Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Novambra, 2013
Mivadika Ho Kisarisary Mahatsikaiky Ilay Tantara Ratsy Momba Ny Trosan'ny Governoran'i Tokyo
Miala tsiny amin'ilay tantara ratsy mikasika vola notrosainy ny Governoran'ny tanànan'i Tokyo. Noraisin'ireo mpampiasa Twitter ao Japana ho vazivazy izany.
Fiovan'endriky Ny Kianja Mena: Veloma Ry Lenin. Arahaba Ry Louis Vuitton!

Tsy ny fasan'i Lenin intsony no ho tsangambato hijoalajoala ao amin'ny Kianja Mena any Maosko. Manomboka izao ka hatramin'ny 19 Janoary 2014, lasan'ilay dokambarotra Louis Vuitton manana haavo fito metatra izany voninahitra izany
Fomba Fijery Diso Mbola Miraikitra, Fitsarana An-tendrony Misoko Mangina: Endrik'Olona Mainty Ao Amin'ny Boky Tantara An-tsary Breziliana
"Mbola tsy ampy ny fanehoana an-tsary," hoy ilay mpikaroka tamin'i Luis Henrique nilaza momba ny olona manana endrika mainty amin'ny boky tantara an-tsary. Niresadresaka taminy momba ny asany ny Global Voices.
Mpanakanto Rosiana Mamantsika Ny Vihiny Teo Amin'ny Kianja Mena

Artista Rosiana iray mahamenatra no namantsika ny vihiny teo amin'ny rarivato ivelan'ny fasan'i Lénin tao amin'ny Kianja Mena. Ahoana ny fihetsiky ny Rosiana ?
Ejipta: Nalaza Haingana Ny “Propagandin'i ” Sami Anan
Nalaza tao amin'ny aterineto ny afisy mampiseho ny sarin'i Sami Anan, chief of staff-n'ny Tafika Ejypsiana teo aloha, izay manao fitafy sivily tahaka ny amin'ny afisy propagandy. Manan-javatra hotantaraina amintsika i Victor Salama
Teny Fanintonana – Na Teny Fikotikotiana – Palestiniana
Nanjary fanao ara-kolontsaina ao amin'ny firenena an'ady ny hatsikana, indrindra hatsikana manapa-tsinay. Nalaza be vao haingana tao amin'ny Twitter ny teny ifankafantarana #PalestinianPickUpLines, ary nahazo lohahevitra vaovao am-polony tao anatin'izay andro vitsy lasa izay
Trinidad & Tobago: Mivoaka Mandresy ny Mpanohitra; Mbola Manantenana Hatrany Ny Governemanta
Mbola mafàna avy any amin'ny fandresena azony tamin'ny fifidianana ny ho Governemantam-Paritra, nandresy indray koa tamin'ny fifidianana ho fisoloan-toerana tao St. Joseph ny mpanohitra, Hetsika Nasionalim-Bahoaka (People's National Movement) - kanefa mbola mampitraka ny lohany amim-panantenana ihany ny governemanta.
Saodiana: Tsy Mahazo Mankeny Amin'i .. Mars
Niteny tamin'ny alàlan'ny gazety Al Hayat i Shaikh Ali Al Hekmi, ilay Saodiana tampom-pahaizana amin'ny resa-pivavahana fa tsy azon'ny zanak'olombelona haleha ny planeta mena. Tapa-tsinay ireo mpisera ao amin'ny aterineto.
Lahatsary Mahatsikaiky Ho Setrin'ny ‘Vonoy Daholo Ny Olona Ao Shina”: Shinoa Tsy Mety Maty
Ny fomba mendrika indrindra hiatrehana ny fihetsehampo manilikilika dia ny fahazakàna hanihany sy fahafantarana tsara ny anton'ilay fankahalàna