Mitaky ny fanivanan-tena avy amin'ireo sehatra media sosialy ny lalàna Rosianina vaovao

smartphone in crowd

Smartphone anaty vahoaka. Sary an'i SplitShire avy ao amin'ny Pixabay.

Nisy lalàna Rosianina vaovao iray izay nanankery nanomboka ny voalohan'ny volana febroary 2021 nametraka ny vesatry ny fanakanana votoaty voarara teo amin'ireo sehatra media sosialy malaza. Io dia manondro fiovan'ny famindra ho an'ny RuNet, izay ireo mpanome tolotra aterineto na ireo mpampiantrano no nanao ny fanakanana votoaty teo aloha, nanaraka ny baikon'ny mpitondra fanjakana, ny fampiharana ny lalàna na ny fitsarana.

Ny lalàna vaovao, №530-FZ, dia mampiditra famaritana ara-dalàna ny “tambajotra sosialy”: izay sehatra rehetra misy mpitsidika 500.000 isan'andro dia ho voasokajy ho isan'izany amin'ny fomba ofisialy ary ampidirina ao amin'ny rakitra manokan'ny fanjakana. Ireo tranokala “tambajotra sosialy” voatondro amin'ny fomba ofisialy ireo dia tsy maintsy mitady sy manaisotra izay votoaty tsy ara-dalàna ao amin'ny pejin'izy ireo tsy misy fanampiana avy amin'nny hafa, ary hiatrika lamandy henjana — manomboka amin'ny 800.000 roubles ka hatramin'ny 4 tapitrisa rubles (10.860 ka hatramin'ny 54.310 USD) — raha tsy vitany izany. Ny fandikan-dalàna miverimberina dia mety hitarika sazy hatramin'ny ampahafolon'ny vola miditra isan-taona amin'ilay sehatra.

Ny karazana votoaty an-tserasera voasokajy ankehitriny ho tsy ara-dalàna araka ny lalàna Rosianina dia ahitana ny sary mamoafady momba ny ankizy, ny fampahalalana mifandraika amin'ny fampiasana zavamahadomelina, ny famonoantena na ny fampielezana “hetsika mampidi-doza” amin'ireo zaza tsy ampy taona, ary ny dokambarotra momba ny alikaola na ny filokana. Voarara ihany koa ny fampahalalana manafintohina ny hasin'ny zanak'olombelona na ny fisainam-bahoaka na mampiseho tsy fanajana ny “fiarahamonina, ny fanjakana, ny tandindon'ny fanjakana na ny mpiasam-panjakana”. Tafiditra anatin'ny sokajy lehibe hafa misy ireo votoaty voarara ny antso hanaovana fikorontanana faobe, ny “extremisme”, ny fampihorohoroana na ny fiantsoana handray anjara amin'ny hetsika faobe tsy nahazoana alalana, ohatra amin'izany ny hetsika fanoherana.

Tsara ny manamarika fa sehatra media sosialy maro no mitanisa ny ankamaroan'ireo sokajim-botoaty ireo ho manitsakitsaka ny fepetra fampiasana ny sehatr'izy ireo, ary azo inoana fa efa manala izany votoaty izany matetika anatin'ny asa fandrindrana ny votoatiny. Nasongadin'ireo manampahaizana fa ny antony lehibe nahatonga an'io lalàna vaovao io dia ny fanirian'ny fanjakana hampihena ny tsy fankasitrahana sy ireo hetsika fanoherana mitombo ao amin'ny firenena.

Mikhail Tretyak, lehiben'ny fampiharana ny IP / IT ao amin'ny Digital Rights Center, nilaza tamin'ny mpampahalala vaovao tsy miankina The Bell:

Законопроект направлен и на обязательную блокировку контента оппозиционных политиков. Это и информация, выражающая неуважение к органам государственной власти, и призывы к массовым беспорядкам и участию в несогласованных публичных мероприятиях. К тому же владелец социальной сети обязан не допускать использование ресурса для разглашения сведений, составляющих государственную или иную специально охраняемую законом тайну.

Ilay lalàna dia mikendry ny fanakanana tsy maintsy atao amin'ireo votoaty zarain'ny mpanao politika avy amin'ny antoko mpanohitra. Mandràra ny fampahalalam-baovao manafintohina ny andrim-panjakana, sy ireo antso hanaovana korontana faobe ary ny fandraisana anjara amin'ny hetsika ho an'ny daholobe tsy nahazoana alalana ihany koa izy io. Ny tompon'ny tambajotra sosialy koa dia tsy maintsy manakana ny sehatr'izy ireo tsy hampiasaina amin'ny famoahana vaovao izay ahitàna tsiambaratelom-panjakana na fampahalalana miafina hafa arovan'ny lalàna.

Ny ONG Safe Internet League izay mifandray tsara amin'ny fanjakana dia nandray tsara io lalàna io ary efa nanangona ny lisitr'ireo sehatra media sosialy heveriny fa tokony hampidirina maika dia maika anatin'ilay rakitra vaovao. Ity lisitra ity dia ahitana ny Facebook, Instagram, TikTok, Twitter, YouTube, VKontakte, Odnoklassniki, Telegram, ary WhatsApp. I Elena Mizulina, lehiben'ny Safe Internet League, dia nilaza tamin'ny masoivohom-baovao TASS tantanin'ny fanjakana:

Мы призываем Роскомнадзор не медлить с созданием реестра, чем быстрее он будет создан, тем быстрее заработает сам закон и быстрее соцсети в России будут очищаться он запрещенной информации.

Miangavy an'i Roskomnazdor izahay mba tsy hitaredretra amin'ny famoronana ilay rakitra, arakaraka ny hafainganan'ny famoronana azy ny hafainganan'ny fampiharana ilay lalàna sy ny hafainganan'ny fanadiovana ireo tambajotra sosialy Rosianina amin'ny vaovao tsy ara-dalàna.

Sarkis Darbinyan, lehiben'ny mpisolovavan'ny fikambanana mpiaro ny zo nomerika Roskomsvoboda, dia mieritreritra fa hanelingelina kokoa ireo tambajotra sosialy Rosianina ilay lalàna vaovao, izay mety hila hampiasa vola amin'ny fandrindrana tsy tapaka ireo votoaty. Ireo sehatra miorina ivelan'i Rosia tsy misy foibe ao amin'ny firenena dia afaka tsy miraharaha ireo fitakiana ary tsy dia miatrika fanakanana ambongadiny, hoy i Darbinyan:

И так существовало множество других законов, по которым их можно блокировать хоть завтра. Но блокировка YouTube, Facebook или Twitter — это, очевидно, политическое решение, которое принимается не Роскомнадзором. И пока такого решения, как мы видим, нет.

Efa nisy lalàna maromaro hafa izay mamela [ny fanjakana] hanakana [ireo sehatra media sosialy] ireo. Fa ny fanakanana ny YouTube, Facebook na Twitter dia mazava ho azy fa fanapahankevitra politika, izay tsy ataon'i Roskomnadzor. Ary hatreto dia mbola tsy nahita fanapahankevitra tahaka izany isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.