· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Aogositra, 2010

Maraoka: Rehefa manolotra Ramadany amin'ny fomba Frantsay i Sarkozy

Rehefa nanoratra lahatsoratra fanesoana tao amin'ny blaoginy mikasika fanambarana tsy tena misy nataon'ny filoha Nicolas Sarkozy mikasa hametraka fomba Frantsay mikasika ny Islam na ireo Silamo Frantsay i Ahmed, tsy nanampo mihitsy izy hoe ho lasa lohatenin-gazety sy ireo vohikalan'ny media amin'ny aterineto ny "tantarany", tsy tahaka ny vosoboso-dratsy noheveriny fa tahaka ireo vaovao milaza zava-misy.

26 Aogositra 2010

Maneran-tany: Kisarisarin'ny Ramadany

Isan-taona, ireo silamo mpampiasa tranonkala maneran-tany dia mifampizara sary ho fankalazany ny Ramadany. Raha manetriketrika ny ankamaroan'ireo sary ireo, tahaka ny iray etsy ankavia, matetika dia feno hatsikana mivezivezy koa any, hoy ny voasoratr'i Jillian C. York, izay nizara sombintsombiny tamin'ity fifaliana ity.

14 Aogositra 2010

Japana: Romana fahiny any amin'ny trano fandroana iraisana Japoney

Inona ny zavatra mampitovy ny kolontsaina roa mifanalavitra ara-potoana sy toerana tahaka an'i Roma fahiny sy Japana amin'izao fotoana? Mety ho ankamantatra ho an'ny maro izany fanontaniana izany kanefa dia nanome hevitra ilay mporatra manga Mari Yamazaki [ja] hamorona ny Thermae Romae, manga voalaza hitokanana sokajy vaovao - ny manga ‘fandroana’.

10 Aogositra 2010