Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Desambra, 2018
Kyrgyzstan: FAndrafetana Dokambarotra Manafintohina, Niteraka Adihevitra Nasionalista
Tamin'ny 22 Aprily, notsikerain'ny depiote Askarbek Shadiev nandritra ny fotoam-pivorian'ny antoko ''Ak Zhol'' ny petadrindrin'ny dokambarotry ny Birao Soisa ho an'ny Fiarahamiasa. Tohina tamin'ny nametrahan'ny mpanao sary iray tsy fantatra anarana sarina lakroa fotsy iray teo amin'ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan ilay depiote.
Ny Antony Itiavan'ny Governemanta Senegaley ireo Fihetsiketsehana Manohitra ireo Mpifankatia Mitovy Fananahana
Manoratra tsikera mamay momba ny fihetsiky ny governemanta manoloana ireo hetsipanoheram-bahoaka ao Senegaly ny "Blog politique au Senegal". Ratsy: hetsipanoherana ireo fanambadiana an-tery setra ny ankizivavy. Tsara: hetsipanoherana iantsoana ny fandripahana ireo olona tia ny mitovy fananahana aminy.
Ejipta: Olo-malaza tsy Mahay Miresaka
Nitatitra tantara roa nifanelanelana andro vitsivitsy i Bikya Masr mikasika ny hadisoan'ny olomalaza sy ny tsy fahaizany miserasera.
Japana: Grumpy Jiisan ao amin'ny Nico Nico Douga
"Grumpy Jiisan", rangahy iray mpisotro ronono avy any Arizona maneho ny heviny momba ny anime Japoney no malaza ao amin'ny Nico Nico Douga, sampana iray fizarana lahatsary malaza be ao Japana, tato ho ato. Tena malaza be ao ireo lahatsarin'i Grumpy Jiisan hany ka nahangona fanehoankevitra an'arivony.
Serbia: Ny Fifidianana Filoham-pirenena
Notanterahina ny 20 Janoary ny fifidianana filoham-pirenena tao Serbia. Nohamafisin'ny Kaomisionim-pifidianan'ny Repoblika (RIK) fa nandresy ireo mpifaninana sivy hafa i Tomislav Nikolic, mpifaninana avy amin'ny Antoko Radikaly Serba. Nahazo ny 39,4 isan-jaton'ireo vato izy, narahan'i Boris Tadic, filohan'i Serbia amin'izao fotoana sady mpitarika ny Antoko Demokratika, izay nahazo 35,42 isan-jato.
Masoarabo: Fihetsika mikomy sy fepetra ho an'ireo manampahaizana
Noho ny fahataperan'ny vanim-potoanan'ny fety ao amin'ny tontolon'ny Arabo, nanapa-kevitra ilay bilaogera Ejypsiana Kareem Amer fa hiova kely - nahatonga ny sasany amin'ireo mpamaky azy ho faly ary ny hafa tsy faly!
Pakistana: Bilaogin'ny Fiafenana
Lalina avy ato anatin'ny toeram-piafenana ambanin'ny tany vao azoko aho no manoratra ity lahatsoratra ity. Tsy hoe akory be fanahiana ny amin'ny fifandirana mananontanona ao Afovoany Atsinanana izay hivadika nokleary, fa satria niakatra be ny lazan'ny bilaogiko: niala taminà mpanaraka roa mampalahelo ka nahatratra isa goavana, mpanaraka 3 sy tapany.