· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Septambra, 2012

Karaiba: Fanamarihana ny Fanafahana ny Fanandevozana

  10 Septambra 2012

Maro amn'ireo firenena Karaiba no mankalaza ny 01 Aogositra, Andron'ny Fanafahana ny fanandevozana, izay ahatsiarovana ny fanafoanana ny fanandevozana. Manamarika ny vanim-potoana isan-taona ireo mpitoraka bilaogy, fa tamin'ity taona ity, saika ambany ny fifantohan'ny saina tety anaty aterineto momba io fialantsasatra io, raha azo isaina aminny rantsan-tànana fotsiny ny mponina amin'ny aterineto milaza izany eo amin'ny lahatsorany na eo amin'ny bitsiny.

Iran: Nampidirina Hopitaly Ilay Mpitarika Ny Green Movement Nofonjaina

Nahiditra hopitaly tamin'ny Alakamisy 23 Aogositra 2012 noho ny "aretim-po" i Mir Hossein Mousavi, mpitarika sangany eo amin'ny Green Movement izay kandidà reformista tamin'ny fifidianana filoham-pirenena nahabe resaka tamin' 2009 ary koa mpitarika ny antoko mpanohitra tamin'ny korontana taorian'ny fifidianana.Noraràna tsy hivoaka ny tranony i Mir Hossein Mousavi nandritra izay 520 andro lasa izay.

Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana

  09 Septambra 2012

Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia  ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny fampandrosoana sy ny fitsinjaran-karena ao Afrika ny fanambarana nivoaka tao Windhoek. Nampisy fihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana afrikanina ny fandaharan’asa momba ny...

Mizara Fahalalàna Manerana Ny Tendro Atsimo Ny LibreBus

Rising Voices  08 Septambra 2012

Mizotra manerana ireo firenenan'i Shily, Arzantina, Orogoay ary Paragoay ny The LibreBus (Fiara Fitaterana Malalaka) ConoSur, mijanojanona ka mikarakara adihevitra sy atrikasa momba ny lanjan'ny fahalalahana miteny, ny rindrambaiko malalaka, ny fizaràna votoaty, ary ireo loharano fanabeazana misokatra.

Arabia Saodita: Mitohy Ny Fitsarana Ilay Mpiaro Ny Zon'olombelona Fanta-daza

Nalaina ambavany fanindroany tao amin’ny fitsarana Ady heloka Bevava Riyadh  vao maraimben’ny 1 septambra lasa teo ireo Saodiana malaza mpiaro ny zon’olombelona sy reformista Mohammad al-Qahtani sy Abdullah al-Hamid, izay nandray anjara tamin’ny fananganana ny Fikambanana Saodiana Miaro ny Zo Ara- sivily sy Ara-politika noho ny tolona maro momba ny fiarovana ny zon’olombelona...

Bahrain: Nifanjevo Ny Tao Amin'ny Fitsarana Noho Ny Fanalavana Ny Fitazonana Ireo Ankizy Roa Tsy Ampy Taona

Nohalavain’ilay mpitsara Bahrainita fito andro ny fitazonana ireo zaza tsy ampy taona 12 sy 13 taona ao amin’ny “Ivon-toeram-piarovana ny Zaza tsy ampy taona” noho ny fiampangana azy ireo ho nandoro kodiarana sy nanao fivoriana tsy ara-dalàna. Fanitelony izao fanavaoza-pitazonana izao hatramin’ny nisamborana azy ireto izay midika fa efa 28...

Vehivavy Iraniana – Miteny ‘Tsia’ Amin'ny Fanerena Hirako-boaly Hijabs Hatramin'ny 1979

Maherin'ny 26.000 ireo olona nanatevin-daharana ny fanentanana iray tao amin'ny Facebook nataon'ny mpianatra Iraniana nangataka ny hampitsaharana ny fanerena ny firakofana voaly (hijabs) any Iran. Telopolo taona no efa nanoheran'ireo vehvavy Iraniana izany, saingy mbola mizaka hatrany ny antsojay ataon'ny mpitandro filaminana eny imasom-bahoaka hatrany izy ireo.

Hong Kong: Bahàno Ny Afovoany – Mialoha Ny Fanesorana An-kery

  06 Septambra 2012

Ny 'Bahàno Ny Afovoany' dia naharitra maherin'ny folo volana ary isan'ny iray lava indrindra tamin'ireo hetsika fibahànana manerantany. Vao haingana ny HSBC no nahazo taratasy tamin'ny fitsarana hanesorana ireo mpibahana - mafàna fo, mpilanja sakaosy mandehandeha sy tsy manan-kialofana ka ny 27 Aogositra amin'ny 9 ora alina no fetra farany

Sodàna: Noafahana Ilay Mpikatroka Twitter Taorian'ny Roa Volana Nidirany Am-ponja.

  05 Septambra 2012

 Nanao hetsika mihery vaika ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodànezy (NISS) tamin'ny tapaky ny volana Jiona 2012. Nisambotra mpanao fihetsiketsehana, mpikatroka, mpikambana sy mpitarika antoko mpanao politika ary olom-pirenena mpahay lalàna tao amin’ny toerana fanaovana fihetsiketsehana, oniversite, toerana ankalamanjana sy tranon’olona maro izay manaraka ny hetsi-panoherana ny NISS. Na dia izany...