Ny Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana [es] (na CNE amin'ny fanafohezan-teny Espaniola) ao Ekatora dia namarana ny fanisàna ny vato tamin'ny fitsapan-kevibahoana natao ny 7 May 2011. Na izany aza, Omar Simon [es], filohan'ny CNE, dia niteny fa ry zareo dia hanomboka [es] handray ny feon'ny sarambaben'olona amin'ny Alatsinainy (23/05) ho avy izao ary ny vokatra ofisialy dia havoaka ny Zoma amin'ny herinandro ambony.
Tahaka izay efa nitateran'ny Global Voices azy tany aloha tany, ny vokatra ampahany dia nanome ny fandresena faha-enina ho an'i Filoha Rafael Correa hatramin'ny naha-lany azy ho filoha tamin'ny 2007. Ny fitsapan-kevibahoaka dia nanome ny Mouvement PAIS Alliance, ny fiaraha-mitantan'ny antoko ho an'i Correa, fifehezana misimisy kokoa ny fitsarana ary fahefana bebe kokoa hametraka fepetra amin'ny votoatim-baovao sy ny fizaka-mànan'ireo media.

Mpanao fifhetsiketsehana mpomba ny governemanta avy ao Guayaquil. Sary an'ilay mpampiasa Flickr "Presidencia de la República de Ecuador," ampiasaina eo ambany fiarovana CC BY-NC-SA 2.0 license.
The Wall Street Journal dia mitondra fanehoan-kevitra mikasika ireo vokatra tany Amerika Atsimo:
Taorian'ny nahazoana 100% ireo vatom-pifidianana avy amin'ilay fifidianana tamin'ny 7 May, ny “eny” dia nahazo teo anelanelan'ny 44.96% sy 50.46%, raha toa kosa ny “tsia” nahavory 39.25% hatramin'ny 42.56% tamin'ireo fanontaniana sivy momba ny raharaham-pirenena.
Ireo fanapahan-kevitra tapaka amin'io fitsapan-kevibahoaka io dia manan-kery manerana ny firenena manontolo. Ny maningana dia ilay fanontaniana mitodika amin'ny fandraràna ny tolon'omby sy ny fahafahana mitompo ny ain'izy ireny. Voafaritry ny lalàna ny fampiharana azy. Ao anatin'io fanontaniana io, ny “Eny” dia nahazo 127 amin'ireo kantao 221 eo amin'ny firenena, isan'izany i Quito.
Pablo Lucio Paredes, mpanao gazety mpandalina tantara, izay manoratra ho an'ny El Universo [es], dia manazava ny hoe nahoana ny olona no mifidy ny “Eny” sy nahoana no ny “Tsia”. Lazainy fa nifidy ny “eny” ny olona satria Correa dia :
niezaka nikatsaka sy nisarika ny fironan-tsain'ireo vondrona natao an-jorom-bala. [Izy dia] nampiasa ny fomba rehetra tamin'ny sehatra fanabeazana, fahasalamana ary làlana [… Ao Ekoatora] ny teny faneva iray toy ny hoe “… efa ho an'ny tsirairay sahady” dia manana ny tena heviny marina izay manampy hanangana fifamatorana ara-tsosialy sy fahatsapan-tena ho anaty rafitra.
Noho ny hakelezan'ny fanohanana azon'ny filoha Correa tamin'ity fitsapan-kevibahoaka ity, mety hisy fandàvana ny voka-pifidianana ataon'ireo mpifanandrina ara-politika ary mety tsy hahazo fankatoavana araka ny lalàna ao anatin'ny volana maro. Toy izay koa, ireo vokatra ireo dia nitondra ny mpitoraka bilaogy sy ny vahoaka ao Ekoatora hifanakalo resaka momba izay tena nandresy marina tamin'ity fitsapan-kevibahoaka ity.
Dimitri Cevallos ao amin'ny LibreRed.net ohatra dia manome soso-kevitra fa tokony hampangiana kely ny kiakam-pandresena ataony ny governemanta, manao sarinteny amin'ny vivavinan'ny governemanta fa hoe nahazo fandresena 5 noho 1 ry zareo. Mpamaky iray antsoina hoe “Juanita” no nanamarika amin'ity lahatsratra fanohanana an'i Correa ity hoe:
Sr. Cevallos, me parece que su análisis es llevado por su odio al Presidente Rafael Correa. A todos los ecuatorianos nos consta que nuestro Presidente tuvo que luchar sólo contra la derecha: Lucio Gutierrez, Nebot, Carlos Vera, Montufar, Ruptura de los 25 (son financiados por la USAID)Hurtado, Noboa, la Iglesia Cátolica, los medios de comunicación y su campaña millonaria, los toreros, los dueños de casinos […] además de los Pachacutik (oportunistas que ayer estuvieron con Lucio, luego con Correa, ahora ya no están, pero lo que es peor se han aliado a lo más recalcitrante de la oligarquía guayaquileña como lo es la Junta Civica de Guayaquil, y ni que decir de Alberto Acosta…contra todo esto lucho Correa, y hoy el Sí es un claro triunfador. El cambio va por que va, duelale a quien le duela.
Saingy tsy ny Ekoatoriana rehetra akory no mizara izay fientanentanan'i Juanita izay. Omar Vargas avy ao amin'ny bilaogy Cambiemos Ecuador [es] dia manoratra fa ilaina ny mijery lavitra any ambadik'ireo tarehimarika [es]. Manazava izy ny antony naharesy, na i Correa izany, na ilay lehiben'ny mpanohitra ao Guayaquil, ny Ben'ny tanàna Jaime Nebot, tamin'ny fitsapan-kevibahoaka:
Los grandes perdedores de la campaña fueron Correa y Nebot, cuyos cálculos políticos se basaron en encuestas poco confiables y los llevaron por sendas distintas. Por un lado el presidente de la republica, que basó sus acciones en la legitimidad avalada por las encuestas, más que en la legalidad o la ética política. Esto lo llevo a celebrar anticipadamente y a hacer planes de acción a corto plazo sobre la implementación de los resultados de la consulta,… Y por otro lado Nebot, timorato líder de la oposición que también basó sus acciones políticas en encuestas y cálculos a favor de sus intereses mas que en los de los ciudadanos, cuyo camino en esta consulta fue marcado por la torpeza y mediocridad, dado que inicialmente proclamo un tibio no y luego […] apareció con un menos timorato pronunciamiento.
Ny fanakianana sasany nataon'i Vargas dia naelin'i Luis Hidaldo avy amin'ny Desde mi Trinchera [es]. Heveriny fa ny tena voa mafy dia tsy ny governemanta fotsiny izay nanantena handresy betsaka, fa ny vahoaka Ekoatoriana mihitsy[es]:
El electorado esta dividido y el efecto de esto es que el Ecuador no lograra superar la gran cantidad de obstáculos que están impidiendo su desarrollo, mientras nuestros vecinos disfrutan de una prosperidad envidiable.
Araka ny filazan'ny CNE, taterin'ny El Comercio [es], “faritany 12 no nifidy ny hitsipaka ny hanavaozana ny governemanta tanatin'ny 9 tamin'ireo fanontaniana 10. Fironana tahaka izany koa no hita tamin'ireo Ekoatoriana tany Amerika Avaratra, izay nifidy 6 tamin'ireo fanontaniana 9 nasaina novalian-dry zareo “
Saingy ny faritany 12 hafa, isan'izany ireo Ekoatoriana any Eraopa sy Amerika Latina dia nanome ny “vatom-pitokisana” nangatahan'i Correa. Ny tahan'ny tsy fandraisana anjara, na izany aza, dia nahatratra 22,6%.
Tsy mbola nambàra ny vokatra ofisialy, saingy ny sasany amin'ireo mpikambana ao amin'ny antenimiera, toa an-dry Andres Paez, solontenan'ny Antoko Demokraty Ankavia, dia manomana fangataham-panazavana [es] ho an'ny filohan'ny CNE mikasika ireo ambara ho fitongilanana nandritra ny fitsapan-kevibahoaka sy ny tsy fanarahan-dalàna tamin'ny dingam-pifidianana.
Ny hafa, toa an-dry Rafael Mendez, dia miteny fa ny zavatra tokony hofoanana dia izay ambarany amin'ny hoe “demaokrasian'ny mpibodo fahefana” tsy misy resaka laharam-pahamehana. Ireo mpitarika sasany ao amin'ny faritanin'i Cotopaxi sy Zamora Chinchipe, izay nandresen'ny “Tsia”, dia nanao antso hanoherana ny safidim'pirenena navoakan'ny latsabato tany amin'ireny faritany ireny.
Fehiny, fampisaintsainana avy aminà mpitoraka bilaogy iray izay manoratra ambadiky ny solonanarana Endivio Roquefort I, tao amin'ny bilaoginy Balcon del Peregrino [es], sady manazava izy ny antony anohanany ny tsy handraisana ny vato tsy manankery sy fotsy [es] amin'ny fanisàna ofisialy no sady mandefa eritreritra momba ilay fifidianana:
Discutir sobre “quién realmente ganó” es perder el tiempo. Ganaron los de siempre. Ganaron el populismo, la propaganda, la manipulación, la demagogia, el chantaje, el soborno. Ganó, limpia e indiscutiblemente, una propuesta que se resume en la anulación de una serie de supuestos “derechos” constitucionales, y en la creación de una serie de nuevos crímenes sin víctima, que servirán de pretexto para más encarcelamientos de opositores y mayor represión policial. Ganó, en suma, la violencia estatal, la intolerancia, la polarización y el odio, como ya nos venimos acostumbrando desde hace cinco años.