· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Mediam-bahoaka tamin'ny Febroary, 2011

Libya: Inona no nahatara an'i Gaddafi?

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya. Miteny ao amin'ny fahitalavi-panjakana ankehitriny ny mpanao didy jadona ao Libya Muammar Al Gaddafi. Mandra-piandry ny kabariny dia niezaka ny hamantatra ny antony nahatara ny kabary efa niomanana ny tweeple avy amin'ireto angona tweets na sioka...

Libya: Fahafatesana mialoha ny Fahafahana (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya. Ao anatin'ny toe-draharaha mampidi-doza sady miova haingana dia haingana ao an-toerana – sy amin'ny alalan'ny serasera nomerika tsy dia tsara loatra – no anombohan'ny mponina any Libya mamoaka saripika sy lahatsarin'ny fitroarana manohitra an'i Muammar Al...

Jordanie: Nolavin'ny Islamista ny fanolorana toerana ho azy ireo ao amin'ny governemanta

Neken'ny mpanjaka Abdullah II any Jordanie ny fametraham-pialan'ny praiministra Samir Rifai ary notendrena hisolo azy i Maarouf Bakhit, olona mendrika ao amin'ny tafika. Na dia nangataka ny fialan'Andriamatoa Rifai aza ny islamista, dia nolaviny ankitsirano fotsiny izao koa ny fanendrena nataon'ny mpanjaka, nolazainy fa tsy hahavita hanavao ny politika any an-toerana...

Tanzania: Maneho hevitra momba ny fipoahana baomba tany amin'ny toby miaramila ny mpampiasa aterineto

  20 Febroary 2011

Olona 30 fara-fahakeliny no maty tamin'ny fipoahana baomba maromaro taorian'ny loza tamin'ny Alakamisy vao mangiran-dratsy tany amin'ny toby miaramilan'ny Gongo la Mboto any Dar es Salaam, Tanzania. 22 fara-fahakeliny ny olona maty tamin'ny 2009 taorian'ny fipoahana baomba mahatsiravina tany amin'ny toerana fametrahana ny fitaovam-piadiana tany amin'ny toby miaramila any Mbagala any Dar es Salaam. Ity dia fanatsongàna fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny blaogy sy twitter.

Bahrain: Lahatsarin'ilay Fanafihana Vao Mangiran-dratsy Tao amin'ny Rond-Point Lulu

Vao niposaka ny andron'ny Alakamisy 17 Febroary 2011, nanodidina ny tamin'ny 3 ora maraina tao Bahrain, dia notafihan'ny polisy mpandrava korontana ireo mpanao fihetsiketsehana resin-tory nanodidina ny rond-point Lulu, ivon'ny hetsika fanoherana atao hoe Andron'ny Hatezerana mitranga ao Bahrain amin'izao fotoana. Indreto lahatsary vitsivitsy avy amin'ireo hetsika nivoaka hatreto.

Ejipta: Miarahaba Firenena Iray Vaovao

Manonofy hoavy tsaratsara kokoa ry zareo Ejiptiana, ary ho an'ny maro dia efa an-dalam-pahatanterahana izany nofinofy izany.Ao anatin'ity lahatsoratra ity, rentsika avy amin'ireo Ejiptiana mpitoraka bilaogy ny fahatsapana ho toy ny mahita fahaterahana firenena vaovao, dia ny firenena izay nandrasan-dry zareo hatry ny ela.

Ejipta: Nametra-Pialàna Tsy ho Mpitarika ny NDP eo amin'ny fitondràna ve i Mubarak?

Vaovao vao nilatsaka ny hoe nametra-pialana amin'ny maha filohan'ny antoko NDP mitondra amin'izao fotoana azy ny filoha Ejiptian Hosni Mubarak. Andro faha-12 amin'ny hetsi-bahoaka goavana manerana an'i Ejipta itakiana ny fialàny no nisian'izany. Fanavaozam-baovao: niova ny vaovao ankehitriny: mety tsy niala tamin'ny toerany i Mubarak. Indreto fanehoan-kevitra avy ao amin'ny Twitter mikasika ireo vaovao mifanipaka ireo.