Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Septambra, 2013
Mandeha Ny Tsaho Fa Nanambady Fanindroany i Putin

Nisy ny tsaho niely fa mifankatia amin'ilay mpanao fanatanjahatena Alina Kabaeva i Putin. Mbola nipariaka indray izany tsaho izany taty aoriana, ka nampisy ahiahy fa natao mariazy mihitsy izy ireo.
Fa Maninona No Manosotra Varinesy Amin'ny Hohony Ireo Lehilahy Saodiana?
Manosotra varinesy amin'ny hohony ireo tovolahy Saodiana sady mampiseho ny volon-tongony ho fandraisany anjara amin'ny teny ifankahafantarana ao amin'ny Twitter midika hoe "Alaivo sary tahaka ny ataon'ny tovovavy ny tenanao".
Moske Tsetsenina Ve No Tena Mari-Pamantaran'i Rosia?

Fihodinana faharoa amin'ny fifidianana toerana fivahinianana tsy dia malaza miisa 10 any Rosia (ka asiana dika mitovy ao amin'ny zaridainan'i Moskoa) nivadika gidragidra ny sabotsy, 31 Aogositra 2013, rehefa notorahan'ny vahoaka ao Grozny atody ny trano fiasana momba ny fifandraisan-davitra.
Mikakakaka Amin'ny Alalan'ny #SpyDuck i Ejipta
Nisambotra "dokotra" mitondra fitaovam-pitsikilovana i Ejipta. Fa mbola misy ny zavatra ambadiky ny dokotra. Manararaotra ny mpiserasera hikakakakana.