Noroahan’i Serbie ny “neo-Nazi” Amerikanina iray rehefa navoakan’ny vohikala mpanadihady Bellingcat ny misy azy

Soratsoratra manavakavaka any Serbie mivaky hoe “Ario anaty fako ireo mpitsoaponenana” no novain’ny vondrona mpanohitra ny fanavakavahana ho “Mandray mpitsoaponenana”. Sary avy amin’ny Antifascist Action Novi Sad, nahazoana alàlana.

Noroahan’i Serbie i Robert Rundo, ilay “Amerikanina neo-Nazi sady mpanorina ny vondrona miandany amin'ny ankavanana Rise Above Movement,” hoy ny tatitry ny gazety Serbe mpiseho isanandro Blic tamin’ny 11 Febroary.

Araka ny vaovao an-tsisiny nivoaka tao amin’ny lahatsoratry ny Blic, dia nentin’ny polisy tany amin’ny sisintanin’i Trbušnica-Šepak i Rundo, sisintany mampifandray an’i Serbie amin’ny Bosnie-Herzégovine, ny harivan’ny 10 Febroary.

Tamin’ny volana Novambra, ny vohikala mpanao fanadihadiana Bellingcat dia nampitandrina ny vahoaka fa ao Serbie i Rundo, ary nisarika ny sain’ny mpamaky tamin’ireo horonantsary navoakan’ity farany avy any an-toerana. Izany dia ahitàna horonantsary ahitàna ity tovolahy 30 taona, teraka tao Queens, New York, mirehareha fa nanampy ireo “neo-Nazis” ao an-toerana namerina ny soratsoratra izay novain’ireo mpiady amin’ny fanavakavahana ao an-toerana, andro vitsy mialohan’io.

Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, ireo mpomba ny firehan-kevitry ny nasionalista elatra havanana sy ny mpandala vahoaka avy any Balkans, izay mampiroborobo ny endrika fanavakavaham-bolonkoditra mifanaraka amin'ny fahambonian'ny Amerikanina fotsy, dia niezaka namboly fifamatorana sy fiarahamiasa tamin'ny hetsika amerikana havanana.

Saripika avy amin’ny horonantsary nivoaka tao amin’ny kaonty Telegram an’i Robert Rundo ny 8 Novambra 2020, mampiseho azy eo anoloan’ny kisarisary avy amin’ny mpiandany ankavanana any Belgrade, Serbie. Ny kisarisary dia ahitàna sary manavakava-bolonkoditra (ny sainan’ny Vokovoko Tatsimo, famantarana ny tolona ho an’ny fitazonana ny fanandevozana any Etazonia nandritra ny adim-poko tamin’ny 1861-1864) sy fiantsiana herisetra. Sary avy amin’ny Bellingcat, nahazoana alalana.

Ny ankamaroan’ireo haino amanjery Serbe nanaraka ity tatitry ny Blic ity dia nizara fehezan-dahatsoratra avy amin’ny famakafakàn’ny Bellingcat, izay mitanisa ny teny nolazain’i Rundo anatin’ny horonantsary navoakany, “Dia aty Belgrade izany izahay izao, hitanao, manadio ny tanàna …” raha hanampy ireo “neo-Nazis” any an-toerana izy amin’ny famerenana ireo soratsoratra izay vao novain’ireo mpiady amin’ny fanavakavahana.

Ny vohikala Mondo, iray amin’ireo haino amanjery ireo, dia nanambatra ny teny hoe “neo-Nazi sy “mpanambony fotsy hoditra,” ka niantso an’i Rundo hoe “Super Nazi.”

Ny fandalinana nataon’ny Bellingcat momba ilay horonantsarin’i Rundo dia nilaza fa efa hatramin’ny Martsa 2020 fara-fahakeliny izy no nonina tany Serbie, no sady nivezivezy nanerana an’i Eoropa afovoany sy atsinanana, ary nandray anjara tamina diabe tany Ukraine sy nandray fitenenana tamina famoriam-bahoaka neo-Nazi tany Hongrie.

Nanokatra toeram-pivarotana akanjo mitondra ny anarana hoe Serbon i Rundo any Serbie, ahitàna vokatra mampiseho sary manambony fotsy hoditra sy teny filamatra manohitra ireo mpanohitra ny fanavakahana na “anti-antifa”. Ny kaonty YouTube an’ny Serbon dia ahitàna horonantsary rap amin’ny teny serbe izay mampirisika ny ady an-tsena. Araka ny heno dia ahafahan’i rundo mijanona any an-toerana mandritra ny fotoana voafetra ny fananganany izany orinasa izany, amin’ny maha-vahiny mpampiasa vola azy.

Rundo dia mpanao ratsy voaheloka, izay nanefa ny saziny tany amin’ny fireneny noho ny fanafihana ankizilahy 13 taona niaraka tamina andian-jiolahy, ary ny hetsika fanavakavaham-bolonkoditra ataony dia notaterin’ny Daily Beast, PBS, ary ny New York Review of Books.

Tsy mbola karohina aloha izy any Etazonia amin’izao fotoana izao. Tamin’ny 2019, navotsotry ny mpitsara federaly i Rundo rehefa notsipahana ny fanenjehana ireo mpikambana telo anatin’ny Rise Above Movement (RAM) voahenjika noho ny fandraisany anjara tamina famoriam-bahoaka feno herisetra nanerana an’i California tamin’ny taona 2017, satria tsy araka ny lalàmpanorenana ny lalàna federaly nampiasaina anenjehana azy ireo.

Ny volana Novambra 2020, ny Etazonia dia nanohitra ny fitsipahan’ny fitsaràn’ny distrika ny fanenjehana an’i Rundo sy ireo olona telo hafa niray tsikombakomba taminy mba handikàna ny lalàna manohitra ny rotaka, amin’ny alalan’ireo hetsika ataony eo anivon’ny RAM (19-50189 USA v. Robert Rundo).

Ny RAM dia vondrona miandany amin'ny ankavanana avy any Californie atsimo izay mampiasa ny “arts martiaux” mba hampidirana tanora vaovao ary voafaritra ho “andian’olona mahery setra, neo-Nazis saro-tahotra sy mpanavakavaka,” izay fotsihoditra mpiaro tanindrazana, mpanambony fotsy hoditra, ary miandany amin'ny ankavanana.

Araka ny tatitra momba ny fiandaniana amin'ny ankavanana tamin’ny 2020 nataon’ny Kaomitin’i Helsinki ho an’ny Zon’Olombelona ao Serbie, dia mifantoka amin’ny fisintonana ankizy ireo neo-Nazis any Serbie, ka ny ankizilahy any amin’ny kolejy sy lisea no “miaramila” ampidiriny.

“Ireo ankizy eny amin’ny lisea matetika no voasarika. Taloha, ny fomba fidirana amin’ny firehan-kevitra manavakavaka dia ny hetsika “Nazi skinheads” na ireo vondrona “hooligan” miendrika mpankafy ireo ekipa goavana amin’ny baolina kitra. Ankehitriny dia amin’ny aterineto no hanaovana ny fampidirana mpikambana, na dia mbola mifandray amin’ireo vondrona ireo aza indraindray ny sasany amin’ireo mpanavakavaka vaovao,” araka ny fanazavàn’ny mpandalina fiarahamonina Miloš Perović nandritra ny fanambaràna tao amin’ny Nova.rs TV.

Nanampy i Perović fa tsy olana hita ao Serbie irery ny fitomboan’ny fampidirana tanora amin’ireny fikambanana ireny, fa hetsika maneran-tany izay mampiseho paikady mazava, mifototra amin’ny asan’i Steve Bannon, mpanolotsaina an’i Donald Trump taloha.

Ny vohikalan’ny Ministeran’ny Raharaha Anatiny ao Serbie dia tsy manome vaovao momba ny fandroahana an’i Rundo hiala ao amin’ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.