· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Oktobra, 2018

Indonézia-Gaza : Blaogera mifanandrina amin'ny haino aman-jery mikasika an'i Gaza

  22 Oktobra 2018

Naneho hevitra tamin'ny fomba feno herisetra tamin'ilay ady nisy teo amin'ny Israeliana sy ny Palestiniana ireo haino aman-jery Indoneziana nentim-paharazana, indrindra ireo gazety sasany sy fahitalavitra mpanohana ny Islamika. Tamin'ny alalan'ireo fampahalalam-baovao ireo, hitantsika fa manolotra ''fampiofanana ara-miaramila'' ireo vondrona mpanao an-tendrony mba handehanan'ny sasany hiady any Palestina ho an'ny jiady.

Any Kivu hatrany Gaza : Ny fomba isafidianan'ireo haino aman-jery ny ady ho rakofany

  21 Oktobra 2018

''Fa nahoana no kely ihany ny fifantohantsaina atokan'ny haino aman-jery ho an'ireo ady any Afrika, indrindra ireo loza mahatsiravina mitranga ao Kivu, izany no fanontaniana hatry ny fahagolantany (misisika toy ilay fitiavana hahalàla ny antony tsy hanaovan'ireo haino aman-jery iraisam-pirenena izany raha tsy resaka fifandirana irery ihany, rehefa mandrakotra an'i Afrika izy ireo).''

Fitetezana bilaogy manerantany isaky ny alarobia (jona 2006)

  18 Oktobra 2018

Manana sary avy ao amin'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Bishkek, Kirghizistan i Nathan ao Registan, izay olona an-jatony no nanafika ny tranobe mba handroaka ireo mpanao fihetsiketsehana izay nibodo ny trano hatramin'ny volana Aprily. (Nitaky ny fialàn'ireo manampahefana rehetra notendren'ny filoha teo aloha Akayev ireo mpanao fihetsiketsehana.)

Palestina: Mieritreritra fandevenana tsy tena izy

  01 Oktobra 2018

Tena sarotra ho an'ny Palestiniana ao amin'ny Morondrano Andrefana sy Gaza ny hitsidika an'i Israely, ary noho ny antony ara-politika dia tsy ho vitan'ny ankamaroan'ny Arabo hafa ny manao izany, satria tsy ankatoavin'ny ankamaroan'ny firenena Arabo ho toy ny fanjakana i Isiraely.