Tantara mikasika ny Israely
Ho voatarika anatina ady midadasika ve i Libanona?
Satria mihamitombo ny disadisa eo amin'i Hezbollah sy Israely, ny faritra MENA dia eo amoron'ny ady midadasika izay mety handravarava tanteraka ary hisy hahasaringotra lalina an'i Libanona sy ireo firenena manodidina azy.
Manohana ny tolona Palestiniana i Malezia sy Indonezia
Olona an'arivony tao Indonezia sy Malezia no nanao famoriam-bahoaka tamin'ny faran'ny herinandro mba haneho ny fanohanany ny Palestiniana ao anatin'ny ady mitohy ataon'i Israely amin'i Gaza.
‘Maty ve aho?': Fijoroana vavolombelon'ny nanatri-maso avy ao Gaza
'Sary mavesatra voasokitra ao an-tsaina, fahatsiarovana ho tsaroako mandra-maty no nentiko nody'
Olona nandositra an'i Rosia : «izahay koa tsy nomena trano”»
Heverin'i Valeria ho tsy dia misy dikany ny tantarany : "Nandao an'i Rosia aho satria tsy vitako ary tsy te-hangina aho, sady tsy te higadra noho izany koa aho."
Palestiniàna miady ho an'ny tranon'izy ireo ao Jerosalema Atsinanana
Araraotin'ireo fikambanana mpanjanaka Israeliana, tohanan'ny Fanjakana, ny fampiasàna ilay lalàna fanavakavahana mba hakàna tsy an-drariny ny tranon'ireo Palestiniana, mampiasa fomba lazaina ho ara-dalàna hahafahana manàla an-keriny ireo fianakaviana amin'ny trano fonenany.
Jiosy An-tendrombohitra: Topimaso mikasika ny fiainan'ireo vitsy an'isa ao Azerbaijan
Manome topimaso momba ny fiainan'ireo Jiosy An-tendrombohitra ao Azerbaijan ny fampirantiana any Berlin, vondron’olona avy any Persia izay nanorim-ponenana tao Kaokazy ary nitazona ny mari-panondroana azy ireo mandraka ankehitriny.
Governemanta, mbola mampiasa an-kalalahana ny rindrambaiko Pegasus, na mbola tsy misy voapetraka aza ny resaka fiarovana ny zon'olombelona
Tena hamehana ny tokony hisian'ny fandrindràna ny varotra erantany momba ireo teknôlôjia fanarahamaso, ka ampidirina ao anatiny ny resaka zon'olombelona
Ho fahatsiarovana an'i Moshe Ha Elion, Jiosy Sefarady, mpanoratra, tafavoaka velona tamin'ilay Famonoana Tambabe (Haulocaust) tao Thessaloniki
Moshe Ha Elion dia teraka tamin'ny 1925 tao Thessaloniki; tafavoaka velona tamin'ilay Famonoana Tambabe izy, ary malaza be amin'ireo bokiny sy hirany amin'ny fiteny Ladino natao hahatsiarovana ny fahorian'ireo niharam-boina tany amin'ireo toby Nazi natao ho famonoana.
Fomba anoheran'ireo tanora palestiniàna ny fibodoana ataon'i ISraely: ny hety volo
Andian-taranaka vaovao manjary tsy manana fanantenana manoloana ireo zava-misy feno habibiana amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra ataon'ny Israeliana no mitarika ny ady amin'izao fotoana izao. Maneho ny fiombonampo amin'ireo tanora ireo ny Palestiniana no sady manohana ihany koa ny fanoherany.
Nodimandry i Moris Albahari, iray amin'ireo sisa mpiteny ny fiteny Ladino ao Bosnia,
Ny Ladino na jiosy-espaniôla dia fiteny romàna iray andalam-panjavonana, nipoitra avy amin'ny espaniôla fahagola, nampiasain'ireo Jiosy sefarady 60.000 eo ho eo nonina tao Israely, Tiorkia, Balkàna, Afrika Avaratra ary tany amin'ireo ampahany fahiny tamin'ny Ampira ôtômana.