· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Jona, 2012

Palestina: Akoho Mpampihorohoro Tao Gaza Natao Resabe Tao Amin'ny Twitter

Ny 5 Jona , voadaroky ny fanafihana an'habakabaka Isareliana ny toeram-piompiana akoho iray tao atsimon'i Lemak'i Gaza, namoizana ny ain'ireo akoho mpikakakaka am-polony maro. Ho setrin'io fanafihana io, ireo mpampiasa Twitter dia nalaky tokoa tamin'ny famoahana tenifototra mahatsikaiky, #JihadiChickenBrigade, na Brigadin'akoho Jihad, izay tsy ela dia lasa fironana be nanerana izao tontolo izao.

Bolgaria: Niteraka Fanontaniana Ny Fanomezana Natolotry Ny Filoha Ho An'ny Papa

Nitsidika an'i Vatican ny filohampirenena Boligara Rosen Plevneliev tamin'ny 24 Mey,  Andron'ny Fampianarana sy ny Kolontsaina ao Bolgaria sy Andron'ny Literatiora Slavy. Nandritra ny fihaonany tamin'i Papa Benoà XVI, nanolotra atody paka goavambe ho an'ny Papa ny filoha Plevneliev, asantanan'ilay mpanao sary sokitra Boligara Georgi Andreev. Vita amin'ny vy “inox” sy ankosotra volamena ilay...