Velona ny lova navelan'ilay vazimba Kolombiana mpanangom-baovao novonoina

Sary an-drindrina ho fahatsiarovana an'i María Efigenia Vásquez, nataon'ny firaisankina Iskra tao an-tanànan'i Popayán, nahazoana alalana.

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: ity mombamomba ity dia ampahany amin'ny fitantarana midadasika kokoa momba ny fandrahonana mihatra amin'ireo vazimba mpanangom-baovao ao Cauca (Colombia). Ny tantara voalohany dia mirakitra ny tsimatimanotan'ny heloka bevava atao amin'ny mpanao gazety, ary ny faharoa, ny tontolon'ny vazimba teratany sy ny ady ataon'izy ireo hanangonam-baovao amin'ny tolona ataon'ny vondrom-piarahamonina amin'ny fananan-tany.

Naka ny fakantsarin'izy ireo i María Efigenia Vásquez Astudillo sy i John Miller mpiara-miasa aminy, samy vazimba mpanao gazety avy any atsimon'i Kolombia ka nandeha tany amin'ny valan'ny vazimba tao Kokonuko.

Ny asan'i Miller dia ny nandrakitra ny hetsi-panoherana nataon'ny vondrom-piarahamonina Teratany Kokonuko sy ny fihaonan'izy ireo taorian'izay tamin'ny vondrona polisy miady amin'ny korontana, Esmad. Tao amin'ny vala Kokonuko, ao Puracé, tanàna kely iray ora roa miala ny tanànan'i Popayán no nitrangan'izany.

Nilaza tamin'ny Global Voices i Miller fa nantsoin'ny olona avy amin'ny manodidina azy izy sy Efigenia Vásquez mba handrakitra ny mety ho fifandonana amin'ny polisy. Nivondrona ny vondrom-piarahamonina Kokonuko hanohitra ny tetikasa fizahan-tany tsy miankina iray, notarihan'i Diego Angulo, momba izay heverin'izy ireo ho ivon'ny vala tahiriny (resguardo, amin'ny teny Espaniola), izay eo ambany rafi-pananam-pikambanan'olon-tsotra araka ny lalàna Kolombiana.

Ny marainan'ny 8 Oktobra 2017, teo akaikin'ny fidiran'i Agua Tibia N.2 izy roa, ao amin'ny tahiry, izay toerana misy ny orinasan'ny fizahan-tany ara-tontolo iainana, spa ary fandroana ranomafana ao Angulo antsoina hoe Centro de Turismo y Salud Termales Agua Tibia.

Nilaza i Miller fa nandraklitra tamin'ny fitaovan'izy ireo izy, araka ny nampianarin'i Vásquez azy — tsy nisy fanelingelenana ary nifantoka tamin'ny mety ho fifandonana teo amin'ny polisy sy ny vazimba teratany. Tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro teo, nanoro hevitra ny hody any an-tranony i Vásquez mba hikarakara ny zanany telo.

Raha nidina ny tendrombohitra izy ireo, dia nibanjina azy tampoka izy ka nanao hoe: “Handeha atỳ aho”. Nankany ampitan’ny tendrombohitra izy. Nanohy ny firaketana i Miller.

Voarakitra ny Esmad iray nitifitra, saingy tsy hitany ny lasibatra, ary avy eo dia henony ireo fokonolona niantso vonjy. Napetrany avy hatrany io fakan-tsary io ary nojereny hoe avy aiza ny fitarainana.  

John Miller (rankavanana) mampiseho ny mpanoratra (ankavia) ny tendrombohitra izay namonoan'ny polisy an'i Efigenia. Saripikan'i Willian Mavisoy Muchavisoy, nahazoana alalana.

Taitra izy rehefa nahita ny fatin'i Vásquez nitsirara tamin'ny tany ary nandeha nanatona azy niaraka tamin'ny mpiara-monina hafa. Teny an-dalana teny ambany, dia mbola nifanandrina tamin’ny fokonolona ny Esmad ka tsy afaka nandalo ny fiara mpitondra marary.

Mpamily iray, izay nandalo teny an-dalana, no nitondra an'i Vásquez ho any amin'ny fiara mpamonjy voina mba hahafahan'izy ireo mitondra azy any amin'ny hopitaly akaiky indrindra. Tsy nanana fitaovana ampy anefa ilay tanàna kely, ka nentin’izy ireo tao amin’ny hopitaly Saint Joseph tao Cauca ao Popayan izy.

Nandritra izany fotoana izany, hoy i Vásquez: “Aza avela ho faty aho”, ary “Aza lazaina amin’ny ray aman-dreniko izay zava-nitranga.” Ora vitsivitsy taty aoriana dia nilaza tamin'i Miller fa tsy afaka mamonjy azy ny mpitsabo mpanampy iray. Kivy be izy — maty noho ny ratra tamin'ny tifitra nahazo azy ny olon-tiany sy ny mpiara-miasa aminy. Ny ampitson'iny, nanamafy ny fahafatesany tamin'ny tifitra variraraka ny Ivotoerana Fandidiam-paty.

Maty teo am-pitantarana ny tolona nataon'ny vondrom-piarahamonina misy azy mba hamerenana ny taniny i Vásquez Astudillo, mpanao gazetin'ny radio indizeny Renacer Kokonuko, mpiambina vazimba teratany teo aloha, ary renim-pianakaviana manan-janaka telo. Na dia efa-taona lasa aza izany, ny fahafatesany no manentana ny fokonolona hitazona ny tolona ho an'ny vala tahiriny sy ny fananany iombonana.

Miady ho an'ny tanindrazana

Zava-dehibe ho an'ny Kokonuko ny famerenana ny tany satria ao amin'ny Reny Tany no fototry ny maha-izy azy.

Nanantitrantitra ny fifandraisan'izy ireo amin'ny  Tany Reny Mpamelona i Sulma Yace, manampahefana Kokonuko ara-drazana. Nilaza ihany koa izy fa manolo-tena bebe kokoa ry zareo amin'ny fiarovana an'i Agua Tibia N. 2 hatramin'ny namonoana an'i Vásquez tao, raha nanao tatitra momba ny tolona ataon'izy ireo. Tamin'ny taona 2021, mbola nanohitra ny fisian'ny toeram-pialan-tsasatra ranomafana ao Diego Angulo ao amin'ny toeram-ponenany ireo vondrom-piarahamonina vazimba teratany.

Raha ho an'i Jhoe Sauca, solotena ara-dalàna ao amin'ny Kokonuko ao amin'ny Filankevitra Ara-paritra Indizenin'i Cauca (hafohezina hoe Cric amin'ny teny espaniola) dia nilaza tamin'ny Global Voices ny antony maha-zava-dehibe ny famerenana an'i Agua Tibia N.2 izy : “hanitarana ny vala tahiriny; hanaovana fombafomba nentim-paharazana sy hitakiana ny zo amin’ny zaratany amin’ny anaran’i Efigenia.”

Tobim-pandefasam-peo indizeny an'ny vondrom-piarahamonina Kokonuko. Saripikan'i Willian Mavisoy Muchavisoy, nahazoana alalana.

Satria maty teo am-panaovana ny asany i Vásquez, dia nilaza tamin'ny Global Voices ny Orina Mpanasoa ho amin'ny Fahalalahan'ny Fampitam-baovao (afohezina hoe FLIP amin'ny teny Espaniola) fa tokony hanaraka ny fomba fiasa ny Tonian'ny Fampanoavana ao Kolombia ary handinika ny herisetran'ny Esmad tamin'ny mpanao gazety.

Tamin'ny alàlan'ny mailaka, namaly ny fangatahan'ny Global Voices ny Biraon'ny Fampanoavana, mampahafantatra anay fa misy ny didim-pifehezana misokatra amin'ilay polisy amin'ireto fitondran-tena manaraka ireto: “fihoarana zo sy ny asa mihoapampana.”

Na dia toa lavitra an'i Vásquez aza ny rariny, mbola velona ny lova navelany. Ny zanany telo dia mahatsiaro azy ho reny mahafoy tena, mafana fo amin'ny asany ao amin'ny onjam-peo, ary manolo-tena amin'ny vondrom-piarahamonina teratany misy azy.

Miadana ny reniny, Ilda Astudillo, satria tody amin'izay tiany ny zananivavy: mpampita vaovao. Ny rainy, Luis Vásquez, kosa mbola nahazo aingam-panahy tamin'ny nofinofiny hianatra fanaovan-gazety sy lalàna, izay tsy vitany.

John Miller, mpiara-dia taminy teo amin'ny asa sy ny fiainana, kosa nilaza fa na dia eo aza ity trangan-javatra mahafaty ity sy ny loza atrehan'ireo teratany mpampita vaovao ao Cauca, dia hanohy hitati-baovao avy ao Agua Tibia N.2 izy. “Araka ny nolazain'i María Efigenia Astudillo hoe: ‘Ahoana no ahafahako mihazakazaka, tsy maintsy matanjaka aho, manana ny maha-izaho ahy, ary tsy afaka mamela ny tenako ho resy aho’, hoy izy nitadidy”.

“Tsy maintsy manatanteraka araka izay sainintsika isika”, hoy i John nanampy.

Ity no fahatelo amin'ny tantara dimy miresaka heloka bevava amelezana mpanao gazety ao Colombia, indrindra ireo vazimba mpanangombaovao ao amin'ny faritanin'i Cauca, tohanan'ny Justice for Journalists Foundation (JFJ= Orina Mpanasoa Rariny ho an'ny Mpanao Gazety), FTMF miorina ao Londres. Vatsian'ny JFJ ireo famotopotoran'ny mpanao gazety amin'ny heloka bevava mihatra amin'ny mpiasan'ny fampitam-baovao ary ampiany ireo matihanina sy olompirenena tia mampita tatitra mba hanamaivanana ny loza mety hitranga aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.