Marihan'i Okraina ny tsingerintaonan'ny hetsika Euromaidan tamin'ny andron'ny fahamendrehana sy ny fahafahana

#Euromaidan protesters fill central Kyiv on Dec. 1, 2013. Photo by Alexandra Gnatoush. Used with permission.

Mpanao fihetsiketsehana #Euromaidan nameno ny afovoan-tanànan'i Kyiv tamin'ny 1 desambra 2013. Saripikan'i Alexandra Gnatoush. Nahazoana alalana.

Tamin'ny 21 novambra no nanamarihan'i Okraina ny tsingerintaona fahavalon'ny hetsipanoherana Euromaidan—fitrakàna mahaolompirenena niainga avy eny ifotony nanomboka tamin'io andro io tamin'ny taona 2013 ary nitarika fanovana nampihovitrovitra ny mponin'ny firenena. Ankehitriny ny hetsika nitranga tamin'ny Novambra 2013-Febroary 2014 lasa fantatra ho Revolisionan'ny fahamendrehana, mitaratra ny fivoaran'ny hetsika niainga avy amin'ny fivoriana kely nataon'ny pro-Eoropeana ka lasa fivoriana goavana nanehoana ny tsi-fahafahampo, nanavatsava sisintany sy hasin'ora, ary nahasahana ireo tolona nanoherana ny governemanta mpanao kolikoly sy ny herisetran'ny polisy, sy ny hetaheta fanovana politika sy sosialy.

??✌️ Finaritra fetin'ny fahafahana sy ny fahamendrehana. Tamin'ity andro ity no nanombohan'ny ny revolisiona laoranjy 2004 sy ny revolisionan'ny fahamendrehana 2013. Mendrika ririnina velon'afo ny fahafahana sy ny fahamendrehana.

Notantarain'ny Global Voices mavitrika ny Revolisionan'ny Fahamendrehana tamin'ny taona 2013 sy 2014, nahitana ny feon'ireo olompirenena tsy hita isa araka izay azon'ny mpanoratra ato aminay. Manasa anareo izahay hiaina indray ny fotoan-dehibe tamin'izany fotoanan'ny Euromaidan izany amin'ny alalan'ny fanavatsavàna indray ny zoro fitantarana manokana.

Hatramin'ny taona 2014 ireo mpandray anjara an-tsitrapo ato aminay no nitaratra ihany koa ny taorian'ny Euromaidan sy ny nanovan'ny Revolisionan'ny Fahamendrehana an'i Okraina sy ny Okrainiana. Vakio etsy ambany ny sasantsasany amin'ireo tantara ireo:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.