Bangladesh : Fifandonan'ny olombelona sy ny elefanta, mety hitondra any amin'ny faharinganan'ny elefanta

Asian Elephant in Inani Coxs Bazar

Elefantan'i Azia ao Inani, Bazarin'i Cox. Sary natolotr'i Syedabbas321 tao amin'ny Wikipedia, nampiasàna lisansa CC BY-SA 4.0.

[Raha tsy asiana fanamarihana dia mitondra mankany amin'ny lahatsoratra amin'ny teny anglisy ny rohy rehetra.]

Efa mihoatra ny arivo taona ireo elefanta dia (sauvage) ao Azia no nanavatsava an'i Bangladesh, saingy noho ny fifandonana mihamafy eo amin'ny olombelona sy ny elefanta eo amin'ilay firenena dia mihena ny isan-dry zareo. Hatramin'ny Janoary 2020, nisy efa ho telopolo tany ho any ireo elefanta mponina maharitra sy mpivezivezy no nisy namono tany amin'ny faritr'i Bangladesh. Tamin'ny Novambra 2021 fotsiny, fito no maty.

Rafiqul Montu, mpanao gazety momba ny tontolo iainana nibitsika hoe:

Fito ny elefanta maty tao Bangladesh tato anatin'ny tapabolana farany. Lazain'ireo mpahay manokana momba ny fiainan'ny bibidia fa raha mitohy tahaka izao ny fahafatesan'ireo elefanta, mety ho vetivety foana dia fongana tsy ho hita ao Bangladesh ity biby andalam-paharinganana ity.
– Rafiqul Montu (@ri_montu) 20 novembre 2021

Noho ny fihenan'ny toerana fonenany vokatry ny fitomboan'ny fipetrahan'ny olona any anaty ala sy eny amin'ireo havoana, nidina ambanin'ny 300 ny isan'ireo elefanta dia .

Ny faharavàn'ny toerana fonenany no mitarika ny fanjavonan'izy ireny

Izay indrindra, araka ny lisitra mena misy ireo karazana atahorana ho lany tamingana (Red List of Threatened Species) avy amin'ny Fikambanana Erantany ho Fitahirizana ny Natiora (IUCN, International Union for Conservation of Nature), lasa kazarana tandindonin-dozan'ny faharingànana ny elefanta ao Bangladesh. Vao taonjato iray monja izay, feno betsaka azy ireo [pdf] tany anatin'ireo ala samihafa tao Bangladesh. Nandritra ny vanimpotoana fanjanahantany nataon'ny Britanika, nohazaina sy nofolahana ny elefanta talohan'ny nandefasana azy ireny hanao ny raharahan'ny Zamindars na ho ampiasain'ny tafika. Ankehitriny, ampolony ireo elefanta ompiana no voaisa, indrindra fa any amin'ireo indostria fitrandrahana hazo, mba hitatitra hazo ary ny sasany ho amin'ny fampisehoana (cirque).

Manana elefanta karazany telo i Bangladesh : ireo elefanta mihidy anaty vala, ireo elefanta mponina maharitra ary ireo elefanta mpandalo mivezivezy. Ireo lazaina hoe elefanta mpifindramonina dia mitoby any amin'ireo ala manakaiky ny sisintany iraisana amin'i India, ao Sherpur, Netrokona, Kurigram, Sylhet, Moulvibazar, ary ireo sisintany iraisana amin'i Myanmar, any amin'ireo faritra ao Bandarban sy ny Bazarin'i Cox.

Iray amin'ireo firenena tena be mponina indrindra eto an-tany i Bangladesh. Ny fitomboan'ny fonenan'olombelona tafiditra any anaty faritry ny ala sy ny havoana, no mitarika ny fihenan'ny habaka azon'ireo bibidia iainana, indrindra fa ny elefanta.

Avoitran'i [bn] Shahriar Shakir ao anaty lahatsary iray fanadihadiana azo raisina ao amin'ny vavahadin-tserasera Bangla NewsBangla24.com ny hoe:

শেরপুরের সীমান্তবর্তী গারো পাহাড় একসময় বিরাট এলাকাজুড়ে বিস্তৃত ছিল। ধীরে ধীরে তা সংকুচিত হয়ে এসেছে। পাহাড়ে আদিবাসীদের বসবাস থাকলেও নানা জায়গা থেকে মানুষ পাহাড় কেটে বসতবাড়ি গড়ে তুলছেন। বর্তমানে বন বিভাগের শত শত একর জমি দখলের কবলে।

একাধিক প্রজাতির হাতির দল বাংলাদেশ ও ভারতের পাহাড়ি এলাকায় বিচরণ করে। কিন্তু বাংলাদেশ অংশে হাতির আবাসস্থল মানুষের দখলে থাকায় নিরাপদে থাকতে পারছে না হাতি। স্থানীয় লোকজন হাতিকে নানাভাবে বিরক্ত করছেন। এতে নিরাপত্তাহীনতায় ভুগছে হাতি।

Taloha, nidadasika be mihitsy ireo havoana Garo any amin'ny distrikan'i Sherpur, manamorona an'i India. Tsikelikely, nihena izy ireny arakaraky ny nahatongavan'ny olona avy aty ivelany tonga nipetraka tao, fanampin'ireo vazimba teratany efa tao an-toerana. Kakàsan'ireny olona ireny ny havoana ary anorenan'izy ireo trano. Ankehitriny, tany amina hektara an-jatony an'ny sampandraharaha misahana ny ala no nobodoin'ireny olona ireny tamin'ny fomba tsy ara-dalàna.

Karazana elefanta marobe no mandehandeha any amin'ireo faritra an-tendrombohitra sy mifindra monina eo anelanelan'ireo sisintany iraisan'i India sy Bangladesh. Indrisy, mihena ny toerana fonenan'ireo elefanta ao Bangladesh noho ny fitomboan'ny fipetrahan'ny olombelona any. Amin'ny fomba samihafa dia mila vaniny amin'ireo elefanta sy ny toerana tokony ho azy ireny ireo mpibodo toerana ireo, mahatonga ny fiainan'izy ireny tsy ho azo antoka.

Mifanindran-dàlana amin'izany, ny tobin'ireo Rohingyas mpitsoaponenana taorian'ny 2016 dia tena nampintsingilahila be tokoa ireo lalantsara roa fototra fandrain'ireo elefanta ao Bandarban sy Bazarin'i Cox, any amn'ireo sisintany iraisana amin'i Myanmar, tena manosika azy ireo hisedra loza miharihary.

Ny fifandonan'ny olombelona-elefanta

Ny fahatongavan'ny olombelona any amin'ireo habaka nonenan'ny elefanta hatrany am-boalohany dia nanamafy ny fifandonana misy amin'ny olona sy ny elefanta ao amin'ny firenena. Mitady iray haràpany ireo elefanta, raha ny olona kosa indray te-hiaro ny famboleny sy ny tranony.

Midina [bn] hatrany amin'ny faritra onenan'ny olombelona ireo elefanta noho ny olana ara-tsakafo misy any an-tampon-kavoana. Simban'izy ireo ny fambolena sy ny fonenana. Matetika ny mponina no raiki-tahotra amin'ny fifindran-toeran'ireo elefanta.

Isantaona, marobe ny olona no maty ao Bangladesh mandritra ny fanafihana ataona andiana elefanta. Ny fihetsehan'ireo elefanta dia (sauvage) eny akaikin'ny toerana fonenan'ny olombelona dia miteraka tahotra eny anivon'ireo mponina eny an-toerana. Elefanta maherin'ny am-polony ihany koa no maty isantaona noho ny firotsahana an-tsehatra ataon'ny olombelona: tifirina izy ireny, dorana amin'ny herinaratra [bn] na hazaina.

Tamin'ny 6 Novambra 2021, andiany iray nisy elefanta dia niiisa 18 no niditra an-kery tany amin'ireo faritra fonenan'ny olmbelona tao atsimon'i Mithachari, vohitra ao amin'ny faritra Bazarin'i Cox, ary olona dimy, isan'izany ireo mpiasan'ny ala no naratra [bn] raha teny am-pandroahana azy ireny ho any an'ala. Tao amin'ny distrikan'i  Sherpur, ao avaratr'i Bangladesh, tsy mahita tory ireo [bn] mponina tao am-bohitra ho fiarovana ny aina sy ny fananan-dry zareo. Ampandosirin-dry zareo amin'ny alàlan'ny vely amponga ireo elefanta, na fanapoahana tsipoapoaka sy fandrehetana fanilo, saingy tsy ampy ireny fitaovana ireny mba handresena lahatra ireo elefanta noana avy any an-tampon-kavoana tsy ho avy rehefa alina ny andro.

Tany am-piandohan'ny Novambra 2021, fito no fitambaran'ireo elefanta maty nisy namono tao [bn] Bangladesh, ny dimy tamin'izy ireo no matin'ny herinaratra ary iray maty notifirina. Nibitsika ilay mpanao gazety, Mostafa Yousuf hoe:

Arahaba ho anareo mpitia ny fiainana an'ala sy ireo didibia.
Androany, zanaka elefanta iray hafa no maty novonoina tao Bazarn'i Cox, tany atsimon'ny firenena. Naratra am-po aho no sady ketraka nahita ny famoizana io goavana malemy fanahy io. Lasa mpitazam-potsiny ny sampandraharahan'ny ala sy ny governemanta.
– Mostafa Yousuf (@mostafayousuf6) 21 Novambra 2021

Marobe ireo hetsipanoherana nokarakaraina nanerana ny firenena mba hitakiana ny fampitsaharana ny fandripahana. Ny « Save the Nature of Bangladesh » (Vonjeo ny Natiora eto Bangladesh), nibitsika hoe:

Ampahany amin'ny famoriambahoaka nokarakarain'ny « Save The Nature Of Bangladesh » tany amin'ireo tranon'ny Sreevardi Upazila any amin'ny distrikan'i Sherpur mba hiampangàna ny famonoana tamin'ny fomba feno habibiana ireo elefanta dia (sauvage) niisa 6 tao Bangladesh tanatin'ny herinandro monja.
– Save The Nature Of Bangladesh (@SaveTheNatureBD) 16 Novambra 2021

Ny 21 Novambra 2021, ny Fitsarana Antampony ao Bangladesh dia namoaka didy ho an'ireo manampahefana voakasik'izany mba handray fepetra malaky ho entina mampitsahatra ny fandripahana ireo elefanta. Nasian'ny fitsarana fijerena ny fitakiana napetrak'olona telo mpikatroka mpiaro ny bibidia mba hampitsaharana ny fandripahana elefanta ao Bazarin'i Cox, Chittagong, Sherpur ary any amin'ireo faritra hafa ao amin'ny firenena.

Mi Thu, mpampiasa Facebook naneho hevitra hoe [bn] :

বন্যপ্রাণীরা কখনও মানুষের জায়গা দখল করেনা। মানুষ বন্যপ্রাণীর জায়গা দখল করে তাদের হত্যা করে। মানুষ পৃথিবীতে সবচেয়ে অসভ্য জীব।

Tsy maka velively ny toerana fonenan'ny olombelona ireo biby. Ny olombelona no mibodo ny fonenan'ny biby sy mamono azy ireny. Ny olombelona no zavamanana aina tena fatritrany (baribarianina) indrindra eto ambonin'ny tany.

Mostofa Firoz, profesora ao amin'ny anjerimanontolo Jahangir Nagar sady mpikambana ao amin'ny vondron'ireo mpahay manokana momba ireo elefanta ao Azia, dia nanambara tao anaty antsafa iray ho an'ny Daily Kaler Kontho [bn] fa ireo lalàna manankery amin'izao fotoana izao ao amin'ny firenena dia sahaza hiarovana ny elefanta. Kanefa, zavadehibe ny hampiharana ireny lalàna ireny.

হাতি রক্ষায় আমাদের যে আইন আছে তা কিন্তু যথেষ্ট। কেউ হাতির আঘাতে মারা গেলে রাষ্ট্র তিন লাখ টাকা অর্থ সহায়তা দেয়। কেউ হাতি হত্যা করলে সর্বোচ্চ যাবজ্জীবন কারাদণ্ডের বিধান রয়েছে। এটি খুবই ভালো আইন।

Mahafa-po ireo lalàna manankery amin'izao fotoana izao ho fiarovana ny elefanta. Raha misy olona maty noho ny fanafihan'ny elefanta, ny Fanjakana dia manolotra fanampiana ara-bola mitentina 300 000 takas bangla (3 490 dolara). Misy mihitsy aza andàlana milaza sazy faratampony famonjàna mandra-maty raha tratra mamono elefanta. Tena lalàna tsara ireo.

Ho an'i Mostofa Firoz, tsy maintsy atsahatra ny fidiran'ny olombelona amin'ny toerana fonenan'ireo elefanta, sy ny herisetra tsy mitsahatra. Ankoatra izay, mila ampitomboina ireo ezaka fanentanana ny olona. Nanosoka hevitra ihany koa izy mba hananganana tarika manokana ahitàna ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo mpiambina ala ary ireo mponina eny an-toerana, omena andraikitra hitandro ny fitonian'ireo mponina eny amin'ireo vohitra voakasik'izany, sy hanara-maso ny tsy hahatapaka ny fivezivezen'ireo elefanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.