Kôsta Rika: Nosalorana ny lokan'ny kolontsaina nasionaly ho an'ny asa fanaovan-gazety ilay bilaogera 

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nahitana dingana lehibe tany Kôsta Rika ny fampitam-baovao amn'ny endriny hafa. Natolotra an'i Cristian Cambronero ny Loka Nasionaly Pío Viquez ho an'ny Asa Fanaovan-gazety tamin'ny taona 2010 noho ny zava-bitany tamin'ny asa fanaovan-gazety amin'ny endrika hafa. Namoaka lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy Fusil de Chispas  nanomboka tamin'ny taona 2005 i Cristian, nandrisika ny fandraisana anjaran'ireo mpamaky tamin'ny lohahevitra avy amin'ny politika sy ny media sosialy, mankany amin'ny kolontsaina sy ny mozika ankoatra ireo hafa. Nandray anjara mavitrika sy nampiroborobo ny hetsika toy ny Fihaonana Iraisam-pirenena Voalohany  ho an'ny Asa Fanaovan-gazetin'Olon-tsotra sy ny hetsika nitovy tamin'izany ihany koa izy, ary ny fampivoarana ny teknolojia miaraka amin'ny fampitam-baovao amin'ny fomba nentim-paharazana no tanjon'izany voalohany.

Photo of Cristian Cambronero and used with permission.

Sarin'i Cristian Cambronero, nahazoana alàlana.

Nankalazain'ny Minisiteran'ny Kolontsaina hatramin'ny taona 1961 ny Lokan'ny Kolontsaina Nasionaly. Mankato ny ezaka sy ny zava-bita izay ataon'ny olona, ​​ny vondrona ary ny fikambanana amin'ny Kolontsaina, Siansa, Kolontsaina Malaza ary ny Asa Fanaovan-gazety izy ireo. Io no fotoana voalohany nandraisana ny fampitam-baovao nomerika ho anisan'ny notendrena loka.

Niparitaka haingana tamin'ny tambajotra sosialy sy twitter ny vaovao tsara.  Nahazo aingam-panahy tamin'ny fanambarana ny mpiara-miasa aminy nahazo voninahitra lehibe toy izany ny bilaogera sasany. Nanamarika tao amin'ny bilaoginy Por Escrito i Alberto González hoe:

Internet ha venido sacudiendo los cimientos de los medios de comunicación tradicionales desde su incepción, y a través del periodismo del Fusil podemos ver los signos de ese cambio inexorable: Un periodismo participativo, subjetivo.

Nanozongozona ny fototry ny fampitam-baovao nentim-paharazana ny Aterineto ary tamin'ny alàlan'ny asa fanaovan-gazety tao amin'ny Fusil no nahafahantsika nahatsikaritra izany fiovana tsy misy fiafarana izany: ny asa fanaovan-gazety andraisana anjara sy manokana.

Nanoratra tao amin'ny Habla Costa Rica i Luis Diego Molina :

Esto recalca la importancia que la web y los medios ciudadanos están alcanzando en nuestro país y en la formación de una opinión pública más democrática.

Maneho ny zava-dehibe hananan'ny habaka sy ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra eto amin'ny firenentsika izany amin'ny fananganana ny fanehoan-kevitry ny vahoaka ara-demokratika kokoa.

Naneho ny fihetseham-pony tamin'ny fanambarana i Julia Ardón :

Su blog ha sido una de las más frescas contribuciones al ambiente de la comunicación en Costa Rica. Un trabajo, donde, como él mismo lo dice “La Pasión va primero”

Ny bilaoginy dia iray amin'ireo fandraisana anjara mampiala voly misimisy kokoa amin'ny tontolon'ny fifandraisana ao Kôsta Rika. Asa iray izay ahitana, araka ny filazany, ny faniriana aloha no voalohany.

Nametraka taratasy fankasitrahana tao amin'ny bilaoginy Fusil de Chispas i Cristian :

De momento lo realmente claro es que la naturaleza misma de un blog lo haría perder su esencia si fuera unidireccional. Es la participación lo que ha hecho que el Fusil funcione, y sirva para algo. El más honesto agradecimiento para todos los que pasan por aquí.

Amin'izao fotoana izao dia mazava tsara fa ho very ny maha-zava-dehibe ny natioran'ny bilaogy iray raha toa ka mizotra amin'ny lalan-tokana fotsiny izy. Ny fandraisana anjara no mahatonga ny Fusil ho manan-danja sy miasa. Mankasitraka ireo rehetra izay mitsahatra eto aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.