Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Avrily, 2016
Indro ny Sarintany Mampiseho Izay Tena Sainin'ny Japoney Amin'i Eoropa
Araka ny fitsarana an-tendrony Japoney, izay ny firenena manana fonja mamirapiratra indrindra? Ary iza ny firenena ao Eoropa feno olona adala indrindra? Ary nahoana ny Letoniana no mihinana ovy?
Ahoana Raha Ny Media Afrikana No Mitatitra Ny Fifidianana Ao Etazonia Tahaka ny Fomba Fitateran'ny Media Tandrefana An'i Afrika?
"Mitombo ao amin'ny fitondrana Obama ny teritery mba hanaiky ireo mpanaramaso sy mpampandry tany iraisampirenena taorian'ny fampielezan-kevi-pifidianana voaloton'ny herisetra ara-poko tao amin'ny firenena Amerikana avaratra anjakan'ny korontana.."
Chacha, Rajako Nandositra An-katezerana Ny Vala Iray Tao Japàna
Sary mivantana avy amin'ny fahitalavitra, mivezivezy be, mampiseho rajako iray tezitra ka niantsampy tamin'ireo mpiasa natao hisambotra azy
Hatsikana Sa Sarimihetsika _Ny Fiposahan'ny Rariny Hoan'ny Mpanjifa ao Trinite sy Tobago?
" BRAPS !!! lasa fotsy ny sehatra [ ... ] BRAPS ... maty indray ny efijery. " mpakafy sarimihetsika iray ao Trinite niezaka ny hanao ny tsara indrindra mba hahazo tombony tamin'ny sarimihetsika , nefa resin'ny olana ara-teknika ... mandra-pivaliany izany tamin'ny hatsikana.
Nahafinaritra Ny Media Sosialy Japoney Ny Nijery Ny Boky Fianarana Teny Anglisy Amin'ny Endrika Sarimiaina
"Taorian'ny lanonana fidiran'ny sekoly ambaratonga faharoa androany, tonga tato an-trano niaraka tamin'ny boky vaovao fianarana anglisy ny zanako vavy. Mahafatifaty loatra i Ellen Sensei!"
Tsy Misy Mifanaraka Amin'ny Fotopinoana Mihitsy Ny Fomba Ataon'ireto Pretra Rosiana Ireto

Manadihady momba nipetrahan'ny angidimby iray hafahafa tao amin'ny arabe iray migodàna tao ivelan'ny tanàna ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ny distrkan'i Nizhny Novgorod. Lahatsary azo avy amin'ny Dashcam ary ahitàna lehilahy manao fitafiana toy ny pretra
Taorian'ny Varadatsaka Avy Amin'ny Panama Papers, Mihomehy i Amerika-Latina Mba Tsy Hitomaniana
Miezaka manome dikany amin'izay fomba tsara indrindra fantatr'izy ireo ho an'ireo fiporitsahana tamin'ny Taratasin'i Panama ireo vahoakan'i Amerika-Latina: amin'ny alalan'ny vazivazy.
Praiminisitr'i Polonina Maniry Fandraràna Mafimafy Kokoa Ny Fanalànjaza, Ka Dia Nofenoin'ny Vehivavy Famaritana Mazava Tsara Ny Atao Hoe Fadimbolana Ny Kaontiny Amin'ny Media Sosialy
Tamin-kanihany no namalian'ny olompirenena Poloney ny ezaky ny governemantan'izy ireo hanaraka maso ny vatany. Ny fomba nataon'izy ireo: fanekena tanteraka ny fitsabahan'ny praiminisitra amin'ny fahasalamana ara-pananahan-dry zareo
Twitter Mandritra Ny Taona maro: Ny Fanontàn'ny RuNet

Ho an'ny fankalazana ny faha-10 taonan'ny Twitter, "nanangona ireo bitsika ampolony tena miavaka indrindra" tamin'nytantaran'ilay sehatra ireo mpanao gazetin'ny Kommersant, mpilaza vaovao Rosiana. Nofantenanay ireo sasantsasany tao amin'ny RuNet.
Manatombo Andro Iray Ny Taona No Tsy Nahavitako Lahatsoratra Fetin'ny Lainga

Tena tsy misy dikany mihitsy. Ka izay ny fetin'ny lainga koa.