Herinandro monja taorian'ny “kiendiendim-panoherana” (na kitonotono fanoherana) [en] ny fitsaratsaram-poana ny saranga sy ho fiarovana ny kalitaon'ny fitateram-bahoaka ao an-tanànan'i Sao Paulo City, dia fotoana izao hanaovana jery todika izay nisongadina tamin'ny fihetsiketsehana, satria manko mahatonga aingam-panahy hamorona sy hehy ho an'ny tontolom-bolongana eo amin'ny firenena izany.
Araka ny tombatombana dia nahazo olona tanelanelan'ny 200 (araka ny lazain'ny fampitam-baovao be mpanaraka) sy mihoatra ny 4000 (araka ny filazan'ny tontolom-bolongana) ity hetsika ity. Indreto ary ny sasany “samihafa” amin'ny sary sy lahatsary vokarin'ny olotsotra tia mitati-baovao. [ny rohy rehetra dia amin'ny fiteny portiogey avokoa ankoatra izay marihana manokana; misy soratra azo vakiana amin'ny fiteny anglisy ny lahatsary].
Fanoherana ny lalamby ambanin'ny tany
Ny sary manaraka etoana, izay nopihana teo ampanombohan'ny fihetsiketsehana, dia mampiseho ny toerana nokasaina hanorenana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis. Ny kiendiendim-panoherana moa dia setrin'ny fanafoanana ny fanomezana alalana hananganana ilay gara nataon'ny governemantan'i Sao Paulo, noho ny fanangonan-tsonia nahatratra 3500 nataon'ny mponina avy amin'ny faritra mpanankarena manodidina ny renivohitr'i Sao Paulo.
Na dia efa nirotsaka tanteraka aza ny alina dia mbole feno olona ihany ny arabe. Amin'ity sary manaraka ity dia ahitana lamba maromaro mihaha ao amin'ny Lalambe Angelica, manome endrika ilay tanànan'ny mpanankarena ho toy ny any amin'ny faritry ny mahantra manodidina:
Hehy, eso ary kilalaom-pitiavana (na tsia)Araka ny efa nampoizina moa dia voamariky ny esoesonteny sy tsikeran'olona tsara fanahy noho ny fihetsik'ireo vato nasondrotry ny tany ao Sao Paulo ny hetsika. Voarakitra tsara ao amin'ity sary manaraka ity moa ny kisangisangy hita:
Ny sary eto ambany kosa no ampisehoana ny famoronana sy ny loko “maro isan-karazany” avy amin'ny olona:Ary mazava loatra moa dia tsy mety lany sakafo sy zava-pisotro nentin'ny tsirairay ho amin'ilay fihaonana mihitsy ny mpanao fihetsiketsehana, avy amin'ny Fitantarana mampihomehy ao amin'ny Facebook moa no niandohan'izany fihetsika izany:
Ny fihetsiketsehana amin'ny lahatsary
Ao amin'ny tatitra an-dahatsary voalohany hita tao amin'ny bolongany, Rafael Castilho no mitafatafa amin'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mponina hihainoany ny fomba fijery samihafa momba ity raharaha ity. Ny vokatra azo avy amin'ny lahatsary dia mampiseho olona izay mandeha ora roa na telo raha hiasa ho any Higienópolis, sy ny solontenan'ny fikambanan'ny mponina ihany koa:
Voazava ao amin'ny antontan-kevitra novokarin'i @carolthome sy i @ducamendes avokoa moa ny antom-pifandirana rehetra:
Vokatry ny kiendiendy
Nananontanona ny 5000 ny isan'ny olona nanao sonia an-tserasera ho fanoherana ny sonia 3500 nokarakarain'ny fikambanan'ny mponina voalohany izay mitarika ho amin'ny fanorenana indray ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany. Nanome aingam-panahy hamorona amin'ny lalao an-tsolosaina sy ny hetsika hafa moa ity hetsika ity, toy ny Manda samihafa ho an'i Brezila [sami]hafa:
Parabéns a toda galera que fez parte de alguma forma do evento “Churrascão da gente diferenciada” os inspiradores do nosso movimento Frente Diferenciada, graças a vocês ficou refletida a idéia clara que podemos e queremos um Brasil diferente. Afinal de contas somos todos diferenciados, somos brasileiros por um Brasil melhor!
Tsy mazava moa raha hiteraka fandraisana andraikitra avy amin'ny fitondrana na tsia ny fihetsiketsehana, fa raha any amin'ny Antenimieram-pirenena ny zavatra rehetra dia “mifarana amin'ny pizza” [en], ny eny an-dalamben'i Higienópolis, ny olona samihafa dia mamarana amin'ny [dihy] Samba. Ny hira moa dia nataon'i Márcio Lugó sy i Dre Nascimento:
Gente Diferenciada
Eu sou diferenciado
Gosto de churrasco de gato
Pão com pão sem queijo coalho
Cerveja gelada só no bar do ladoAlguns dizem “não preciso de metro
Tenho carro, dinheiro que levo aonde eu vou”
Mas e a gente tão igual e diferente
Que pelos trilhos descarrila a cantarAlguns dizem que não precisa de metro
E o governo aceita sem nenhum pudor
Mas a gente que é diferenciada
Nesse churrasco mostra a cara pra cantarEu sou diferenciado
Pego ônibus lotado
Morumbi ou Eldorado
Porque o metrô foi inapropriado
Pra quem?
Olona samihafa
Hafa aho
Tiako ny tokom-pitonoana
Mofo atao amin'ny mofo fa tsy sandwich fromazy
Labiera mangatsiaka ihany ao amin'ny bar manaraka
Misy milaza “tsy mila metro aho,
manana fiara sy vola afaka mitondra ahy na aiza na aiza aho”
Fa ny aminay kosa, izay tena mitovy sy tena hafa tokoa
izay “mamalana” rehefa mihira
Misy milaza fa tsy mila metro
Ary mahamenatra fa manaiky izany nygovernemanta
Fa izahay vahoaka kosa izay [sami]hafa
tonga miaraka eto amin'ity kitonotono ity hihira
Hafa aho
mandeha amin'ny fiara fitaterana feno hika
ho any Morumbi na Eldorado
Satria tsy mendrika manko ny metro
Ho an'iza?
Tsy mbola mazava tsara aloha hoe ho tontosa ihany ve sa tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis. Fa ny aty amin'ny aterineto aloha mandritra izany dia mandeha soa amantsara ny sariitatra esoeso maneho ny lalana izoran'ny metro ho an'ireo lazaina fa “vahoaka [sami]hafa” miampitampita any amin'ny Twitter, izay natao “sary tapaka” ao amin'ny twitpic nataon'i @rogertunes: