· Aogositra, 2019

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Aogositra, 2019

Palestina: “Tsy fantatr'izy ireo hoe ho velona ve izy ireo”

  19 Aogositra 2019

Izany no nahatonga an'i Mohammad, monina ao Ramallah saingy avy any Gaza, nanomboka ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe "Mahazatra kokoa noho ny torimaso ny fahafatesana" Nandritra ny 17 andro, hatramin'ny nanombohan'ny fanafihana voalohany tao Gaza, nizara ny antson'ny fianakaviana ao amin'ny  KABOBfest i Mohammad mba hahafahan'izao tontolo izao mandre ny tantarany.

Israely: Tia sy mankahala an'i Yonit Levi

  11 Aogositra 2019

Yonit Levi no vehivavy mpanolotra vaovao be mpitia ao amin'ny Channel 2 any Israely. Tato anatin'ny andro vitsivitsy anefa dia lasa voahilika tao amin'ny tontolon'ny bilaogy izy noho ny fanehoan-keviny momba ny krizy misy ankehitriny ao Gaza, izay heverina fa mangoraka an'ireo Palestiniana.

Ejypta: Bilaogera miresaka momba ireo “Zanakalahin'ny Ziona”

  08 Aogositra 2019

Mety hoe nijanona tsy nianjera ny baomba tao Gaza, saingy mbola mitohy ny ady an-tserasera goavana, amin'ireo bilaogera amin'ny andaniny sy ankilany manetsiketsika ny vondrony mba 'hanongotra' ny fisian'ny hafa - farafaharatsiny ao amin'ny aterineto. Bilaogera Ejiptiana roapolo mahery no manambana ady amin'ny tafika bilaogera Israeliana.