Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Costa Rica, Nasian'ny Horohorontany Nanana Tanjaka 7.6

Nibitsika avy hatrany ilay horohorontanin'ny 5 Septambra 2012 tamin'ny 8 ora 42 mn nanana tanjaka 7.6 (Mercalli) namely ny fireneny ireo Costa Ricains. Ilay fihetsehana, nanana ny foibeny tany amin'ny faritra Guanacaste, dia re mafy tokoa tany akaikin'i Liberia sy tany San Jose ihany koa.

Nitatitra ihany koa ireo mpampiasa Twitter fa somary naharitra ilay horohorontany. Nampiasa ny tenifototra #temblorcr sy #terremotocr ny olona.

Araka ny bitsik'i Ariel Arburola (@arielarburola) [es] :

@arielarburola: Casi corro pero me dió tiempo de poner #temblorcr

@arielarburola: Sady somary mihazakazaka ihany aho saingy mbola mahita fotoana kely hanoratana ihany #temblorcr

Miakatra tsikelikely ny tatitra vitsivitsy momba ny fahavoazana, hatrany anaty Twitter. Sergio Pacheco (@lafoto) [es] nandefa momba ireo fahavoazana nahazo ny tranon'ny anabaviny ao Montezuma, tena akaikin'ny foibeny:

@lafoto: la casa de mi hermana en Montezuma en Guanacaste con el piso levantado #temblorcr

@lafoto: Nitresaka ny gorodon'ny tranon'ny anabaviko ao Montezuma Guanacaste #temblorcr

Tapaka  ny sasany tamin'ireo tambajotra finday, araka ny itateran'i Cristian Cambronero (@cambronero) [es] azy :

@cambronero: Caída la red de Movistar, el ICE funciona parcialmente #terremotocr

@cambronero: Tapaka ny Movistar, miasa amin'ny ampahany ny ICE [Sampandraharaha misahana ny herinaratra ao Costa Rica] #terremotocr

Fabián Calvo (@FabianCalvo) [es] namaly hoe :

@FabianCalvo@cambronero Acá por el contrario, yo tengo Movistar y puedo llamar a Claro y a líneas fijas del ICE, a los celulares Kolbi no puedo del todo

@FabianCalvo@cambronero Somary ny mifanohitra amin'izany no aty, mahazo Movistar aho ary afaka miantso an'i Claro sy ny antso an-taribin'ny ICE, saingy tsy azoko mihitsy kosa ny tambajotra Kolbi

Ny OVSICORI (Sampana mpandinika ny horohorontany any Costa Rica) dia nitatitra fa mety hiakatra iray metatra ny haavon'ny rano any amorontsiraky ny saikinosin'i Nicoya noho ilay horohorontany, araka ny itateran'i El Periódico ao Costa Rica (@elperiodicocr.com) [es] azy :

@elperiodicocr.com: Terromoto levantó la Penínzula [sic] de Nicoya en por lo menos un metros, dice Marino Protti, del OVSICORI.

@elperiodicocr.com: Nampiakatra iray metatra raha kely indrindra ny tany amin'ny saikinosin'i Nicoya ilay horohorontany, hoy i Marino Protti,  avy amin'ny OVSICORI.

Ny tatitra mivantana amin'ny onjam-peo dia re tamin'ny alàlan'ny  ADNfm radio [es], izay nisian'ireo olona niantso nitatitra fahatapahan-jiro, tafo taila nirodana, ary faharavàna, na dia tsy nisy aza fitaterana famoizana aina hatreto

Nisy fanairana mibaiko tena nandeha ho an'ireo faritra any amin'ny Pasifika sy hatrany Shily, saingy ny Kaomisionam-Pirenena ho an'ny Vonjitaitra (CNE) no nanajanona azy io ho an'ireo  any amin'ny morontsiraky Costa manamorona ny Pasifika.

Tao amin'ny Twitter sy tamin'ny alàlan'ny fampahalalam-baovao ho an'ny daholobe, toy ny ADN.fm, dia nangataka ireo olom-pirenena sy mpanao gazety ny mba hanaovan'ny olona tatitra ihany koa any anaty aterineto sy ireo tambajotra sosialy toy ny  Twitter.

Ny filoham-pirenena, Laura Chinchilla (@Laura_Ch) [es], dia nandeha nanangom-baovao tany amin'ny Kaomisionam-Pirenena ho an'ny Vonjitaitra :

@Laura_Ch: Ante dificultades en el sistema de telecomunicaciones me dirijo a CNE para recibir informe sobre seismo q sacudió al país.

@Laura_Ch: Noho ny fahasahiranana eo amin'ny foto-drafitrasa fifandraisana dia mankany amin'ny CNE aho mba hahazo ireo vaovao mikasika ilay horohorontany izay namely ny firenena.
Hospital Monseñor Sanabria in Punta Arenas, Costa Rica, after September 5th earthquake. Image by Twitpic user @tapachiche

Ny Hopitaly Monseñor Sanabria ao Punta Arenas, Costa Rica, taorian'ilai horohorontanin'ny 5 Septmbra. Sary avy amin'ilay mpampiasa Twitpic,  @tapachiche

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.