Tantara mikasika ny Hehy tamin'ny Jona, 2015
Fa Iza Daholo Izany Mpankafy ny Gazetin'ny Antoko Komonista Shinoa 5,5 Tapitrisa ao Amin'ny Facebook Izany?
Manana mpankafy an-tapitrisany ao amin'ny Facebook ny gazety mpitondra tenin'ny Antoko Komonista Isan'Androm-Bahoaka, sehatra media sosialy izay tsy tafiditra any Shina. Manontany tena ny Shinoa mpiserasera hoe mba iza loatra ireo mpankasitraka ireo.
Anaovan'Ny Vahoaka Ogande Hanihany Ny Krizy Politika Efa Mahazatra Vokatry Ny Fangatahan'Ireo Mpitondra Fe-Potoam-Pitondrana Fahatelo Ao Borondi
Niteraka fisian'ny hetsi-panoheran'ny vahoaka maro be ny andrana nataon'ny Filoham-pirenen'i Borondi Pierre Nkurunziza hampitombo ny fe-potoam-pitondrany firenena izay voafetra ho indroa ihany, ary taoriana kely niharan'ny fanonganam-panjakana nataon'ny foloalindahy izy. Mangataka fitondram-panjakana fanindiminy ny filoham-pirenen'i Oganda.
Smokey Ilay Orsa a! Fantaro Ilay Rosiana Rahalahinao ka Mitandrema
Misy valan-javaboarim-pirenena iray manamorona an'i Kamchatka nindrana mpanao kisarisary an-tserasera ho fandravahana ny filazana amin'ny vahoaka natao hanabeazana ny mpitsidika momba ny fiarovan-tena manoloana ny orsa.