Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2017

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Avrily, 2017

Tahaka Izao Ny ‘Solomaso Mpanavakava-bolonkoditra” Raha Atao ao Rosia

Navoakan'ilay Rosiana Alexey Yurevich mpanao sarimiaina ny voatra nalainy avy amin'ny sarimiaina malazan'i Rudy Mancuso tamin'ny taona 2016, mitondra ny lohateny hoe “Solomasom-panavakava-bolonkoditra,” amin'ny fampiasana toerana mitovy fa amin'ny fijery rosiana ihany.

Ady eo amin'i Espaina sy ny Fanjakana Britanika noho i Gibraltar ? Milamìna ry Tiana a!

Ny zo tsy azo ivalozana mety ho azon'i Espaina amin'izay fepetra ampiharina amin'i Gibraltar amin'ny Brexit no manome hevitra tia hiady avy amin'ireo anti-eoropeana britanika masiaka indrindra.

Leon'ny Governemanta Ao An-toerana, Miantso Vonjy Amin'i Leonardo DiCaprio Ireo Mpiaro Ny Tontolo Iainana Siberiana

Ao Krasnoyarsk, tanàna fahatelo lehibe indrindra any Siberia, nahita ny olona hamonjy azy ireo ny mpiaro ny tontolo iainana eo an-toerana: ilay kintan'ny Hollywood, Leonardo DiCaprio.

Fantaro Ilay Mpiady Sady Mpanoratra Sady Pretra Lian-drà Ao Rosia

Tamin'ny volana Martsa, namalifaly ireo mpisera aterineto Rosiana tamin'ny fampisehoana miavaka heverin'izy ireo ho fitiavan-tanindrazana i Zakhar Prilepin sy Vsevolod Chaplin .

Marary Ambavahaonan'ny Fahafatesana, Mijoro Hanao Izay Hihomehezana Ihany

Fanamby mampisy rarintsaina ho an'ny rehetra izay voakasika ny fikarakarana ny olona marary ho faty. Nampiasa hatsikana mba hizarana fiainana miaraka amin'ireo efa ho faty ny Fikambanan'ny Fitsaboana Ala-nenina Indiana.

Breziliana Iray Mpampiasa Facebook Voampanga Noho Ny Famoahana Vazivazy Mombanà Mpanao Pôlitika

Tsy ny fanalam-baraka nataony no nanenjehana ilay mpandrindra, fa noho ny fandikàny ny lalànan’ny tsy fanononana anarana any Brezila.

Arahaba Nahatratra ny Fetin'ny Lainga, Hoy ny Masoivoho Rosiana

Fetin'ny Lainga, nitondra ny anjara lalaony ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana.