(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny May 2012)
Ivontoeram-pampianarana iray sady bilaogy ifarimbonana ny Socialbrite.org, natsangan'i Joseph Daniel Lasica tamin'ny 2009, izy izay mpanolotsaina amin'ny lafiny haino amanjerim-bahoaka, mpanao gazety anaty aterineto no sady bilaogera. Manampy sy manohana ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa, ireo orinasa misahana ny vahoaka, ireo mpikatroka mafana fo izy io ary misarika ireo fikambanana mba hampiasa ny haino amanjerim-bahoaka hanatontosàna ny asan-dry zareo.
Ny sehatra Socialbrite dia ahitàna vondrompiarahamonina mianatra sy mizara miaraka aminà lahatsoratra maimaimpoana maherin'ny 1.000, torolàlana sy loharano hafa. Ho famaranana vao haingana ny Google Internet tao amin'ny fivorian'ny Liberty 2012, namorona sy namoaka fitaovana ahitàna taridàlana iraika ambiny folo momba ny fisoloana vava ara-piarahamonina sy ara-pôlitika ny Socialbrite.org. Kendrena ho “teboka fanombohana tsara ho an'ireo mpikatroka mafana fo, ireo mpiasa ho an'ny fanovàna sy ireo mpitolona ho an'ny fanavaozana ara-pôlitika izay te hitondra fanovàna tsara eo amin'ny fireneny, eo amin'ny vondrompiarahamonina misy azy sy eo amin'iza tontolo izao” ireo taridàlana ireo.
Tafiditra anatin'ireo taridàlana 11 fampahafantarana ny fiovàna ara-piarahamonina ireo ny paikady fanaovana hetsipanentanana mahomby, ny torolàlana ho an'ireo fitaovana fanarahamaso sy fandrefesana tsara indrindra, ny lisitra mikasika ireo sehatra ny fikambanana ary loharano hafa manome fahafahana hanatanteraka hetsipanentanana mahomby.
- Fitaovana 10 tsara indrindra ho anà hetsipanentanana fisoloana vava
- Dingana 10 lalovàna ho anà fanentanana mahomby
- Ivontoerana 12 ho an'ny hetsika sôsialy
- Fitaovana 10 ifarimbonana ho an'ny fikambananao
- Fitaovana 10 momba ny fitsikilovana ny haino amanjerim-bahoaka
- Fitaovana maimaimpoana 10 fandrefesana ireo famakafakàna azo avadika ho hetsika
- Tenifototra 45 ho an'ny fanovàna ny fiarahamonina
- Fitaovana fanangonam-bola ho an'ireo hetsika fanasoavana vahoaka
- Ireo fampiharana tsara indrindra ho an'ny Web Sôsialy
- Fampiharana 10 ho anà finday hanasoavana ny vahoaka
- Fisintonana izay zavatra rehetra tsara avy amin'ny Google Analytics
Sintony eto avokoa ireo taridàlana rehetra.
Inty ny fanolorana an-tsary avy amin'ilay atrikasa mitondra ny lohateny hoe “Haino Amanjerim-bahoaka: Paikady & fitaovana ho an'ireo hetsipanentanana fisoloana vava” anaty Aterineto tao anatin'ny fivorian'ny Liberty 2012: