Nanamafy ny Masoivohon'i Nepal any Israely fa mpianatra Nepaley 10 mipetraka ao amin'ny kibbutz iray any atsimon'i Israely akaiky sisintany amin'i Gaza no maty tamin'ny fanafihana nataon'ny mpitolona Hamas tamin'ny Sabotsy 7 Oktobra 2023. Asongadin'ny toe-java-nitranga indray ny loza atrehan'ny Nepaley ampielezana rehefa miparitaka any amin'ny firenena miady eto amin'izao tontolo izao.
Anisan'ireo mpianatra 17 any Israely manaraka ny fandaharan'asan'ny governemanta Israeliana ‘mianara sy mahazoa karama’ izy folo izay avy any Nepal andrefana avokoa, ary voatendry ho ao amin'ny Kibbutz Alumim, izay notafihin'ny mpitolona mitam-piadiana Hamas avy any Gaza.
Navoakan'ny Masoivoho ny anaran’izy folo, izay niparitaka haingana tamin’ny tambajotran-tserasera, ary mpianatra iray no tsy hita popoka. Nisy efatra hafa naratra, ary roa no voalaza fa avotra ary tsy misy ahiana ny ainy. Tsy voamarina ny tatitra teo aloha fa anisan'ireo takalon'aina nentin'ny Hamas niaraka tamin'izy ireo tany Gaza ny Nepaley.
Nihaona tamin'ny Masoivoho Israeliana tao Kathmandu, Hanan Godar, ny minisitry ny Raharaham-bahiny Nepal Narayan Prakash Saud tamin'ny Alahady 8 Oktobra 2023, talohan'ny nahafantarana fa nisy Nepaley tamin'ireo namoy ny ainy tao amin'ilay toeram-pambolena.
Misy mpianatra fambolena 265 avy amin'ny faritra ambanivohitr'i Nepal amin'izao fotoana izao ao Israely mba hahazoana haizatra amin'ny fambolena sady mahazo vola amin'ny fiasana amin'ny kibbutzes. Misy Nepaley 5000 hafa mpikarakara zokiolona koa ao Israely.
“Matahotra ny ankamaroan'ny Nepaley mpianatra ary irin-dry zareo ny governemantan'i Nepal haka azy ireo amin'ny fiaramanidina,” hoy i Ramesh Joshi, Nepaley mpiasa nanampy tamin'ny asam-panavotana, hoy ny Nepali Times tamin'ny telefônina avy any Israely.
“Nahery vaika ny ady ka na dia ny fiara mpamonjy voina sy ny tafika aza tsy afaka nankany amin'ny faritra atsimon'Israely. Tsy maintsy nijanona tao amin'ny bunker izahay rehetra tsy ho azon-tifitra,” hoy i Joshi, izay miaraka amin'ny Fikambanan'ny Nepaley tsy mponina ao Israely.
Nilaza ireo Nepaley nandray anjara tamin'ny asam-panavotana fa efa niantso vonjy ny sasany tamin'ireo Nepaley naratra, saingy na ny Tafika Israeliana aza tsy afaka nanatona azy ireo noho ny fifampitifirana.
Nilaza i Louish Rijal, Nepaley mpianatra fambolena, izay niresaka tamin'ny Nepali Times tany amin'ny bunker iray any amin'ny faritra atsimon'i Israely ny alahady hariva, fa tena tora-kovitra tokoa ireo Nepaley niaraka taminy ary te-hovonjena.
“Renay ny amin'ireo namanay maty na maratra any amin'ny toeram-pambolena hafa, ary tsy azonay ny antony tsy ahafahan'ny masoivoho manavotra anay. Iza no mpiambina anay, ny sekoly eto, ny oniversite any Nepal, ny mpampiasa anay, sa ny governemanta? Ho fatin'ny tahotra izahay raha mbola miafina eto”.
Tsy vao sambany no nisy Nepaley tsy mpiady maty tany amin'ny faritra misy ady ampitan-dranomasina. Nepaley 12 takalonaina miasa ao amin'ny trano fanorenana amerikana iray any Irak no novonoin‘ny vondrona Ansar al-Sunna ho faty taorian'ny fisamborana azy ireo tamin'ny taon'ny 2004; niteraka rotaka tao Kathmandu ny lahatsarin'ny famonoana nalefa tamin'ny fahitalavitra.
Nepaley Mpiambina 13 niasa tao amin'ny orinasa iray nanao asan'orinasa hafa no maty tamin'ny fanafihan'ny Taliban ny Masoivoho Kanadiana tao Kabul tamin'ny taona 2016. Notoriana ny governemanta Kanadiana ary nandoa onitra tamin'ny farany.
“Mbola manangom-baovao amin'ny isa marina amin'ny maty sy maratra sy izay fanampian'Israely amin'ireo Nepaley izahay, ary hizara izany sy ny setriny ataon'ny governemanta amin'ny alatsinainy,” hoy i Sewa Lamsal ao amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Kathmandu.
Namoaka fanambaràna ny Minisitera tamin'ny Alahady nanameloka ny fanafihan'ny Hamas, fa tsy nanonona ny anaran'ilay vondrona mpitolona mitam-piadiana Palestiniana. Nanomboka izany: “Manameloka mafy ny fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Israely androany ny governemantan'i Nepal … amin'izao ora sarotra izao dia mampita ny firaisankinay amin'ny governemantan'i Israely izahay.”
Manaraka izany ny fandikana hafatra am-peo avy amin'ny mpianatra Nepaley iray tafahitsoka ao amin'ny Kibbutz Alumim miantso vonjy izay miparitaka amin'ny media sosialy:
A total of 49 of us from Sudur Paschim University were here as part of the learn and earn 11 months internship program. We were happy, we had dreams. But just two days before we were to receive our first paycheck, the Palestinians attacked. Our farm, in particular, wasn’t affected but when we made videos and shared them with the media, we started getting calls from other Nepali students who were shot and were crying for help. We couldn’t do anything. Even our group of 11 has been stuck here in a dark bunker since 7AM yesterday. We don’t have food, just water. But it’s cold in here and we are starting to get sick. We reached out to the embassy and officials but they only have false assurances for us. But is that enough to save our lives? We request all the Nepalis, foreign ministry and leaders of all political parties to rescue us at the earliest. Do not think of us students but rather as your sons and daughters.
Miisa 49 izahay avy ao amin'ny Oniversite Sudur Paschim no tonga teto ho anisan'ny programam-pianarana kilasimandry mianatra sady mikarama mandritra ny 11 volana. Faly izahay, nanana nofy. Roa andro monja mialoha ny tokony handraisanay ny karamanay voalohany anefa, dia nanafika ny Palestiniana. Tsy tratra ny toeram-pambolenay manokana fa rehefa nanao lahatsary izahay ary nizara izany tamin'ny media, dia nanomboka nahazo antso avy amin'ireo mpianatra Nepaley hafa izay voatifitra sy miantso vonjy. Tsy afaka nanao na inona na inona izahay. Na ny vondrona misy anay 11 aza dia tafahitsoka ato amin'ny bunker maizina nanomboka omaly tamin'ny 7 ora maraina. Tsy manana sakafo izahay, rano fotsiny. Mangatsiaka anefa ny eto ary manomboka marary izahay. Nanao izay hahazoana ny masoivoho sy ny tompon’andraikitra izahay fa tsy misy afa-tsy fanomezan-toky fitaka ho anay. Ampy hanavotana ny ainay ve anefa izany? Mangataka ny Nepaley rehetra, ny minisiteran'ny raharaham-bahiny ary ny mpitarika ny antoko politika rehetra izahay mba hanavotra anay haingana indrindra. Aza heverina ho mpianatra izahay fa hevero ho zanakalahy sy zanakareo vavy.