Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo

Ity dia ampahany amin'ireo lahatsoratray manokana momba ny Revolisionan'i Egypta 2011.

Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan‘ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Maherin'ny 350 no voalaza fa naratra, ary koa mihoatra ny 150 tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no voasambotra nanaovana fanadihadiana sy niakatra fitsarana, isan'izany ireo tanora fanta-daza mpanao fihetsiketsehana nitatitra ny zava niseho iny alina iny tao amin'ny “Twitter”. Nahavita nitantara isa-minitra ny fizotry ny fihetsiketsehana tao anaty baomba mandatsa-dranomaso  nanerana ny làlana tao amin'ny distrikan'i Giza ao Cairo mihitsy ireo mpanao hetsi-panoherana sy ireo mpitazana, izay namafisiny tamin'ny sary sy lahatsary.

Raha vao navoakan'ny fampahalalan-baovao ny fandatsahan-drà navalin'i Israely ireo hetsi-panoherana tao Nakba (‘Andron'ny Loza’, araka ny ahafantarana azy eo amin'ny tontolo Arabo) teo amin'ny sisintany iraisany amin'i Libanona, Syria ary Gaza, lasa nirohotra nifamotoana teo amin'ny Masoivohon'i Israely ireo mpanao fihetsiketsehana tao afovoan-tanànan'i Cairo tamin'ny tolakandro.

Iray amin'ireo fihetsiketsehana lehibe farany teo akaikin'ny Masoivohon'i Israely- sary Twitpic avy amin'i Mosaab Elshamy

I Gigi Ibrahim (@Gsquare86), mafàna fo ara-politika sy endri-pamantarana ny mpampita vaovao revolisionera, tafaverina avy  any amin'ny fitetezana izao tontolo izao tamin'ny fanolorana kaonferansa sy  fanangonam-baovao, dia nandefa lahatsary tao amin'ny YouTube nampiseho ny momba ny hirahiran'ireo mpitokona nandritra ny fotoana niangonany teo anoloan'ny faritra mifefin'ny masoivoho, raha ny mpitandro filaminana kosa naparitaka teo anoloan'ilay tranobe:

Voalaza fa tampoka be sy tsy fanta-pototra ny fampiasana herisetra nataon'ireo mpiambina, raha ny fangatahan'ireo mpanao fihetsiketsehana kosa dia ny hampidinana ny saina tao amin'ny masoivoho:

@mosaaberizing: Andiany maro avy amin'ny CSF  [mpiantoka filaminana ivelan'ny tafika Central Security Forces] no avy dia tonga teo amin'ny Masoivoho. Nifanehatra tamin'ny hiakiakam-pahatezerana.

@3arabawy: nitifitra baomba mandatsa-dranomaso ireo “kisoa”-n'ny csf, ireo miaramila kosa nanao tifi-danitra teo anoloan'ny masoivohon'i Israely tao Giza.

@Gsquare86: : ireo mpanao hetsika am-pilaminana teo amin'ny #IsraeliEmbassy tao #Cairo dia tsy nanao na inona na inona tamin'ny masoivoho, nefa naninona ireo no nitifi-danitra sy nandefa baomba mandatsa-dranomaso?

@msheshtawy:Voalohany, nihira fotsiny ny olona, avy eo nisy olona nanongotra ny fefy, nefa tsy niditra na nanao NA INONA NA INONA akory an'ireo miaramilan'ny   #israeliEmbassy.

@msheshtawy: Nijoro teo fotsiny no nataony, tsy nanao inona ny miaramila, nijoro am-pilaminana, avy eo tonga tampoka ny polisy #israeliEmbassy

Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny  mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety:

Nihemotra ireo Polisy, nandroso izahay, nandefa baomba mandatsa-dranomaso izy ireo, nitsoaka niverina izahay sady nitora-bato.. – Sary Yfrog avy amin'i Gigi Ibrahim

@Gsquare86:niangona ireo vahoaka ..ny làlana morad dia toerana tanin'adin'ny polisy mirongo basy marovava izay tsy nitsahatra nitifitra.

@3arabawynitohy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. Tsy mbola nahitana toy izany hatranin'ny 28 janoary

@LeilZahra:Tsy mijanona ny firaraky ny baomba mandatsa-dranomaso. tsy mampino. Mila tsy ho afaka miaina. #Egypt #jan25 #nakba #may15

@arwasm: Foana ny arabe. feon'olona mitsoaka sy mikiakiaka , vehivavy mivazavaza, anjomara, baomba mandatsa-dranomaso no sisa re.#israeliembassy #egypt #jan25

@ianinegypt: Ny masoivohon'i Israely moa dia eo akaikin'ny valan-java-boaharin'i Cairo. Nipàka hatrany amin'ireo fitoeran'ny biby ny baomba mandatsa-dranomaso. #Egypt

@3arabawy: basy marovava! nanao tifi-danitra, rehefa avy nihodinkodina nanao fisafoana

@Gsquare86: narehitra teo anoloan'ny saha fitsidihana bibidia ny kodiarana..nitora-bato ireo polisin'ny Ambasady ary tsy mitsahatra mandefa baomba mandatsa-dranomaso

@moftasa: Ny rehetra dia nibitsika fa hoe toy ny tamin'ny 28 indray ity ..Izay mihitsy. Ary tsy ilay baomba mandatsa-dranomaso no tadiavintsika fa ilay fiakaran'ny tosi-drà.

Tarek Shalaby dia nandefa lahatsary maromaro mahatsiravina mazava tsara tao amin'ny Bambuser, mampiseho ireo  mpanao fihetsiketsehana rakotry ny baomba mandatsa-dranomaso[ar], ary kiakiaka satria poa-basy ranolava no heno tsy lavitra teo [ar]. Amr Salama also posted live videos on Bambuser, showing ambulance crews treating protesters [ar], and spent ammunition casings used by security forces [ar]. Nandefa lahatsary tao amin'ny Bambuser koa i Amr Salama , nampiseho ireo andia-pitsabo avy amin'ireo fiara mpamonjy voina mikarakara ireo mpanao fihetsiketsehana [ar], ary ireo tranom-bala nampiasain'ny mpitandro ny filaminana [ar].

Gigi IbrahimHossam HamalawyMostafa Hussein sy ny hafa dia nandefa sarin'ireo fifandonana ho ao amin'ny Flickr  sy Purephoto.  Lahatsary iray nampakarin'i Gigi Ibrahim tao amin'ny YouTube no manasongadina ireo mpanao fihetsiketsehana nitangorona taorian'ny fandefasan'ny mpitandro filaminana baomba mandatsa-dranomaso voalohany:

Maro tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana no naratra sy notsaboina noho ny olana ara-pisefoana vokatry ny vesatry ny entona mandatsa-dranomaso nampiasain'ny mpitandro ny filaminana. Betsaka koa ny  fanadihadiana tsy mari-pototra mikasika tranga 2 izay mety namoizana aina:

@tarekshalaby: be tovolahy nidaraboka tamin'ny tany teo ambany masoko. noho ny olana ara-pisefoana izay nahazo azy tampoka…

@moftasa: fampandrenesana avy amin'ny fiara mpamonjy voina: efatra no tojo fahasemporana.

@tarekshalaby: Aty akaikin'i Kintaaki izahay [KFC, fampielezan-kevitr'i Mubarak nanambara fa famokisan'ny revolisiona Tahrir izany]. Nahatsikaiky! Niaritra teo daholo ireo mpitsabo  mba nikarakara ireo naratra. Manodidina ny 100 izahay no teo …

@HebaAfify: Ampolony maro no ireo olona tsy nahatsiaro tena ka nentin'ny fiara mpitatitra marary #isreliembassy

@Gsquare86: Nitifitra faramparany ny polisy sy ny miaramila…Izany no niainana…olona iray voatifitra teo amin'ny lohany no nitondrana azy haingana teny amin'ny hopitaly, valo hafa naratra.

@GSquare86: Lahatsary: (Sary mety hanohina) sarin'i Aly khalaf voa teo amin'ny ambava-fony amin'ny 11:30 ary mbola eny amin'ny toeram-pandidiana izy hatramin'izao
http://tinyurl.com/5uwbffq #may15

@monasosh: roa no voalaza fa maty. Iray voatifitra teo amin'ny lohany, ary ny iray hafa kosa voahitsakan'ny kamiaon'ny CSF

@alaa: ny rahavavy keliko dia nandany ny alina nitondra mpanao fihetsiketsehana iray naratra  sady nanafina azy tsy ho hitan'ny miaramila  ary nitondra azy tany amin'ny hopitaly. Enga anie mba ho velona izy.

@SheriefFarouk: Atef Yehia Ibrahim dia voa teo amin'ny lohany nandritra ny fihetsiketsehana androany tao  #Egypt. tsy nisy nandray azy ireo hopitaly,pub. Sao dia hisy hisambotra azy.

Norahonan'ny mpitandro filaminana ireo ekipan'ny Al Jazeera. Araka ny tatitr'i Rawya Rageh mpampita vaovao:

@RawyaRageh@AJEnglish Nosakanana sy norahonan'ny pôlisy sy miaramila ny ekipan'ny @AJEnglish.Nohazonina niaraka tamin'ny entan'ny tsirairay ny fakan-tsarinay #Egypt

@RawyaRageh: Nanampatra ny  fahefana nananany ny tafi-panjakana tamin'ny nanaparitahany izay tao anatin'ny poketrako ary dia naneso ahy izy niantso ahy hoe “mpitsikilo”#Egypt

@RawyaRageh: Eny fa na dia ny fitoeran'ireo ankosotra  haingoko aza voatazona..ny fitoeram-panafodiko.. Nikaroka zava-mahadomelina, hono,  izy ireo ary dia niantso ahy tamin'ny karazana anarana rehetra #Egypt

Mihoatra ny 120 ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotra tamin'io alina io . Abdel Hamid Abdella (@meedo11) sy Nadine Sabry (@nsanbry) dia namatsy sary, lahatsary ary fanenhoan-kevitra nirarak'ompana momba ilay korontana sy ny fisamborana taorian'io izay teo ambany lavarangan'izy ireo mihitsy:

@meedo11: Fanafihana voarindra no nataon'ireo tafi-panjakana sy miaramila  tamin'ny vahoaka tany Giza  avy amin'ny  andaniny roa amin'ny làlana#egypt

@meedo11: Nitana olona 15 farafahakeliny izy ireo , nafatony teo amin'ny tany. Nanapoaka basy ho fampitahorana #giza#egypt

@nsabry: Ny miaramila sy ny  polisy dia nisambotra olona teo ambanin'ny tranonay toy ny tamin'ny fotoan'andro tany aloha. Herisetra sy miaramila mitam-basy! #giza

@nsabry: Nidaboka  tamin'ny tany ireo mpanao fihetsiketsehana izay voasambotra, mifato-tanana ao an-damosina ary voahodidina miaramila sy 2amn dawla #giza

Ny namana sy ny fianakavian'ireo mpanao fihetsiketsehana dia nandrindra ny vaovao tao amin'ny “twitter” mba hahalalàna izay nanjavona. Anisan'ireo ilay bekotro maroholatr'i Tahrir, Mosa'ab Elshamy (@mosaaberizing), izay mivaky toy izao ny mombamomba azy ao amin'ny Twitter “nanohitra sy nanaisotra ny mpanao jadona aho” , sy Tarek Shalaby (@tarekshalaby), tompon'ny  Freedom Motel ao  an-kianja Tahrir , izay nitondra fanampiana tany Lybia.

Niara-nandefa bitsika tamin'ny fisamborana azy izy roa tonta (Amira Al Hussaini nanoratra fangatahana famotsorana azy ireo tao amin'ny Global Voices):

@tarekshalaby: Kay! tena voafandrika isika! mipoitra avy ery am-pita ny miaramila. Mihazakazaka eny amin'ny lalan-kely…

@Gsquare86: Araka ny voalazan'i @meedo11 izay nanatri-maso ny fisamborana an'i @tarekshalaby dia olona 18 eo no eo no voasambotra.Izany hoe @3effat@mosaaberizing koa:(

@abdallahelshamy: Tsy hita efa ho ora iray izao ny rahalahiko @mosaaberizing . Tazoniko ho tompon'antoka tanteraka amin'ny momba azy ny miaramila sy ny polisy Egyptiana.

@abdallahelshamy: niantso ahy tamin'ny finday tokoa ny rahalahiko @mosaaberizing nilaza fa voatazona ao anaty kamiaon'ny CSF eo alohan'ny Modyryet Amn ElGiza izy.

@norashalaby: Voamarina: Nisy namana niantso avy any an-toerana nilaza fa tena voasambotry ny miaramila tokoa i @tarekshalaby

Lahatsary iray nalefan'i Abdella sy Sabry tao amin'ny YouTube nampiseho ny fisamborana andiana mpihoko ahitàna an'i Mosa'ab Elshamy sy Tarek Shalaby, araka ny voalazan'i Gigi Ibrahim:

Mbola isan'ireo voasambotra  niaraka tamin'i Shalaby sy Elshamy, fa navotsotra avy eo, ilay mpanangom-baovao an-tsary, Mohamed Effat (@3effat):

@3effat: O ry zareo a, ato an-trano aho ary tsy maninona, izaho ihany no afaka tao, manodidina ny 50 ka hatramin'ny 60 no notanan'ireo mpitandro filaminana #israelembassy #may15

Nadikan'ny mpampiasa Twitter iray avy amin'ny teny Arabo ny taitra fisamborana an'i Effat sy ireo hafa voasambotra:

@ysalah: Tr. @3effat N'iza n'iza mitraka dia mety ho tapa-tenda. Ny 8yrold dia nigogo ary novelesin'izy ireo. Napetrany tao amin'ny làlana somary fidinana kely akaikin'ny Masoivoho izahay.

@ysalah: Tr. @3effat Naneho fanevatevana sy teny maloto ry zareo : mpanelaka, izany ianareo ao amin'ny facebook ao. Nobanjinin'ireo manamboninahitra ny miaramila ary nilazany hoe “nitondranay sakafo hariva ianareo”.

@ysalah: Tr. @gemyhood Voasambotra i Mahmoud Hassan Ahmed Elsadaty, naka anay tamin'ny kamiao izay tany amin'ny Lalamben'i St Nile. Nisy olona 24 ary nampijaliana fatratra izy.

Rehefa niha-nangiran-dratsy ny alina, latsaka tanaty fahadisoam-panatenana ny tanora revolisiônera ka naneho fahatezerana  izay mety hitarika ny tafika hidina amin-kery, taorian'ny nitazanany fotsiny nandritra ny 18 andro nisian'ny hetsika. Ny bilaogera Mahmoud Salem,  solonanarana Sandmonkey, nahatsapa fifandonana sy fifandirana , raha vao saika ho any ivelany izy handray ny valisoa tamin'ny fitondran-tena nanoloana ireo revelisiônera izay voadaroka sy voasambotr'ireo “mpiaro ny fiovana” :

@Sandmonkey: Ny sasany amin'ireo tanora mendrika dia voatanan'ny tafika ny alin'ny niondranako handray ny Mariboninahitra  honorary doctorate USF ho an'ny “tanora mpitaky fiovàna”!

@Sandmonkey: Tokony nandeha ihany ve aho? Izany tokoa ve? Toy inona ny teny hambarako raha any an-tranomaizina ireo olona ireo amin'izao fotoana izao?

Ary Gigi Ibrahim dia nibitsika tamim-pahalainana:

@Gsquare86:Nahatsiaro nangorintsina aho ka tsy afaka nisaina intsony aza

@Gsquare86: Ahoana no hanamarinan'ny tafika izany? #iWantToKnow #mbaTiakoHoFantara

Ho fanampim-baovao, ny mpanoratra ity lahatsoratra ity dia nandika ny tranga nisy marina momba ny fifandonanan'i Nakba tao Cairo tamin'ny fampiasana Storify, manaraka indrindra ny tena fizotrany.

Ity dia ampahany amin'ireo lahatsoratray manokana momba ny Revolisionan'i Egypta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.