Nikasa ny handroaka ilay mpanao gazety vahiny i Mozambika

 

Tom Bowker niresaka tamin'ny vaovaon'ny SABC any Afrika Atsimo ny volana Desambra 2020. Sary: Pikantsary YouTube tao amin'ny fantsona SABC.

Nahazo baiko hiala an'i Mozambika tamin'ny faran'ny volana Janoary ilay mpanao gazety Britanika Tom Bowker, iray volana taorian'ny nanafoanan'ny manampahefana ny fahazahoany alàlana maha-vahiny solotenan-gazety azy.

Bowker no mpanorina ny tranonkalam-baovao Zitamar News, izay mitatitra ny vaovao politika sy toekarena Mozambikana amin'ny teny Anglisy. Tao anatin'izay taona vitsy lasa izay, noderaina ny tranonkala noho ny fitantarany momba ny ady mitam-piadiana tao amin'ny faritanin'i Cabo Delgado tamin'ny alàlan'ny tetikasa Cabo Ligado.

Araka ny taratasim-baovao navoakan'ny mpanao tati-baovao za-draharaha any Mozambika Joseph Hanlon, nampanantsoina tany amin'ny sampan-draharahan'ny fifindra-monina i Bowker tamin'ny 25 Janoary, ary nolazaina izy, teo anatrehan'ny mpisolovava azy, handao ny firenena ao anatin'ny dimy andro.

Tamin'ny 3 Febroary anefa dia mbola tany Mozambika i Bowker. Raha ny filazan'ny tranonkalam-baovao Evidências, izay nilaza fa niresaka vetivety tamin'ilay mpanao gazety, fa “am-bava fotsiny” ilay baiko fandroahana ary mbola manan-kery ny fahazoan-dàlana honina any an-toerana.

Nipetraka tany Mozambika niaraka tamin'ny zanany lahy sy ny vadiny nanomboka tamin'ny taona 2014 i Bowker.

Araka ny fanambaran'ny Biraon'ny Fampahalalam-baovao ao Mozambika (GABINFO), ny manampahefan'ny governemanta tompon'andraikitra amin'ny fanomezana alàlana ny mpanao gazety dia nanafoana ny fanomezana alàlana an'i Bowker satria “tsy afaka nanome antontan-taratasy manaporofo” ny maha ara-dalàna ny Zitamar News hiasa any ivelany izy.

Naverin'ny Evidências navoaka ilay fanambarana:

Diferentemente de outras agências noticiosas, que têm sede num determinado país e correspondentes em vários países do mundo, incluindo Moçambique, a Zitamar News tinha como sede o nosso país e vinha produzindo e editando os seus conteúdos informativos a partir de Maputo, o que contraria o espírito da Lei na qual assenta a qualidade correspondente de um órgão de comunicação social estrangeiro.

Diante dessas dúvidas, Bowker, quando solicitado, não conseguiu provar documentalmente a ligação entre a Zitamar News e a Zitamar LP (esta última empresa encontra-se registada na Inglaterra e desenvolve actividades de prestação de serviços, incluindo de informação), embora tenha sido por ele identificada como sendo a empresa proprietária da Zitamar News, na base da qual lhe fora atribuída a acreditação.

Perante as irregularidades verificadas, o GABINFO solicitou a devolução do cartão de acreditação como jornalista estrangeiro emitido a favor do senhor Thomas Andrew Bowker, com as suas devidas consequências legais.

Tsy toy ny masoivohom-baovao hafa, izay any amin'ny firenena iray manokana ary manana mpampita vaovao any amin'ny firenena maro hafa manerantany, ao anatin'izany i Mozambika, fa niorina ato amin'ny firenentsika ny Zitamar News ary namokatra sy mamoaka vaovao avy ao Maputo, izay mifanohitra amin'ny Lalàna mamaritra ny maha-media vahiny mpamoaka vaovao.

Araka izany, tsy afaka nanome antontan-taratasy manaporofo ny fifandraisan'ny Zitamar News sy ny Zitamar LP (orinasa iray any amin'ny Fanjakana Britanika izay miasa eo amin'ny sehatry ny fampahalalam-baovao ity farany) Bowker, rehefa nangatahina, izay nolazainy fa orinasa miara-miasa amin'ny Zitamar News ary nanome azy alàlana.

Manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna ireo, nangataka ny hanafoanana ny karatra fanomezan-dalana an'Atoa Thomas Andrew Bowker amin'ny maha mpanao gazety vahiny azy ny GABINFO miaraka amin'ny vokany araka ny lalàna.

Namoaka fanambarana manameloka ny fihetsiky ny manampahefana ny MISA-Mozambika, vondrona mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety:

O MISA-Moçambique manifesta sua profunda preocupação e repúdio perante a decisão do Governo de expulsar o jornalista e editor.

De particular preocupação está o facto de a decisão ter sido tomada de forma arbitrária, sem o seguimento dos procedimentos legais que, quanto ao MISA, eram pertinentes para este caso, como, por exemplo, a não fundamentação da decisão, assim como a sua transmissão por via oral, sem qualquer documento oficial escrito.

Deixa transparecer que se esteja a usar as instituições do Estado para a movimentação de expedientes políticos de manifesta ilegalidade.

Naneho ny ahiahiny lalina miaraka amin'ny fanoherana ny fanapahan-kevitry ny governemanta handroahana ilay mpanao gazety sady tonian-dahatsoratra ny MISA-Mozambika.

Ny fandraisana fanapaha-kevitra tsy ara-drariny tsy manaraka ny fomba araka ny lalàna no tena mampiahiahy, izay zava-dehibe ho an'ny MISA amin'ity raharaha ity. Tsy nisy fototra ara-dalàna io fanapahan-kevitra io ary nampitaina am-bava, tsy nisy antontan-taratasy ofisialy.

Toa hita fa ampiasaina ho an'ny resaka politika ireo andrim-panjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.