· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Septambra, 2018

Ejypta: Kapoka karavasy in-80 = Firenena ambany

Inona no mitranga rehefa manambatra mpanao didy jadona kivy, mpitarika ara-pivavahana mpanao kolikoly, feon'ny mpanohitra ary firenena iray marefo ianao? Firaisankina tsy mandeha araka ny tokony ho izy eo amin'i Hosni Mubarak, Oniversite Al Azhar University ary ny fanamelohana manohitra ny fahalalahana eo amin'izy ireo, hoy ireo bilaogera Ejiptiana.

Okraina: Fanamarihan'i Marat Gelman

  13 Septambra 2018

Mba hiomanana amin'ny fitsidihany taorian'ny fifidianana tao Kyiv tamin'ny herinandro lasa teo, nijery ny Ukrayinska Pravda, loharanom-baovao antserasera malaza momba ny vaovao ara-politika, niara-naorin'i Georgiy Gongadze tamin'ny taona 2000 i Marat Gelman, mpisera LJ galerist, Rosiana mpandraharahana ara-javakanto, ary voalaza fa "mpanolo-tsaina miafina"an'i Victor Yanukovych.

Egypta: Sawiris sy Minnie Mouse mitafy niqabi 

Ilay kristiana politisiana, Naguib Sawiris dia namoaka sariitatra tao amin'ny kaonty Twitter-ny izay nampiseho a'i Mickey Mouse niaraka tamin'ny volombava sy Minnie Mouse mitafy Niqab, ary naneho hevitra momba izany toy ny hoe: "Micky sy Minnie rehefa any aoriana..." Niteraka fitsikerana maro ity sariitatra ity ka voatery noesorin'i Sawiris izany.

Rosia: Anarana mitovy

  01 Septambra 2018

Raha niala tamin'ny tantara an-tsehatra sy ny vazivazy ara-politika Okrainiana, ity misy tantara mampihomehy ihany momba ny anarana mitovy, navoakan'ilay Tsetsenina mpanao gazety Timur Aliev