matetika tsy an'asa. Ny fampandoavana hetra azy ireo mba hampangina azy ireo dia mitovy amin'ny fitakiana amin'ny noana tsy manana na inona na inona hotsakotsakoana mba hihinana mofomamy mena sôkôlà ho solon'izany raha ao amin'ny cyber. Henonao ny hiaka hatrany Kidera ka hatrany Kyotera.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...