(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Septambra 2019)
Tamin'ny 15 Septambra 2019, nipoaka ny fihetsiketsehana tao an-tanàndehiben'i Ghotki, any atsimo atsinanan'i Pakistan. Namaly ny tranga voalaza fa fanevatevana ny Mpaminany Muhammad nataon'ny mpikambana iray ao amin'ny vondrom-piarahamonina Haindò ireo mpanao fihetsiketsehana. Nandroba ny tempoly Haindò ireo mpanao fihetsiketsehana ary nanimba ny Sekolim-panjakana Sindh izay niheverana fa nisian'ny fanevatevana. Nijanona tany an-trano ny vondrom-piarahamonina Haindò noho ny tahotra satria nisy horonantsary marobe niseho tamin'ny tambajotra sosialy nampiseho an'ireo mpanao fihetsiketsehana nilanja kibay sady nihiaka teny filamatra.
Ho valin'ny fihetsika feno hery setra nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana dia niloa-bava nanoloana ny fanimban-javatra ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Miozolomana sy Haindò niaraka tamin'ny mpisera aterineto sasany nanamarika fa tohanan'ny lalànan'ny fitenenan-dratsy ny mpivavaka mahery fihetsika.
Ilay lazaina fa fihetsika fanevatevana
Voampanga ho nanao fanamarihana tamin'ny teny fanevatevana ny mpianany Muhammad Ihtisham i Notan Lal, mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Haindò sady tompon'ny Sekolim-panjakana Sindh. Nametraka ny fitoriana voalohany (FIR) araka ny andininy faha-295 (c) amin'ny fehezan-dalàna famaizana Pakistaney izay miresaka momba ny “fanamarihana manala baraka ny Mpaminany Masina” ny rain'i Ihtisam, Abdul Aziz Rajput.
Araka ny tatitra dia niaiky ilay mpianatra Ihtisham fa nanitatra ilay fiampangana fanalam-baraka satria tezitra tamin'ny tale Notan Lal izy noho ny fibedesany azy. Nangataka famelan-keloka tany amin'i Notan Lan i Ihtisam.
Hoy ilay bilaogera Bilal Farooqi:
A Hindu principal in Ghotki, Sindh has purportedly been accused of committing blasphemy by extremists, who have vandalised his school. Hindu community in the area is in danger. They must be provided with protection immediately! Video & report via Shankar Meghwar pic.twitter.com/Xctf04brli
— Bilal Farooqi (@bilalfqi) September 15, 2019
Voalaza fa voampanga ho nanao fitenenan-dratsy tamin'ireo mahery fihetsika, izay nanimba ny sekoliny ilay tale Haindò any Ghotki, Sindh. Tandindomin-doza ny vondrom-piarahamonina Haindò ao amin'ilay faritra. Tsy maintsy omena fiarovana avy hatrany izy ireo! Lahatsary sy tatitra avy amin'i Shankar Meghwar
Rehefa nanomboka niparitaka tao amin'ny tambajotra sosialy ny horonantsary nampiseho ilay fanimbana dia nisy ny fifandonana noho ny fahasimban'ny tempoly, tao ny olona nanameloka ny zava-nitranga ary nitaky ny fisamboran'ny polisy avy hatrany ireo olon-dratsy.
Nanoratra i Hamza Ali Abbasi:
#Ghotki As a Muslim, a Pakistani, i m ashamed today & i want to apologise to our Pakistani Hindu community. We all must seek forgiveness from Allah for this atrocity. The time has come to launch an organised ideological effort against this mindset which results in such incidents. pic.twitter.com/XpBivehBxl
— Hamza Ali Abbasi (@iamhamzaabbasi) September 16, 2019
#Ghotki Amin'ny maha Miozolomana sady Pakistaney ahy, menatra aho androany ary miala tsiny amin'ny vondrom-piarahamonina Haindò Pakistaney. Tsy maintsy mitady famelan-keloka amin'i Allah isika rehetra noho izao habibiana izao. Tonga ny fotoana hanaovana ezaka ideolojika voarindra hanoherana ity fomba fisainana ity izay miteraka tranga toy izany.
It is reported that Hindu teacher has been accused of blasphemy in Ghotki.
We know about how people accuse non-Muslims of committing blasphemy. State has responsibility to protect its citizens and take action against those who misuse blasphemy law
1/2
pic.twitter.com/0VT9ou04IH— Veengas (@VeengasJ) September 15, 2019
Voalaza fa voampanga ho nanevateva tany Ghotki ilay mpampianatra Haindò.
Fantatray ny fomba fiampangan'ny olona ny tsy Miozolomana ho maniratsira. Andraikitry ny fanjakana ny miaro ny olom-pireneny ary mandray andraikitra amin'ireo izay manararaotra mampiasa ny lalànan'ny fanevatevana
Mob ruined school and then destroyed Hindu Temple over the allegation of blasphemy in Ghotki.
Government ought to arrest those ruined Temple and school, no one has right to harm other religious places. And, state must enact a law to stop misuse of blasphemy. 2/2
— Veengas (@VeengasJ) September 15, 2019
Nandrava ny sekoly ny andian'olona ary avy eo nanimba ny Tempoly Haindò noho ny fiampangana fanevatevana tany Ghotki.
Tokony hosamborin'ny governemanta ireo nandrava ny Tempoly sy ny sekoly, tsy misy olona manan-jo hamotika toeram-pivavahana hafa. Ary tokony mamoaka lalàna hampiatoana ny fanararaotana ny lalànan'ny fanalam-baraka ny fanjakana. 2/2
Ho fanampin'izany, nanome toky ny vahoaka ny Inspektora Jeneralin'ny Polisy ao amin'ny faritra Sukkur:
Yes we are trying to deal with a serious situation in a cool, calculated, impartial and professional manner. Moderate and educated sections of society must fully support our earnest efforts to do justice and maintain peace in Ghotki, please https://t.co/6beA0dgtCx
— Addl IGP Dr Jamil Ahmed (@jahmed95) September 15, 2019
Eny, miezaka mamehy ny toe-draharaha amin'ny fomba milamina, voakajy, tsy mitanila ary amin'ny fomba matihanina izahay. Tokony hanohana feno ny ezaka mafy ataonay ny sehatry ny fiarahamonina tony fihetsika sy nandia fianarana mba hanaovana ny fahamarinana sy hitandroana ny fandriampahalemana ao Ghotki, azafady
Nanavao hatrany ny vaovaon'ny toe-draharaha tao amin'ny tambajotra sosialy ny inspektera jeneraly:
Alleged accused in a sensitive case of Ghotki is now in the custody of Police. Situation in Ghotki is back to normal within 12 hours.
Fair investigation is being done after confirming facts & justice ensured. Cases against hooligans are being registered & miscreants being nabbed.— Addl IGP Dr Jamil Ahmed (@jahmed95) September 15, 2019
Eo am-pelatanan'ny polisy ankehitriny ilay tompon'antoka voarohirohy tamin'ny raharaha saropady tany Ghotki. Miverina tamin'ny laoniny tao anatin'ny 12 ora ny toe-draharaha tany Ghotki.
Efa natao ny fanadihadiana ara-drariny taorian'ny fanamafisana ny zava-misy sy ny fahazoana antoka ny marina. Nisy ny tranga nanenjehana ireo jiolahim-boto ary nosamborina ireo olon-dratsy.
Araka ny fanavaozam-baovao farany, naharay fitoriana miisa telo anenjehana mpanakorontana ny polisy noho ny fanimbana, ny fandrahonana ary fanakanan-dalana.
Nisy ny tombatombana fa mpanaradia ny mpitondra fivavahana eo an-toerana antsoina hoe Pir Abdul Haq alias Mian Mithu, izay voampanga ho nandray anjara tamin'ny fanovana an-keriny ny finoan'ny vehivavy Haindò tao Sindh ny sasany tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Na izany aza, araka ny filazan'ny polisy, tsy tao an-tanàna i Mian Mithu tamin'io andro io ary anisan'ny komitin'ny fandriampahalemana nihaona tamin'ny vondrom-piarahamonina Haindò tamin'io andro io ny zanany lahy, kanefa, mbola nisy ihany ny tenirohy nalaza tao amin'ny tambajotra sosialy hisamborana an'i Mian Mithu:
Nisioka ilay mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona Pakistaney Kapil Dev hoe:
Only one demand: #ArrestMianMithoo
Does he need any introduction? He forcibly converts our daughters, misuses religion and incites violence against #Hindus. Such monsters bring a bad name to #Pakistan.
ENOUGH.
Let's #retweet this to make our voice heard & get him arrested. pic.twitter.com/VjTyMzrhh4
— Kapil Dev (@KDSindhi) September 16, 2019
Zavatra iray ihany no takiana: #SamboryMianMithoo
Mila atoro ve izy ? Notereny hiova an-keriny ny zanakay vavy, nampiasainy tamin'ny fanararaotana ny fivavahana ary nandrisika herisetra tamin'ny #Haindò izy. Mitondra endrika ratsy ho an'i #Pakistan ny biby goavambe toy izany.
AMPY IZAY.
Andao haverina ny sioka hanamafisana ny feontsika sy hisamborana azy.
Nanameloka ny tranga ny Komisiona Miaro ny zon'olombelona ao Pakistan ary nangataka ny tompon'andraikitra hiditra an-tsehatra avy hatrany hampihatra ny lalàna sy ny filaminana ao an-toerana.
#Ghotki The authorities must take prompt action to quell the violence and ensure the safety of the school principal being targeted. The video circulated earlier is chilling: mob violence against a member of a religious minority is barbaric, unacceptable. https://t.co/0OrxUsO2fV
— Human Rights Commission of Pakistan (@HRCP87) September 15, 2019
Mila mandray andraikitra haingana ny tompon'andraikitra hampitsaharana ny herisetra sy hiantohana ny fiarovana ny talen'ny sekoly. Mampivarahontsana ny horonantsary niparitaka vao haingana: tsy mifaditrovana ny herisetra nataon'ny andian'olona tamin'ny mpikambana iray avy amin'ny mpivavaka vitsy an'isa.
Nanampy tamin'ny fiarovana ny voampanga, Notan Lal i Ramesh Kumar Vankwani, Pakistaney mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena Tehreek-i-Insaf (PTI), izay mitarika ny Filankevitra Haindò ao Pakistan. Nafindra tany amin'ny toerana tsy fantatra i Lal mba hiarovana azy lavitra ny vahoaka ary hatolotra ny polisy raha ilaina izany.
Important Message on #Ghotki incident pic.twitter.com/FbYbye0lZl
— Dr. Ramesh Vankwani (@RVankwani) September 15, 2019
Hafatra lehibe momba ny tranga tao Ghotki
Na teo aza ny savorovoro tao an-toerana, olona marobe avy any Ghotki no tonga nanohana ny vondrom-piarahamonina Haindò. Tsy niari-tory tao amin'ny tempoly nandritra ny alina fotsiny ihany mba hanohana azy ireo ny loholona Miozolomana sasany, fa nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana am-pilaminana ihany koa, nanampy ny polisy hitandro ny filaminana, ary nandefa hafatra ho an'ny mpanaradia azy ireo hanaja ny fahamasinan'ny toeram-pivavahana.
Yesterday we visited the Sacho Satram Das temple&met the Hindu community, we also met the local Islamic clerics&scholars.We assure that a fair investigation would be conducted after confirmation of the facts.Justice will prevail. Now the situation in #Ghotki is back to normal. pic.twitter.com/U2y2SzmKTs
— Syed Nasir Hussain Shah (@SyedNasirHShah) September 16, 2019
Omaly, nitsidika ny tempolin'i Sacho Satram Das izahay ary nihaona tamin'ny vondrom-piarahamonina Haindò, nihaona tamin'ny mpitondra fivavahana sy manam-pahaizana Miozolomana tao an-toerana ihany koa izahay. Manome toky izahay fa hisy ny fanadihadiana marina aorian'ny fanamafisana ny zava-misy. Handresy ny rariny. Ankehitriny niverina tamin'ny laoniny ny toe-draharaha aty #Ghotki.
Taorian'ny famonoana ny governoran'ny Punjab Salman Taseer tamin'ny taona 2011 noho ny fahitany ny lalàna momba ny fanevatevana tao amin'ny firenena dia nitombo ny adihevitra momba ny lalànan'ny fanevatevana tao Pakistan. Nandova ny lalànan'ny fitenenan-dratsy izay nampiharin'ny mpanjanaka Britanika i Pakistan ary nanamafy izany tamin'ny alàlan'ny fampidirana ireo singa avy amin'ny lalàna Miozolomana Sharia nandritra ny taompolo 1980 ka nahatonga izany ho iray amin'ireo lalàna henjana indrindra iadiana amin'ny fanevatevana. Tao anatin'ny telopolo taona lasa, olona an'arivony maro no voasambotra ary olona am-polony no voalaza fa novonoina taorian'ny fiampangana fitenenan-dratsy.
Talohan'izay, tsy niresaka momba izany intsony ny olona noho ny tahotra valifaty fa ny firesahana ampahibemaso ny fomba nampijalian'ny mahery fihetsika ara-pinoana sy ny lalànan'ny fitenenan-dratsy an'i Aasia Bibi, Mashal Khan, Junaid Hafeez, Shama Shehzad ary ny hafa no nisy.