· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Oktobra, 2018

Pakistan: Sazin'ny bilaogy

  29 Oktobra 2018

Ny "sazy iombonana" dia lamaody fialantsiny vaovao ampiasain'ireo governemanta eran-tany. Na amin'ny fandraràna ny blaogy izany na manapoaka baomba amin'ireo olon-tsotra tsy manan-tsiny, ny "sazy iombonana" dia toa fitaovana "safidy" amin'ireo fitaovana eo amin'ny fahefana.

Gonu no Lazan'i Koety !

(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.

Rosia: Hifidy sa Tsy Hifidy?

Hifidy - sa tsy hifidy? ''Hifidy amin'ny tongotrao'' - sa hanaraka ny torohevitr'i Mikhail Khodorkovsky ary hifidy ny iray amin'ireo antoko kely indrindra tsy ''ambanianao''? Hanao ankivy ny fifidianana - sa hanimba ny vatom-pifidianana? Ho hahitsy tsara sy hanamarina ny iray amin'ireo efajoro kely fandatsahambato - sa ho lasa maditra ary hanoratra teny ratsy mameno ilay pejy?