Ity herinandro ity tao amin'ny bilaogy Palestiniana

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2006)

Vaovaon'ny tontolon'ny bilaogy….

Tsingerintaona nahaterahan'i Laila el-Haddad‘ izao! Nandany andro feno zavatra tsy nampoizina niaraka tamin'ny zanany lahy Yousuf izy.

Sabbah dia iray amin'ireo mpifaninana farany amin'ny Loka Weblog Bloggies 2005.

Promises of Arabesque Rhapsody nanolo-kevitra ny olom-pirenen'ny JordanPlanet mba hanangana ny Book Club (Klioba famakiana boky) azy ireo manokana.
Tonga miaraka amin'ny hevitra hafa ihany koa izy, aza mividy kiraro kadradraka!

Inona no resahantsika…

Momba ny fifidianana

Laila el-Haddad of Raising Yousuf mitatitra avy any Gaza momba ny fifidianana solombavambahoaka Palestiniana ho avy, ao anatin'ny andiana lahatsoratra ao amin'ny Guardian Unlimited, namariparitra ny toe-java-misy tao Gaza tamin'ny herinandro lasa izay tsy dia nahazatra loatra an'i Laila.

Tamin'ity herinandro ity, nilaza i Laila fa nameno ny tanànan'i Gaza ny afisy ary lasa maherifon'ny firenena ny rehetra raha nidina an-dalambe  kosa ny sasany ary niantsoantso hoe: “Mpangalatra, mpangalatra, mpangalatra ianareo” manondro ny antokon'ny fitondrana.” Nanome antso ho an'ny antoko Fatah (Arabo) mba hitady valinteny i Laila.

Telo andro lasa izay, nilaza vaovao farany i Laila fa miha-mafàna ny toe-draharaha eo amin'ny Hamas sy Fatah. Niresaka bebe kokoa momba ny fipoahana baomba vao haingana tao Tel Aviv izy ary ny vokatr'izany tamin'ny fifidianana. Nanombantombana izy fa tsy latsaky ny 50.000  ny mpihaino ny Hamas raha 20.000 monja ny Gazaita any amin'ny distrika avaratra ny an'ny Fatah (Arabo) .

Raha mandrafitra vondrona tombotsoa lehibe ho an'ireo antoko ara-politka samihafa ireo gadra Palestiniana 7000, tsy raharahiana kosa ireo mpitsoa-ponenana izay efa ho roa ampahatelon'i Gaza, miandry ny hamahana ny olan'izy ireo efa ho 58 taona ho voavaha ary tsy afaka mifidy kosa ireo izay mihitsoka ao amin'ny toby ivelan'i Israely, tahaka ny vadin'i Laila ohatra, izay tsy afaka mifidy satria manana fahazoan-dàlana hialokaloka. Tsy mahazo alalana hiditra voalohany ao Palestina ireo Palestiniana manana fahazoan-dàlana hialokaloka .

Mikasika ny fifidianana ihany, Daoud Kuttab nanoratra  lahatsoratra tena mampahafantatra ny zava-misy any Palestina.

Zavatra hafa rehetra

Avy amin'ny umkahlil, nahangona 4 tapitrisa dolara hatramin'izao ilay milionera be tompon'ireo orinasa fanaovam-bolo sady mpanorina ny “Naman'ny Tafi-piarovana Israely” mba ho tombontsoan'ny “IDF” (tafika miaramila Isrealiana). Na izany aza, mikasa hangataka fanampiana 10 miliara dolara amin'i Etazonia ny lehiben'ny biraon'ny praiminisitra Dov Weisglass ao Israely.

Manana zavatra holazaina amin'ny Sionista ny mpivavaka sy ny laika amin'izy ireo umkahlil , ary mitantara ny tantaran'i Fatima, tanora tsara tarehy izay niady tamin'ny chimiotherapie nandritra ny fibodoana.

Bilaogera FADI ao amin'ny KABOBfest nandefa taratasy ho an'ny gazetin'ny mpianatry Georgetown, ny Hoya ho setrin'ny fanamboamboarana sy lainga avy amin'i Bill Levinson momba ny ISM sy ny PSM izay fikambanana iray ihany, milaza fa ny PSM dia miaro ny herisetra sy ny fampihorohoroana. Nanampy i FADI fa efa nanoratra i Levinson teo aloha fa “tokony handroaka ireo valala tongon-droa ireo ny Israely ary hanambatra ny faritra bodoina rehetra. Ho any amin'ny helo miaraka amin'ireo tsy vanona ireo.”

Avy amin'i KABOBfest ihany, lahatsoratra ny fanaovana ankivy ara-toekarena an'i Israely izay mbola mitohy manerana an'i Eoropa na dia eo aza ny fanerena sy ny fandrahonana ireo mpikatroka ataon'ny fitantànan'i Etazonia sy ny mety hisian'ny fitsarana any UK tahaka  ireo mpanao fihetsiketsehana ireo.

Ny zavatra kely misy dikany…

Here's Tomorrow dia ampahany amin'ny tetikasa fanadihadiana mitohy izay mifantoka amin'ny olan'ireo mpitsoa-ponenana Palestiniana monina ao amin'ny toby fialokalofana lehibe indrindra any Jordania: Tobin'ny mpitsoa-ponenana Baqa’a. Ny fanadihadiana dia horonantsary fampahafantarana mampiseho ny fiainana, ny fanantenana sy ny fijerin'ireo izay nandositra nankany Jordania tamin'ny taona 1967 (taonan'ny Naksa).

Abu Assad sy Abu Sitta, lehilahy roa mijaly mafy nampiasa ny hatsarana mba hiady amin'ny (biby) loza be.

Ny herinandro lasa teo, dia nanomboka nanome antoka i Haitham Sabbah fa hangataka alalana amin'ny bilaogy sasantsasany mba hampiditra an'i Palestina ao anatin'ny lisitry ny firenen'izy ireo. Bilaogera roa no namaly tsara sy nanaiky izany hatramin'ny androany.

Avy amin'ny KABOBfest, misy T-shirt mahafinaritra PFLP (Mandam-bahoaka ho an'ny Fanafahana an'i Palestina) azo jerena eto, alaivo ny anao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.