Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Febroary, 2012
Kolombia: Sarotra Be Ny Miteny Espaniola Ary Misy Hira Miresaka An'izany
Hira momba ny olana amin'ny fitenenana ny teny Espaniola no mamehy ny marina na ho an'ireo teraka tao anatin'izany ary hatramin'ireo miezaka ny hianatra ilay teny. Am-boninahitra, ireo Kolombiana manoratra tononkira sady mpisehatra, Juan Andrés sy Nicolás dia manazava ny fifanjevoana izay entin'ny fiovaovan'ilay teny isaky ny faritra.
Timor Atsinanana: Saka, Rakakabe Anaty Lahatsary Mahatsikaiky Mialoha nny Fifidianana
Iray volana latsaka mialoha ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Timor Atsinanana, ary iray amin'ny fomba fampiasany manokana ny media sosialy amin'ny fialohavan-dàlana ny fifidianana tsy dia matotra loatra - i Slogheinn ao amin'ny Youtube, dia nampakatra andianà lahatsary mahatsikaiky izay mananihany ny efatra amin'ireo mpirotsaka ho filoha isan'ny be mpahalala indrindra.
Lahatsary Misongadina: Mozika, Tetikasa Ho An'ireo Zanatany, Hatezerana Ary Zava-mahagaga
Lisitr'ireo tantara vao haingana sy mahaliana ka anisan'izany ireo lahatsary avy any Amerika Latina, Azia Antsinanana, Afrika Antsinanana Afovoany sy Avaratra ary Eoropa Antsinanana sy Afovoany, nofantenan'i Juliana Rincón Parra.
Isiraely: Ny Lainga, Ny Marina ary ny Meme (momba ilay Miaramila sy ilay Tovovavy)
Nivezivezy tany amin'ny tranonkala sosialy any andro vitsivitsy lasa izay , ity sary eto ambany ity, izay ahitana miaramila manitsaka zazavavy kely, lazaina fa miaramila Isiraeliana sy zazavavy Palestianiana. Wesley...