Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Novambra, 2015
Vary Nendasina Sy Atody, Endriky Ny Andro Fanolorana Fisaorana Ho An'ny Shinoa
"Dimy amby enimpolo taona lasa izay, lovia iray nisy vary voaendy sy atody no nanova ny tantaran'i Shina. Raha tsy nisy an'io lovia io dia mety ho lasa Korea Avaratra isika (na dia efa lasa mitovy ihany aza ny roa tonta)."
Tongasoa Eto Amin'ny Hetsika #StandwithRussia (Mijoro miaraka amin'i Rosia)

Momba ny fampitàna amin'i Tiorkia ny fahatsapan'izy ireo ny fanafihana natao an'ilay Su-24 tany ampiandohan'ity herinandro ity, nampiseho fahaizana mamorona ireo Rosiana mpampiasa aterineto.
Aza Ny Gazety Anglisy “The Sun” No Anontaniana Raha Te-hahalala Izay Sainin'ny #Miozolmana1amin5 (#1in5Muslims)
Nitondra ho amin'ny tenifototra mahatsikaiky ny gazety britanika The Sun taorian'ny nanodinkodinany ny vokatry ny fitsapàna hevitra natao tamin'ny antso an-telefaona ho lasa lohateny vaventy makahàla Silamo, manao hoe "1 amin'ny Britanika Miozolmana 5 no Miombom-po amin'ireo jihadis"
Voaràra Manerana An'i Rosia Izao Ny Bitsika ‘Charlie Hebdo’

Noraràn'ny fitsaràna monisipaly iray ao Chechnya ny kaonty Twitter an'ilay gazetiboky frantsay Charlie Hebdo. Tamin'ny 23 Novambra 2015 ilay didim-pitsaràna. Mifanaraka amin'ny lalàna federaly Rosiana, manankery manerana an'i Rosia ilay fandraràna
Resy Tamin'ny Fifidianana Anatiny Nataony Ny Antoko Mpanohitra ao Gresy
Mamazivazy ny antoko mpanohitra, Demaokrasia Vaovao ny mpiserasera Grika noho ny tsy fahombiazany nanatontosa fifidianana anatin'ny antoko.
Sioka Dimy Voalohany: Mamazivazy Ny Sivana Amin'ny Aterineto Ny Iraniana

Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy ny fikorontanana vao haingana tamin'ny fampiharana fandefasan-kafatra Telegram. Nanararaotra izany ireo mpiserasera Twitter ao amin'ny firenena mba haneho fitarainana ankapobeny bebe kokoa momba ny aterineto miadam-pandeha, lafo vidy sy voasivana loatra, fantatry ny Iraniana sasany amin'ny hoe 'filternet'.
Vaovaon'ny fandrarana lehilahy Okrainiana tsy mahazo mandeha dia lavitra nopaingorin'ny miaramila ho hosoka

"Tsy hitsidika ireo mampiely tsaho sy vaovao tsy voamarina ny dadabe noely."
Ny dokambarotra mampifamadika ny lahy ho vavy nataon'ny Shiseido
Namokatra dokambarotra mampifamadika ny lahy ho vavy izay nahafanina mpijery ny orinasa Japoney mpamokatra fitaovana fikojakojana tarehy.
Tantara an-tsarimiaina ‘South Park’ Nampiseho Ny Filohan'i Shina Manoroka Vehivavy. Iza Io Vehivavy Io?
Niahiahy ireo Shinoa mpankafy ny tantara an-tsarimiaina South Park, fa mety ho voaràra ny tantara noho i Xi Jinping manoroka vehivavy miteny Koreana izay tsy vadiny amin'ny fiafaran'ny tantara.