Famoahana Ireo Fitaovana video4change Vaovao

 

Navoaka voalohany teo amin'ny tranonkala video4change tamin'ny 2/11/2014 ity lahatsoratra ity  ary naverina navoaka indray rehefa nahazoana alalàna

Tamin'ny Desambra 2013, namoaka andianà torolàlana vaovao iray  natokana hanohanana an'ireo mpikatroka mamokatra lahatsary sy ireo olom-pirenena mpanao gazety amin'ny famokarana sy fanapariahana ny lahatsarin-dry zareo amin'ny fomba mahomby ny  video4change.

Miaraka amin'ny fanohanan'ny Internews Europe, ireto torolalana ireto dia miainga avy amin'ny resaka lahatsary alaina amin'ny findday ka tonga hatramin'ny fampiantranoana azy anaty tranonkalan-dahatsary tsy miankina.

  1. Torolalana ho an'ny Fampiantranoana lahatsary tsy miankina. Efa nitady an'ireo fomba hamoronanareo ny vohikala manokana hizaràna ny lahatsarinareo ve ianareo ary ny fanambàrana an'ireo lahatsary (ao amin'ny EngageMedia.org! Avy eo, tsy maintsy mamaky an'io torolalana io ianareo. Ifantohan'ilay torolàlana ireo vahaolana omen'ireo rindrambaiko malalaka sy maimaimpoana ary manana loharano misokatra (FLOSS) sahala amin'ny WordPressDrupal sy Plumi. Nosoratan'i Mick Fuzz avy ao amin'ny mpikambana video4change izy io, FlossManuals.
  2. Lahatsary mahomby raketina amin'ireo fitaovana mora vidy. Raha toa ianao mpikatroka amin'ny lahatsary na olom-pirenena mpanao gazety tsy dia manana fahafahana ara-bola loatra sy tsy afaka mividy ny fitaovana farany indrindra fandraketana  lahatsary ary smartphone, dia ilainao izany ity torolalana ity. Manolotra an'ireo hevitra sy fikafika izy io mba hamoronana lahatsary tsara kalitao miainga amin'izay fitaovana misy ao aminao. Nosoratan'i Brian Conley mpikambana amin'ny video4change ity torolalana ity, Small World News
  3. Torolalana ho an'ny Olompirenena Mpanao Gazety handraketana Lahatsary amin'ny Finday. Manana izay rehetra tsy maintsy fantatrao izy io mba hampiasàna ny smartphone-nao ho amin'ny lahatsary sy ny asa fanaovan-gazetin'ny olompirenena. Ireo lohahevitra voarakitra ao anatin'io torolalana io dia ahitana an'ireo fotokevitra mikasika ny lahatsary amin'ny finday ary koa ireo fampiharana azo raisina mba hizaràna ny lahatsary avy eo amin'ny fitaovana fitondranao mandehandeha. Nosoratan'i Melissa Ulbright izy io.
  4. Torolalana ho an'ny Olompirenena Mpanap Gazety Hampitàna Mivantana ny Lahatsary. Olompirenena Mpanao gazety ve ianao, mikasa ny handeha handrakotra fihetsiketsehana iray ao an-tanànanao? Sa ve ianao eo amin'ny toerana mety amin'ny fotoana mety, sady manatrika an'ireo hetsika izay tokony ho zaraina amin'ny olona rehetra manerantany? Mialohan'ny hisehoan'izany, tena tsara raha vakianao ity torolalana ity. Mitondra ny mpampiasa azy ho aminà fitaovana sy tetika isankarazany ao anaty lahatsary mivantana izy io. Nosoratan'ny mpikambana amin'ny video4change, Becky Hurwitz avy amin'ny MIT Ivontoerana ho an'ny Media Sivika, ity torolalana ity ihany koa dia manolotra mivantana an'ireo fanazàrana momba ny fametrahana sy fampiasana ireo tolotra malaza indrindra azo raisina momba ny fandefasana lahatsary mivantana.

Ankoatry ny teny anglisy dia azo alaina ao amin'ny teny Arabo sy Birmana daholo ireo torolalana ireo.

Ireo Ampahany Arabic

  1. Guide to Independent Video Hosting
  2. Effective Video on Low Cost Devices
  3. Citizen Journalist Guide to Mobile Video
  4. Citizen Journalist Guide to Live Streaming Video

Ireo ampahany Birmana

  1. Guide to Independent Video Hosting (on FlossManuals)
  2. Effective Video on Low Cost Devices (downloadable .pdf)
  3. Citizen Journalist Guide to Live Streaming Video (downloadable .pdf)
  4. Citizen Journalist Guide to Mobile Video (Notapatapahanay ho toko vitsivtsy ity torolalana ity mba hahamora ny fitrohana azy.)

Sary famantarana ho an'ity lahatsoratra ity, avy amin'i Mark Tomlinson tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.