· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Mey, 2018

Fifidianana Amerikana: Sarah Palin Voafitaky Ny Sarkozy Sandoka

Mpanentana roa tao amin'ny onjampeo kebekoazy an'i Montréal ary ireo Mpitsara Miafin'endrika, no namitaka ilay Repoblikana Sarah Palin tamin'ny telefona, tamin'ny fisandohana ho Nicolas Sarkozy. Malaza be ireo Mpitsara Miafin'endrika ireo noho ny efa namitahany tamin'ny telefona ihany koa ny filoham-pirenena teo aloha Jacques Chirac, Britney Spears, Mick Jagger ary, eny, fa na dia ny Filoham-pirenena Sarkozy aza.

28 Mey 2018

Bahrain: Tsinio i Ahmed Zainal!

Misy zavatra hitarainana momba an'i Bahrain? Tsy faly tamin'ny zavatra eo amin'ny fiainanao? Aza mitady lavitra. Omeo tsiny fotsiny Ahmed Zainal! Misy mihitsy bilaogy, vondrona Facebook natokana hanomezana tsiny ny tanora Bahrainita noho ny fahoriana sy ny fahantrana ao amin'ny firenena sy ny lavidavitra kokoa ary ny tenirohy Twitter!

24 Mey 2018