· Aogositra, 2018

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Aogositra, 2018

Okraina: Vazivazy momba ny amboara manerantany

  31 Aogositra 2018

Toa nahatsikaiky ny vazivazy malaza momba ny zava-bita mahavariana sy tsy nampoizina tanteraka tamin'ny Amboara Manerantany tany Okraina - sy ny loza ara-bola naterak'izany ora vitsy lasa izay. Nandresy an'i Okraina avy eo i Italia tamin'ny ampaha-efa-dalana tao Hamburg. Tsy mampihomehy intsony, ho an'ny maro avy eo ny vazivazy.

Ny tosika ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Saodiana

Navotsotra i Mohsen Al-Awaji rehefa nogadraina nandritra ny 11 andro, ary mieritreritra i Aya fa ity hetsika nataon'ny governemanta ity dia lesona azo tsoahina ho an'ny Saodiana: "Sahy manakiana ny governemanta ve ianao satria afaka manao izany amin'ny fotoana rehetra, sa esorina aminao ny fahafahanao sy ny fahamendrehanao. "

Hetsika tsy ara-politika manoloana ny fitsidihan'i Bush ao Goatemalà

  16 Aogositra 2018

Nitsidika ity herinandro ity tamin'ny alàlan'ny tontolon'ny bilaogy ao Goatemalà, nahaliana ny famakiana ireo fanehoan-kevitra tamin'ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Filoha Bush, izay tsy mitovy tamin'ny fanambarana mahazatra manohitra ny politikan'i Etazonia. Bilaogera sasany niady hevitra momba ny fampisehoana ireo mpilalao sarimihetsika Hollywood.