Afrika Frankôfôna: Ny Ivotoeram-Piofanam-Pitantanam-Panjakana
Tamin’ny volana Febroary 2001, lany nandritra ny fivoriambe tany Windhoek, ao Namibia ny Sata Mifehy ny Asam-panjakana ao Afrika (PDF). Efa-polo taona taorian'ny fahaleovantena, mampiseho ny fahataran'ny fanomezan-danja ny fitantanam-panjakana momba ny fampandrosoana sy ny fitsinjaran-karena ao Afrika ny fanambarana nivoaka tao Windhoek. Nampisy fihenana ny isan’ny mpiasam-panjakana afrikanina ny fandaharan’asa momba ny fanitsiana ara-drafitra tamin’ny taompolo 80. Misy hatrany ny fanerena amin’ireo kandidà ho amin’ny asam-panjakana: mahomby, miasa tsara.
Ireo tanjona amin’ny fampianarana momba ny asam-panjakana
Andao hotsiahivina ny «sasany» momba ny andraikitr’izy ireo (PDF) :
-
- Hampanjaka ny filaminana sy ny fahamarinan-toerana eo amin’ny seha-panjakana : andraikitr’ireo mpanelanelana be fikirizana sy niofana momba ny diplaomasia sy ny fifampiraharahana ny famahana am-pilaminana ny adim-poko sy sisintany.
- Mitantana ny tetibola-panjakana: ireo mpiasa-panjakana manam-pahaizana manokana momba ny fitantanana ny tetibola-panjakana sy ny lalàna mifehy ny hetra no misahana ireo fandaharan’asam-panarenana ny toekarena, ny fiàlana amin’ny trosa sy ny fanavaozana ny fitaovam-pamokarana ara-toe-karena izay mbola bitika loatra eo amin'ny tsena iraisam-pirenena.
- Miantoka ny raharaha ara-tsosialy ilaina: Eny anivon’ny toeram-pampianaran’asa-panjakana no hamolavolàna ny lasitry ny sampan-draharaham-piarovana ara-tsosialy na ny fampianarana, sehatra sarotra apetraka indrindra amin’ny ankamaroan’ny firenena afrikana mpiteny frantsay (frankofôna).
- Miantoka ny tsy fironana sy ny fahamarinana eo amin’ny asam-panjakana: Eny anivon’ny sekolim-pampianaran'ny asam-panjakana no handalinan’ny (na ahitany!) mpiasan-panjakana ny fahalalàny momba ny etika (fitondratena) sy ny asam-panjakana mahabe adi-hevitra ho ivon'ny kolikolin'ny fitondram-panjakana maro, kitro ifaharan’ny fitokisan’ny olom-pirenena amin’ireo mpitondra azy.
Aiza ho aiza moa ny sekolim-panofanana mpiasam-panjakana ambony ao Afrika frankofôna? Ny tsy itovizany amin'ny rafitra mpiteny anglisy, eo ambanin’ny fifehezan’ny fitondrana mivantana ny fampianarana ireo mpiasam-panjakana ambony ao Afrika frankofona, manaraka ny fomban’ny mpanjanaka taloha. Misy ny sekoly sasany, tahaka ny ENAM – Bénin, ENAM-Kamerona-Sekoly Ambony mampiofana momba ny Toekarena sy ny Tetibola-Gabon, ENAM-Madagasikara, ENA-Mali, ENA- Maoritania sy ENA- Togo no anisan’ny mpikambana mavitrika ao amin'ny Fikambanana Iraisampirenena Ivondronan’ny Sekoly sy Toeram-pampianarana ambony momba ny Fitantanana (Association Internationale des Ecoles et des Instituts d’Administration) (AIEIA). Ny Sekoly Iraisampirenena momba ny Fitantanan-draharaham-Panjakana no nanangana ny fikambanana. Sekoly folo hafa, toy ny ao Burkina Faso, Côte d’Ivoire sy Nizera no hita ao amin’ny Seha-panaraha-maso ny Asam-panjakana Afrikana [Observatoire des Fonctions Publiques Africaines] (OFPA), izay manana tanjona « fifampizaràna fizàran-draharaham-panjakana ».
Manasongadina ny andraikiny ny ivon-toerana:
Fanangonam-baovao, fijerena ireo olana iombonana, famantarana ireo fandaharan’asa rezionaly sy ny firotsahana amin’ny seha-pandalinana sy fikarohana no asanay amin'ny ankapobeny.
Ho an’ny sasany, tena zava-dehibe izany fifampizaràna traikefa izany. Wise Doh, mpianatra Ganeana ao ENA, nanazava hoe:
Tsy maintsy manampy ny fireneko amin’ny fanao frantsay aho mba tsy hitoka-monina be loatra ao anatin'ny Cedeao [Fikambanana Ara-toekarena Ivondronan’ireo Firenena ao Afrika Andrefana]. Voahodidina firenena nozanahana frantsay taloha izahay: Burkina, Côte d’Ivoire, Togo. Noho ny maha-firenena miteny anglisy antsika, dia tsy mahatsindry lenta loatra isika anatin'izany.
Ireo olana hita amin’ny fampiofanana fitantanam-panjakana
Zato eo ho eo amin'ny ankapobeny ny andiam-pianatra miara-mahazo diplaoma, hita ao avokoa ny grady rehetra. Ny sekoly sasany, tahaka ny any Mali, nilaza fa kandidà 82 no afaka tamin’ireo mpiadina 10262 tamin’ny fidirana tamin’ity taona 2012 ity. Manakona ny fidinan'ny haavom-pahaizan'ny mpiasam-panjakana nivoaka am-polony taona izany tarehimarika izany, fijotsoana nohamafisin'ny hetsika liberaly, hetsika manome tsiny ny anjara toerana mibahana be loatra ataon'ny fanjakana sy ny fandaniana mifandraika amin'izany. Noho ny fampihenana ny fandaniam-bolam-panjakana mifanesisesy, namasoka ny asam-panjakana izany nefa mifanohitra amin'izany kosa dia nampisy fihatsaràny tamin'ny asa tena, ny injenieria sy ny fitantanan-draharaha « mamelo-tena » izany.
Nandritra ny velan-kevitra nataon'ny Pr Jacques Mariel Nzouankeu avy ao Senegaly niompana amin'ny fanamby miandry ny rafi-piofanam-panjakana eto Afrika no nanipihany hoe:
Tsy noho ny olana ara-toekarena ihany no nahatonga ny fijotsoana (krizin'ny solika 71 sy 79, ny fanitsiana ara-drafitry ny taom-polo 80), fa noho ny tsy fisian’ny vina sy ny fahakingan’ny mpitondra ao an-toerana manoloana ireo filàna vaovaon'izao tontolo izao, mailaka sy tafiditra kokoa. Noho izany, navela hosoloina fampianarana ara-toekarena, mifandraika kokoa amin'ny fanamby apetraky ny fijotsoana maharitra ny fahalalàna ankapobeny natao hanamafisana ny vina politika sy ny fahaizana mitantana ireo mpiasa-panjakana ambony. Manampahaizana momba ny toe-karena kokoa noho izany no nofanina fa tsy matihanin'ny fampandrosoana.
Fahadisoana hafa, araka ny filazan’i Jacques Nzouankeu :
Tsy nomen’ny fitondrana lanjany loatra ny rafitra vaovaon'ny « Biraon'ny Fomba Fiasa» ( Bureau Organisation Méthodes = BOM), izay ny fomba fiasa nolovaina tamin'ny fomba fitantanam-panjakana Amerikana no mifanaraka kokoa amin’ny fanovana rafi-panjakana rahatrizay.
Ankehitriny, ny modely ENA frantsay no tena manjaka ary ny kandidà afrikanina miteny frantsay tena manan-kambo no mirotsaka amin’ity ambaratongam-pampianarana iraisam-pirenena miorina ao Strasbourg ity. Voafetra ihany anefa ny mpianatra afrikanina miditra ao. Tamin’ny taona 1949 hatramin’ny 2008, mpianatra afrikanina 747 aminà firenena 32 no nandalo nianatra tao amin’ny ENA frantsay, eo amin’ny mpianatra 13 latsaka isan-taona eo. Vitsy dia vitsy ny solontena avy amin’ny firenena Afrikana atsimon'i Sahara : 56 ho an’i Kamerona, eo amin’ny telopolo eo ho an’i Sénégaly, tahaka izany koa ny ao Maoritania.
Tsy misy azo anoharana ity ENA frantsay, fampianarana avo lenta ity tokoa, amin'ireo sekoly afrikana mitovitovy anarana aminy: tamin’ny 2011, tetibola fampandehanana 42,3 tapitrisa euro no teo am-pelantanan’ny sekoly, tohanan'ny fanjakana hatramin'ny 85%.
Goavana ny fanamby miandry ny ENA afrikanina: mampianatra ny fahakingana ohatra, amin'ny fanambàrana ny sekoly araka ny sokajin’asa, mba ahafahana manao tahiry bebe kokoa eo anivon’ny faritra; mampiditra ny fitaovam-pitantanana stratezika ao amin'ny programa; mampifanakaiky ny teoria sy ny eny amin'ny toeram-piasana ka anaovana fiofanana hatrany ny eny tontolo tena iasana. Izany rehetra izany ao anatin'ny tetibola mifintina.
Tsy mijanona eo ny fahasarotana: fepetra fototra ilaina ho fampandrosoana ny kalitaon’ny fiofanana fitantanam-panjakana saingy tsy ampy hiantohana ho amin'izany. Tsy maintsy ampidirina ihany koa ny fepetra hafa: ny faneren'ny mpiara-miasa, ny fahatratraran'isan'ny mpiasam-panjakana tsara ofana, fifampiresahana mavitrika amin’ny fiarahamonim-pirenena ary indrindra ny finiavana politikan'ny mpitondra ambony. Finiavana tsy mba ampianarina eny amin’ny ENA.
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...