Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Desambra, 2011
Rosia : Ny Fitroaran'ireo “Hamsters”-n'ny Aterineto

Ny ampitson'ny androm-pifidianana, ireo Rosiana dia nivondrona mba hikomy ho fanoherana ny hosoka tamin'ny fifidianana. Na dia ho very seza 77 aza ny Antoko Rosia Mitambatra (United Russia) oharina amin'ny Duma teo aloha, araka ny vokatra vonjimaika, ny ankamaroan'ireo mpikomy dia mihevitra ilay fifidianana ho sady tsy madio, no tsy malalaka.